Tonga ny  8 septambra 2011 izay nalaza teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana any Madagasikara. (Jereo izay voasoratra ao amin’ny Tsara ho fantatra : 15 septambra 2002 ato amin’ny site)

Fahatsiarovana vitsivitsy no ho zaraina aminao eto. Teo amin’ny tantaran’ny Fifohazana dia nifankahalala i Nenibe Ravelonjanahary, Nenilava Volahavana Germaine, Baba Rajaofera ary Daniel Rakotonzandry izay zandriny indrindra tamin’izy telo mianaka ary maty tanora.

Pasitera Rakotosalama izay zanak’i Baba Rajaofera moa dia nanohy ny asan’ny rainy taty aoriana ary tsy nitsahatra nitarika ny fotoanan’ny 8 septambra rehefa tonga ny fahatsiarovana izany. Raha ny izy dia telo andro no fankalazana izany . Manomboka ny 7 septambra hariva ary mifarana ny 9 septambra. Niezaka nanatrika izany hatrany i Nenibe Ravelonjanahry sy Nenilava.

Noho rizareo tsy avy ao Antananrivo dia misy tokatrano vitsivitsy mandray azy ireo tamin’ny  famangiana natao tamin’io fotoana-dehibe io. Tamin’ny taona 1954-1962 dia nandray an’i Nenibe Ravelonjanhary sy Nenilava ny ray amandreninay. Tsy izy mianaka ihany fa ireo olona maromaro niaraka taminy.

Feno hiboka ny trano fa tsy nampaninona loatra. Fa tena faly tokoa izahay . Indrindra moa ny mahita ny akanjon’ireto samy fotsy daholo izay somary nahavariana anay ankizy mpiray-tampo.

Betsaka ny olona te-hihaona tamin’izy mianaka nandritra ny andro nandalovan’izy ireo. Tsy mba nisy naharenesana tabataba na feo mafy fa fahanginana na dia ao aza ny miresaka rehefa ao tokotany. Feo malefaka no re.

Ny fotoana nahazonay fianakaviana niresaka tamindrizareo dia teo amin’ny fisakafoanana maraina, ny atoandro ary ny hariva. Tsikaritro koa fa  nisy kivazivazy  tsindraindray ary samy nitokelaka nihomehy ny lehibe. Hita eo amin’ny tarehiny avy ny fifaliana. Tao koa ny fanajana izay tena nahavariana ahy satria tsy mipetraka rizareo raha tsy efa tafapetraka ny Papanay. Tsy manaiky mihitsy izy raha tsy izay no vita.  Tao amin’ny trano fandraisam-bahiny moa no nitoby. Nesorina ny entana sasany ho any amin’ny garazy mba hahatafiditra ny rehetra. Ary tsihy no novelarina mandritra izany fotoana izany mba hipetrahan’ny rehetra na amin’ny fisakafoanana. Ao koa no handraisin’izy mianaka ny olona te hihaona aminy. Io  dia tsy hatrehanay fa zavatra manokana. Saingy misy olona anakiray izay voatendry hiaraka amindrizareo mba hamaky Teny na hanoratra rehefa ilaina izany.  Maro tokoa ireo olona miandry ao an-tokotany mba hihaona amin’izy ireo.

Tsy ho hadinoina izy mianaka. I Nenibe Ravelonjanahary moa dia efa lehibe. Efa nanomboka nisoritra teny amin’ny tarehiny sy ny tanany  ny fahaterany. Na izany aza dia feno hatsarana sy famiranana. Manao bango ankatoka izy matetika na dia fohy aza ny volony. Na dia somary bongo aza ny masony dia manaitra anao ilay fijeriny. Io angamba no mahatonga ny olona sasany miteny hoe “ handeha hitsaoka fa sao hitany eto ka lazainy an’itsy sy iroa”. Ny tena marina dia ny hoe “ tsy tiako ho lazainy ny zavatra miafina momba ahy”.Mampihomehy io eritreritra io. Inona moa no mampanahy?  Somary fofifohy ara-batana izy nefa dia matanjaka. Tiany koa amin’ny maraina ny misotro ronono afangaro amin’ny tamenakatody.   Faly ery izy rehefa aroson’ny Mamanay io.

