1/10 >  Isaia 5 : 11

Lozan’izay mifoha maraina koa ka mitady toaka ! Izay miboboka mandra-paharivan’ny andro. Ka ampirehetin’ny divay.

2/10 > Filipiana 4 : 8-9

Ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.

Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko (Paoly apostoly io) ; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.

3/10 > Jaona 6 : 21

Hoy Jesosy taminy «  Izaho ihany, aza matahotra »

4/10 > Jaona  6 : 28

Fa hoy ireo taminy “  Inona no ataonay mba iasanay ny asan’Andriamanitra ? “

5/10 > Jaona 6 : 35

Hoy Jesosy taminy “ Izaho no mofon’aina, izay manatona ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony”

6/10 > Jaona  7: 15-16

Dia gaga ny jiosy ka nanao hoe “ Ahoana no nahaizan’Ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy » ? Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: “ Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’izay naniraka Ahy”.

7/10 > Jaona  7:  37-38

Ary tamin’ny andro farany, izay andro  firavoravoana , dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe : Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy hisotro.

Izay mino Ahy, dia hisy onin’ny rano velona hiboiboka avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ny Soratra Masina.

8/10 > Jaona 7:51

Moa manameloka olona va ny lalàntsika, raha mbola tsy mihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony?

9/10 > Jaona 8: 10-11

Ary rehefa nitraka Jesosy, dia hoy izy taminy : Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va ? Ahoy izy : Tsy misy tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao, mandehana, ary amin’izao sisa izao aza manota intsony !

10/10 > Jaona 8 : 19

Dia hoy ireo taminy : Aiza izay Rainao ? Jesosy namaly hoe : Samy tsy fantatrareo, na Izaho na ny raiko; raha nahalala Ahy ianareo dia ho nahalala ny Raiko koa.

11/10 > Jaona 8 : 29

Ary izay naniraka Ahy dia eto amiko, tsy nandao Ahy ho irery Izy, satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva.

12/10 > Jaona 8 : 42

Hoy Jesosy : Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin’Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako aty; fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy.

13/10 > Jaona : 58

Hoy Jesosy  :  Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho.

14/10  > Jaona 9 :  4-5

Isika tsy maintsy manao ny asan’izay naniraka Ahy; raha mbola atoandro, avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona.

Raha amin’izao tontolo izao Aho, dia fahazavan’izao tontolo izao.

***Manomboka eto dia mandray ny bokin’ny Tantara voalohany(1) isika. Hahitana ny tantaran’ny firenena nifanerasera tamin’ny Israely sy ny ady tsy misy farany.

19/10 > 1 Tantara 17: 1-15

Hanorina trano ho an’Andriamanitra no fikasan’i Davida (and:2 > Ataovy izay rehetra ao am-ponao fa Andriamanitra no momba anao). Nefa voalazan’ny teny fa Andriamanitra tsy voafatotra ao anaty trano (and: 5 > tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin’ny nitondrako ny Israely…). Fa tany amin’izay rehetra nalehan’i Davida dia teny koa Andriamanitra.

and:8 -Nomba anao tamin’izay rehetra nalehanao Aho. Ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao.

20/10  >  1 Tantara 17 : 16- 27 Ny finoan’ i Davida mpanjaka

and: 20 -Tompo , Andriamanitra ô. tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.

and: 27b – Fa izay tahinao, Tompo Andriamanitra ô, dia voatahy mandrakizay.

21/10 > 1 Tantara 18

and: 14 – Ary Davida nanjaka tamin’ny Israely rehetra ka nitsara sy nitondra ny vahoakany tamin’ny fahamarinany.

22/10 > 1 Tantara 19: 1-19

Ny fanambaniana sy ny fanaovana tsinontsinona ny hafa dia miteraka ady.

23/10 > 1 Tantara 20: 1-21: 17

Dia mampalahelo fa be ady ity tantara ity.

Ireto misy andininy tsy mba mahazatra antsika mpamaky ka mety hanaitra  . And : 6 « Ary nisy ady indray tao Gata; ary tao nisy lehilahy vaventibe izay enin-dratsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan’ny ratsan-tànany sy ny ratsan-tongony… »

Davida mpanjaka dia nanaonao foana . Hany ka nanenina. Mahavariana ihany ny mahita mpitondra miaiky ny fahadisoany. Vitsy izany ankehitriny.

