VAVAKA

Tompo, Andriamanitra ô ! Misaotra anao fa mbola velon’aina ka afaka mivavaka aminao indray. Betsaka ny zavatra tiako ho resahina Aminao. Nefa tiako ho singanina aloha ireo Fiangonana hiaran’ny fanenjehana, ka sarotra ny fitoriana ny Filazantsara. Ary dia miezaka mafy ny kristiana hijoro ho vavolombelon’ny Teninao, mba hahazona mizara izany ho an’ny maro.

Manaraka izany Mivavaka Aminao ho an’ny fiangonana eto Frantsa. Tononina manokana eto ny Fiangonana Protestanta Malagasy aty An-dafy. Efa taona maro no niorenany. Misaotra anao noho ireo olona marobe niasa ka nahatafajoro io Fiangonana io. Nitondra Azy tamin’ny lalana tsy nampoizina Ianao : dia ireo miaramila malagasy tonga taty Frantsa. Tsy fantatray akory na dia ny anaran’izy ireo aza. Fa nametraka lova soa ho anay izy ireo. Ankehitriny dia miroborobo ny isan’ny vahoakanao ao.. Na dia maro aza ireo efa lasa nody hiasa ho an’ny tanindrazana sy ny Fiangonana

Ny Fiangonana FPMA dia hiatrika ny Synoda amin’ny volana Novambra. Efa miomana ho amin’izany ny mpianjaika : nandinika nieritreritra. Fantatrao anefa Tompo ô ! Fa mandalo fahasahiranana sy fahakivina izy indrindra tatsy ho atsy. Samy mitady vaha olana ny rehetra, satria samy tia izany Fiangonana izany. Mampianara anay handefitra amin’ny olana rehetra. Manovà ny fonay . Fa ny asan’ny Fiangonana dia tsy anay olombelona, fa anao Jesosy Kristy lohan’ny Fiangonana. Hahitsio ary hazavao ny lalana tokony hizoranay. Foany ny fikasanay raha tsy Ianao no tazanay. Hapetraka eo am-pelatanano ny hevitra aroso rehetra. Ary mamela ny helokay, fa betsaka ny zavatra nampalahelo Anao sy ny namana, ary mahatsiaro ho tsy mendrika izahay. Hatoroy ny lalan-tsara izahay, mba tsy handiso fanantenana Anao. Ary hahay hitraka am-pirahalahina.

Tsy hadinonay koa ireo kristiana any Burundi, any Rwanda, any Congo ( Zaïre taloha). Tahaka izany koa ny Fiangonana rahavavy eto Frantsa , hanatanteraka ny Synodany koa amin’ity volana ho avy ity. Omeo hery Tompo ô ny Fiangonanao. Anao irery ny voninahitra Andriamanitra ô ! Amena.

Teny fampaherezana :  » Fa raha hoy ny anankiray,izaho an’i Paoly, ary ny anankiray kosa, izaho an’i Apolosy, moa tsy olona ihany va ianareo ? Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly ? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, dia samy araka izay nomen’ny Tompo azy avy. Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no Izy. Ary iray ihany ny mpamboly sy mpandena ; nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy. Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay, ary sahan’Andriamanitra sy trano arafitr’Andriamanitra ianareo  » Korintiana Voalohany 3 : 4-9 Tsodrano :  » fa amin’ny fifaliana no hivoahanreo. Ary amin’ny fiadanana no hitondrana anareo.