I Nenilava Volahavana Germaine dia mbola tanora tokoa tamin’izany fotoana izany.Tena lava ranjanana. Izy moa dia nanao sara-droa ny amin’ny volony ary natao toko roa teo an-tsofina izany.  Efa nahalala izany hoe ‘hygiène alimentaire “ izy mianaka ka nitandrina satria natsiro tokoa moa ny sakafo homen’ny olona ny vahiny izay raisina ao an-tokatrano. Mariky ny fanajana sy fitiavana izany. Tsy ny ray amandreninay ihany fa izay rehetra nandray azy ireo na taiza na taiza. Tiany koa ilay dité naroson’ny Dadanay azy. Tena tia dia tia ny Papanay sy Mamanay rizareo. Nohazavainy fa tsy maintsy mifindrafindra  toerana mba hahazon’ny olona hafa mandray azy ireo koa . Ary tsy tokony alahelo satria efa tena feno ny fihaonana sy ny fifaliana. Ampy ny hafatra ho anareo sy ny fifaliana safononoka  mandrapody any an-danitra hoy Nenilava. Amin’ny maha ankizy dia izay zavatra hitan’ny maso no tsaroana indrindra. Tamin’ny 1966 no nihaonanay farany tamin’i Nenilava tao Antsakaviro. Niresaka ela dia ela tamin’ny Papanay izy. Tamin’ny atoandro alohan’ny hodiana dia niresaka taminay dimy mianadahy izy. Tenim-pitiavana tsy nisy faneriterena amin’ny fivavahana no renay. Tsaroako amin’ny vavaka ataoko isan’andro ianareo mianakavy kely hoy izy. Ary nojereny naharitra  ilay zokikolahy vao nitodika nitsiky taminay izy. Nofihininy tsara ny tananay ankizy tsirairay avy.

Tsara dia tsara ny oditavan-drizareo na dia tsy mitovy aza. Mahavariana koa ny feo na miteny na mihira. Ny tiako indrindra dia rehefa mihira ny “Misaora an’i  Zanahary” alohan’ny sakafo maraina ary alohan’ny hatorina.  Ny zokiny moa somary mangovitra ny feony, ary ny zandriny somary feo faharoa. Tsy misy teny azo hilazana izay tsapan’ny tena amin’io fotoana io afa tsy ny hoe “fahasambarana tanteraka”. Noho ny maha tompon-trano ny ray amandreninay dia nahazo tombony izahay tamin’izany fihaonana izany. Nafarany tokoa rehefa misakafo mba tsy hisy vary latsaka na dia voan’iray aza . Misy olona eto an-tany tsy manan-kohanina na dia voam-bary iray aza. Mitandrina izany tokoa izahay mandrak’ankehitriny.

Mandritra ny fotoana nandalovan-drizareo tao amin’ny ray amandreninay. Dia misy koa ny fikojakojana hafa. Toa ireo mpanaraka izay manasa ny lamba. Ny tokotany moa dia tena lehibe. Misy laharana dimy nahazona nanaha lamba maro . Fotsifotsy daholo ny lamba, drap, jipo, akajo-ba…  Feno ny tokotany. Tsy ho takatry ny sainao ny fifalianay tamin’izany. Vao herin-taona lasa izay dia nahatsiaro sy niresaka izany izahay. Tsy hay hadinona. Ny olona manodidina moa dia gaga . Anefa finaritra izaho sy ny anadahiko lahimatoa mihazakazaka anelanelan’ny lamba. Tsy mifankahita izahay fa mifampiantsoantso  amin’ny anarana. Tsy mijanona raha tsy reraka. Avy eo dia mankeny ambaravarakely eny ambony rihina dia manisa ireo lamba mihaha. Tahaka ny ranomasina ny fijery an’ireo ary toa ohatrin’ny onja rehefa tsofin’ny rivotra.

Lavitra tokoa izany fahatsiarovana izany. Nisy  teny  izay tsy hadinoina ary mampieritritra. Nihanazava kosa taona maro aty aorina.