Toko 21 and :8 – Ary hoy Davida tamin’Andriamanitra. Efa nanota indrindra aho tamin’izao nataoko izao. Koa ankehitriny, mifona aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho.

(Raha vakinao ny tohiny dia hangorintsina ianao .)

24/10 > 1 Tantara 21

and 17 : – Ary hoy Davida tamin’Andriamanitra : « Tsy izaho va no nadidy hanisa ny vahoaka ? Izaho no nanota sy nanao ratsy tokoa; fa ireo kosa, inona moa no mba nataony? Eny; Tompo Andriamanitra ô, mifona aminao re aho, aoka  ny tànanao tsy hamely ahy sy ny mpianakavin’ny raiko, fa aza ny olonao no asianao amin’ny aretin-mandringana.

25/10 > 1 Tantara 22

Nampalahelo ny tenin’Andriamanitra tamin’i Davida ( na dia mpanjaka nampandroso ny taniny aza izy) noho ny fahadisoana nataony.

and 8: –   » Be ny ra efa nalatsakao, ary ady lehibe no efa nataonao; koa tsy mahazo manao trano ho an’ny taranakao ianao, satria efa be ny ra efa nalatsakao tamin’ny tany teo imasoko »

Fa ho an’i Solomona kosa dia izao no voalaza

and: 13 – Ary amin’izany  dia ho ho ambinina ianao raha mitandrina hankato ny lalàna sy ny fitsipika izay nandidian’ny Tompo Andriamanitra an’i Mosesy ho an’Israely; mahereza sy mahatanjaha; aza matahotra na mivadi-po ».

26/10 > 1 Tantara 23

and: 1- 32 dia milaza ny fanisana ny lehiben’ny Israely rehetra mbamin’ny mpisorona sy ny Levita. Avy amin’ireo no hikarakara ny tranon’Andriamanitra.

Ny lehilahy mihoatra ny 30 taona no noraisina tany am-boalohany(and :3). Fa tamin’ny fara-tenin’i Davida mpanjaka alohan’ny hahafatesany dia nampiana ireo lehilahy mihoatra ny 20 taona ( and:27). Ny raharahany dia ny hitsangana isa-maraina hisaotra sy hideara an’Andriamanitra, ary toy izany koa amin’ny hariva ( and:30).

27/10 > 1 Tantara 24: 1-31

Fizarana  ny mpisorona handavorariana ny asa. Misy toko 24. Nefa dia tsy nahitana fimenomenomana na indray mandeha aza.

Salamo 133 : 1

Endrey tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina.

28/10 > 1 Tantara 25

Fandaminana ny amin’ny mpihira tao an-tranon’Andriamanitra.

and: 1 –Ny valiha, ny lokanga, ny kipantsona no zava-maneno nalaza voatondro ho ampiasaina.

29/10 > 1 Tantara 26 : 1 – 32

Fandamianana ny amin’ny mpiambina sy ny asa ataon’ny Levita.

Salamo 11: 5

Ny Tompo Andriamanitra mizaha toetra ny marina. Fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampididoza dia samy halan’ny fanahiny.

30/10 > 1 Tantara 27 : 1 – 34

Fandaminana ny miaramila, ny lohan’ny firenena 12, ny fitandremana ny fananan’i Davida sy ny mpanolo-tsaina azy.

Ny mahavariana kely dia ny and: 23-24

« Nefa tsy nanisa hatrami’ny 22 taona no ho midina Davida; fa Ny Tompo Andriamanitra efa nilaza fa hampitombo ny Isiraely ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra Izy. – Joaba zanak’i Zeroïa, nanomboka nanisa, fa tsy nahefa, satria nisy fahatezerana nihatra tamin’ny Isiraely tamin’izany, ka dia tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’i Davida mpanjaka ny isany.

31/10 > 1 Tantara 28

and:  3 –  Nefa hoy Andriamanitra tamin’i Davida : Tsy hanao trano ho an’ny anarako ianao, satria lehilahy mpiady sy mpadatsa-dra. ..

and: 8 – Dia hoy  Andriamanitra tamin’i Davida momba an’i Solomona zanany: Ary ankehitriny, eto anatrehan’ny Isiraely rehetra: fiangonana’Andriamanitra sy eto anatrehan’Andriamanitsika, tandremo sy diniho ny didin’ny Tompo Andriamanitrareo rehetra, mba hahatananareo ity tany soa ity, sady havelanareo ho lovan’ny zanakareo mamdimby anareo mandrakizay izy.