Ho tsaroana manokana ireo any am-ponja any an-tanintsika .

Maro dia maro izy ireo. Mivavaha isika  ho an’izay:

Migadra satria nangalatra noho ny antony maro. Noho ny hanohanana. Noho ny tsy fananana. Noho ny fanandramana izany niaraka tamin’ny hafa. Ao koa ny te hana-karena. Ao ny zatra na nampiasa taratasy na vola  sandoka

Migadra satria nahafaty olona tsy nampoizina. Nisy koa  ny fifandonan’ny fiarakodia izay mety tsy ho fanahinina. Nisy ny nahatonga loza noho ny fisehosehona. Tao ny diso  nandeha haingana. Tsy tsaroana fa miantoka ny ain’ny olona izay entina amin’ny fiara. Ny fisotroana zava-mahadomelina sy rongony dia niteraka loza.

Migadra satria noho ny hamafisan’ny fiainana dia tsy nahatohatra ny kirikiry mety hitranga. Tsy afaka manohitra ny adim-piainana. Ao ny namono vady satria tonga vetivety ny fahasorenana. Ny Fitiavana koa mihena satria tsy voakojakoja. Izay atao tsy misy mahafaly. Ka dia mikapoka isan’andro ary  dia miafara amin’ny fahafatesana. Ao ny fahasarotam-piaro izay mandrara tsy hisaina sy tsy handinika intsony rehefa tonga.  Ao ny namono zanaka tsy fidiny satria noheverina fa enta-mavesatra izy ireny. Tsy hay intsony izay hamelomana azy.Noho ny fanolanana nahazo azy dia tsy te hanana ny zaza izay teraka. Namono ray aman-dreny satria tsy hita izay hanaovana azy. Tsy zaka intsony ny anatra ataony ka mahatezitra. Tsy handry izay hizarany ny fananany.  Ao ny  nampiseho ny heriny ka nampiasa fitaovana famonoana ny mpiara-monina.  Misy izay namporisihina hanao izany.

Any am-pigadrana any dia tsy hahitana fifaliana. Mifanety ary zara raha misy hatorina.Ny sasany eny an-tokotany. Ao ny latsa sy ny eso. Ary misy aza ny mampijaly ny hafa. Ao koa ny zaza mety ho teraka mandritra ny fotoana higadran’ny vehivavy.  Ny sakafo tsy zarizary. Zara raha mihinana. Zara raha misy mamangy. Maro no harin’ny havany.

Misy koa ireo migadra satria tsy fantatra akory izay nampigadra azy. Fa voaendrikendrika fotsiny.

Tsy dia mahavantana firy ny mivavaka ho an’izay any am-pigadrana raha tsy olona fantatra angaha. Na sendra re ny tantarany. Mivavaha ho an’ny izay migadra sy ny fianakaviany . Ho an’ny toerana misy azy ireny. Ho an’ny mpiasa sy mpiambina azy ireny.

Raha sendra mamaky ity ianao dia nantsoina iara-hiombom-pivavahana ho an’zay migadra na inona na inona antony. Raha mbola tsy afaka manao izany ianao dia maka fotoana hieritreretanao lalina ny antony. Tsy misy hanome tsiny anao fa mandiniha  aloha. Mbola ho avy ny fotoana hahafahanao manao izany raha tsy izao.

Ny Fahazavana’Andriamanitra hanampy antsika rehetra tsy ankanavaka . Ary ny fiadanany ho ao am-pon’ny tsirairay.