Rehefa tonga ny 8 septembre dia miomana vao maraina ny handeha hihangona. Mifanesika ny olona alohan’ny fidiran’ny fiangonana na ny firavana na eo am-pisakafoanana  na dia  hifandray tànana amindrizareo fotsiny aza. Nanomboka tamin’ny 1962 dia nandray anjara ny antoko-pihira tamin’ny fiangonana teny Ambohimanarina   nanafana ny fotona.

Samy nandray anjara amin’ny fitorian-teny izy mianaka. Rehefa maty Baba Rajaofera dia ny  zanany Rakotosalama no nanohy ny asany.  Tiako ilay fotoana malalaka. Satria samy mandray anjara izay te hanao izany. Ary afa-po satria afaka nanatanteraka izany tao anatin’ny fotona fohy.

Matetika taloha no  nanontany tena hoe:  “  Inona no nahatongavan’ny olona nihaona tamin’ireny olona  ireny”. Ny nolazaina taminay fony ankizy  dia ny hoe : hidinika sy hitady fampaherezana. Nefa koa dia ao ny miandry fanasitranana indrindra indrindra.

Amin’izao fotoana izao, niova ilay trano fiangonana. Nisy Toby koa izay nahorina. Ny mpamonjy io fotona io mihavitsy.

Na izany aza tsara ny mampita ny tantara amin’ny taranaka aty aoriana na amin’ny teny na amin’ny soratra. Jereo ange ny tantaran’ny hebreo tany Egypta. Tsy nisy nilaza ny tantarany tamin’ny Mpanjaka taty aorinan’i Josefa.   Tsy fantany izay nanjo ity firenena ity. Ny hamono sisa no toa an-tsain’ny mpanjaka( Eksodosy 1: 8).

Nanana olona izay nanoro làlana amin’ny fotona voafetra ho amin’ny fivavahana nefa indraindray misy izay toa ohatrin’ny mivavaka amin’izy ireny. Maro ny miady hoe : izahay zanak’i nenilava Volahavana, na zanak’i nenibe Ravelonjanahary.  Fa hadino ny hoe “izahay zanak’Andramanitra natsangana noho ny amin’i Jesosy Kristy”

Nisy tenin’izy mianaka raha atambatra dia izao “ raha heverin’ny olona fa hahazona fahefana ny maha-fifohazana ao amin’ny fiangonanana na ny firenena  dia diso làlana izy. Ny Fifohazana dia sampana. Ary izay mpino na dia hafa finoana aza na dia tsy tamin’ny alalan’io sampana io dia efa nifoha”.

Misy koa ireo izay mitady mafy ny fanasitranana. Tsy hanomezan-tsiny izany. Ao ny tsy mitsabo tena amin’ny dokotera. Aza hadino fa i Dadatoa Rakotonzandry dia tena tsy salama ary maty tanora. Tsara tokoa raha tianao ny mivavaka nefa ilainao koa ny fanafody ary tsy tokony ho lavinao. Nefa koa misy aretina izay tsy ho sitrana mihitsy. ( Ny fandrarana ny fanafody dia fanoroana voana indrindra amin’izao androntsika izao) .Kanefa na dia ao anatin’ny ady mafy aza dia afaka manana fiadanam-po ary fiadanam-panahy.

Efa hatramin’ny ela no tokony hametra- panontaniana matetika ny amin’ny fivavahana izay arahan’ ny tsirairay. Mba hazava tsara izay tena inoana.

Taloha raha fifohazana ianao dia toa hafahafa tamin’ny kristiana ny mifandray aminao. Amin’izao fotona izao raha tsy fifohazana ianao dia toa hafahafa ihany koa. Koa tsy mazava tsara izany ilay finoana noraisina. Ka mila andalinina. Ny Soratra Masina dia mampiseho ny tantaram-pamonjena ao anatin’ny tantaran’ny firenena  maro. Jesosy tsy kristiana akory fa ny fivavahana jiosy no narahiny. Ka aiza ho aiza amin’izany ny fanarahantsika azy.

Sombin-tantara ihany amin’ny tantara niainako ihany no voalazako eto. Fa ny irariko dia izao fahatsiarovana androany izany ho ainga handinihina ny fiainan’ny mpino kristiana sy ny fifandraisany amin’ny Tompo. Sao dia tsy mazava ka io no mampitongilana  ny firenena.