TOMPO ô , Isan’andro dia misokatra ny lalana, hahitana Anao na dia sarotra aza . Nefa marobe no mbola kivy satria tsy mbola tafarina eo amin’ny fiainana. Hany ka mitady lalan-kafa, ary misy ireo izay miverina amin’ny fanompoan-tsampy. Jereo, Tompo ô, ireo miantso ny Anaranao. Mpihaino vavaka Ianao. Isan’andro dia manatona anay tokoa Ianao. Ampahafatarinao amin’izao fahatsiarovana ny fiavinao izao izany.

Nefa indrisy, tsy tafatsangana ny maro, tsy afa- mamindra fa drodroky ny enta-mavesatra. Nefa koa mino izahay, fa eo anilanay rehetra Ianao amin’ny fotoana rehetra. Eny, Tompo, Hihiratra ny fiainan’ireo izay tsy mbola mahalala Anao. Tahakan’ireo izay niodina Taminao satria diso fananatenana tamin’izao tontolo izao.Ho azy ireo koa ny fiafaliana, tahaka ny fifalianay. Hazavao ny lalana hizoran’i Madagasikara, Mozambique, Angola, Côte d’Ivoire. Misaotra Tompo ô, fa Andriamanitra tsy manadino Ianao ary tsy mandiso fananatenana Ianao fa manokatra varavarana vaovao ho amin’ny lalam-baovao izay misy ny Fiainana sy ny Fiadanana.

Tsodrano « Eny, Andriamanitra hanome ny tsara ; Ary ny tanintsika hahavoka-javatra. Ny rariny no hialoha Azy Sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalalana.  » Salamo 85 : 12-13