FA tsy nijanona tamin’izay Andriamanitra, ny taona 1927 dia vehivavy indray no nofidy. Raha tany amin’ny faritra niasan’ny loterana no nisy an-dRainisoalambo dia tany amin’ny faritra niasan’ny LMS kosa indray ity faharoa ity dia ny faritaniny atsimon’i Fianarantsoa. Tsahivina ihany fa ny taona 1904 dia nisy fifohazana lehibe tany amin’ny Pays de Galles toerana niavian’ny misionera niasa tamin’iny faritra iny. Nanana ny akony taty Madagasikara izany. Ramatoa ROWLANDS, vadin’ny misionera, niaraka tamin’ny vehivavy malagasy iray izay nantsoina hoe RENILAHY no nanetsika izany Fifohazam-panahy izany. Tany Manolotrony akaikin’Ambohimandroso (Ambalavao amin’izao fotoana izao) no nitrangany. Renilahy dia tahaka ny vehivavy malagasy tamin’izany fotoana izany dia tsy nahita fianarana ary tahaka ny rehetra manodidina dia efa nilalao ody. Rehefa nofohazin’ny Tompo izy dia azo lazaina fa ny iray nitrangan’ny fifohazam-panahy manerana an’i Madagasikara. Na ry Daniel RAJAOFERA avy tany Vatotsara na ry Daniel RAKOTOZANDRY tany Farihimena dia tonga nihaona taminy tany Manolotrony talohan’ny nanaovany ny asany.

Indray andro dia nilaza i RENILAHY fa harary ka toy ny ho maty mihintsy, nefa dia ho velona indray avy eo. Ary dia nitranga tokoa izany. Fony fahavelony dia mitantara ny momba ny nahafatesany sy ny nitsanganana izy. Nolazainy tamin’izany ny zavatra nitranga niainany tany an-danitra. Nisy ny nino ary tsy vitsy koa tsy nino. Noho io dia novana ny anarany ka natao hoe : RAVELONJANAHARY, satria Andriamanitra no namelona azy indray.

Saika ny Faritra atsimon’ny Faritanin’i Fianarantsoa dia voahetsik’ity Fifohazam-panahy ity. Ny misionera frantsay iray nantsoina hoe : SIEGRIST dia nitantara fa tamin’ny fotoam-pifohazana tarihin-dRavelonjanahary ary natrehany dia mpisikidy sy mpimasy miisa zato latsaka kely no niova ho kristiana ka manatona ny latabatra masina no sady nanosiosy ny ody sy ny sampy nitokiana ary nanambara am-pahibemaso fa tsy hahatoky afats’i Kristy intsony.

Tsy dia nanova loatra ny fombany Ravelonjanahary. Nijanona tamin’ny fahatsorany foana izy ary na ny fomba fiakanjony azy tsy novany fa tahaka ny fiakanjony andavanandro hatrany. Fa mahery maso izy ary toa mahafantatra ny miafina sy izay hafen’ny ireo izay tonga mihaona aminy. Tsy misy afaka mifanandrina aminy noho izany. Nahay nandresy lahatra izy rehefa nampianatra. Ny olona maro be tonga mamonjy fanompom-pivavahana isan’andro tao am-piangonana dia samy nilaza ny hafanampony rehefa mitoriteny. Toy ny iray fihetsem-po, iray fanatenana, ary iray finona ny mpiangona rehetra ka ny mpiangona iray manotolo mihintsy no mahatsiaro ny fahadisoanany ary mangetaheta harem-pahasoavana avy amin’ny Tompo. Ny feony sy ny hira nataony, fa mahay mihira be izy, dia nanetsika fon’olona maro. Toa tsy nahalala sasatra mihintsy izy fa vao vita ny fotoana ao am-piangonana dia olona marobe no miandry azy ao an-tranony. Tia olona loatra izy ka izay tonga ao antranony dia tsy maintsy mahita sakafo ho hanina, ary mazàna izany no nandany ny vola kely mba nananany. Ny hanala izay manahirana ny olona no nimasoany na ara-nofo na ara-panahy.

Nanana fifandraisana tamin’ny fifohazana misy tamin’ny andro Inenbe RAVELONJANAHARY ary tsy tapaka mamonjy ny fivoriam-pifohazana indrindra tany Vatotsara sy Farihimena. Anosivavaka no Fiangonana teto Antananarivo nifandray betsaka taminy ary tsy tapaka namonjy ny fotoam-pifohazana 8 Septambra izy. Mbola tsaroana ireo tokatrano mpandray azy rehefa tonga izy.

Ny Fiangonana Andravoahangy no fiangonana hafa mifandray amin’ny Manolotrony ary izany dia taty aorinan’ny nahafatesan’i Nenibe RAVELONJANAHARY.