Ity misy tantara iray voasoratra ao amin’ny testamenta vaovao ao amin’ny Baiboly. Tsy vaovao izy ity fa efa henonao ihany angamba. Amin’ny andavan’andro koa dia misy  toa izao. Ao amin’ny fiainan’ny fiangonana izy ity no miseho.Ka tsara ny mandinika azy. Indrindra ny mpino kristiana.  Toa izao ary ilay izy.

Asan’ny apostoly 5 :1-11

1Fa nisy lehihahy atao hoe Ananiasy sy Safira vadiny nivarotra tany,2 ka nanafenany ho azy ny vola vidiny, ary ny vavy koa nahalala izany; dia nentiny ny vola sasany vidiny ka napetrany teo anoloan’ny tongotry ny Apostoly. 3 Ary hoy Petera : Ry Ananiasy, nahoana Satana no mameno ny fonao handainga amin’ny Fanahy Masina ka hanafina ny vola sasany vidin’ny tany? 4 Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va ? nahoana no nisaina izany tao am-ponao ianao? Tsy nadainga tamin’ny olona ianao fa tamin’Andriamanitra. 5 Ary Ananiasy nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy; dia raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany. 6 Ary nitsangana ny zatovo, dia nofonosiny ny faty ka nentiny nivoaka, dia naleviny.

7 Fa rehefa afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa nanjo teo. 8 Ary hoy Petera taminy: nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin’ny Tompo? Indro eo am-baravarana ny tongotr’izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy. 10 Dia nikarapoka teo anoloan’ny tongony niaraka tamin’izay koa izy, ka afaka ny ainy; ary raha niditra ny zatovo, dia hitany fa maty ary nentiny nivoaka ka naleviny teo anilan’ny lahy. 11 Dia raiki-tahotra indrindra ny fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany.

Vao avy niorina kelikely ny fiangonana voalohany. Nanana fikasana tsara rizareo mba tsy hisy ny fahantrana ao amin’ny mpikambana. Ary ny nataony dia ny hifanampy. Ka izay mivarotra tany na fananana dia omena ny apostoly. Ary izy ireo no mikaraka izany.

Iza no fiangonana ?

– ny olona mpino izay atao hoe kristiana n’inona n’inona finoany.

Tsy tokony ho afangaro amin’ny fiangonana izay toeram-pivoriana ka hihaonana isak’alahady na amin’ny fotoana hafa.

na koa ny fitondram-piangonana ka mitondra anarana samihafa (Institution)

Iza avy ireo apostoly ?

Simona izay nomena ny anarana hafa hoe : Petera.Jakoba zanak’i Zebedio, sy Jaona rahalahiny’i Jakoba. Izy mirahalhy dia nomena anarana hoe « Boanerjesy » izany hoe « Zana-baratra ». Ary  Andrea,sy  Filipo, sy Bartolomeo,sy  Matio, sy Tomasy sy Jakoba zanak’i Alfeo, sy Tadeo sy Simona Kananeana. Ary Jodasy Iskariota, ilay namadika azy. (  Marka 3 : 16-19)

Rehefa maty kosa i Jodasy dia nosoloina an’i Matia (Asan’ny Apostoly 1 : 23 -26)

Iza moa Ananiasy sy Safira ?

Ny tantara dia manondro tsara ny anaran’ireo olona ireo. Mba tsy hanafangarona azy amin’ny hafa. Mba tsy ho fanendrinkendrehana koa.

Ananiasy sy Safira dia mpivady. Niray trano. Nikambana fananana. Nifanohana hatrany amin’ny fanapahan-kevitra raisina.

Nivarotra tany. Manakarena koa rizareo matoa nivarotra. Nifanarahana mantsy fa ny vidi-tany dia omena ny Apostoly ho tantanany  ( Asan’nyApostoly 4 : 32-37)

Tsy fantatra loatra ny amin’izy ireo. Fa dia mpiara-mivavaka ao amin’ny fiangonana koa tamin’izany fotoana izany. Nifandray tsara izy roa.

Nanafenany ho azy ny vola vidiny. Tsy niteny an’i Ananiasy i Safira vadiny hoe : mifanohitra amin’ny fanekena ange izay. Inona no antony ? Matahotra an’i rangahy sa tsy mahazo miteny ? Sa raha miteny dia mety harian’i rangahy?

I Ananiasy koa vonona tamin’ny fanafenana ny vola. Tsy nahamenatra azy ny nilaza izany tamin’ilay vehivavy vadiny. Hoy izy angamba hoe: tsy maintsy manaiky izy io na tiany na tsy tiany satria vadiko.

Hany ka tapakevitra fa hametraka ny vola ambiny teo an-tongotry ny apostoly Ananiasy.Nivikiviky  nandeha. Satria mieriterira fa hanao zava-tosa.

Teo anatrehan’i Petera. Faly ery tonga teo anatrehan’i Petera. Kanjo tsy nampoizina. Nantsoiny tamin’ny anarany: Ry Ananiasy ! Midika hoe: ianao no hiresahako fa tsy hafa akory. Hoy Petera hoe  » nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin’ny Fanahy Masina ka nanafina ny vola sasany vidin’ny tany « ? Ahoana no hahafantaran’i Petera an’izany ? . Ny tantara tsy manazava ny amin’izany fa azo heverina hoe:  Tsy tahaka ny isan’andro ny fihetsik’Ananiasy. Ny tarehiny ve somary mahana ?  Na kaodikaody? ( Jereo ny nanjo an’i Kaina  ao amin’ny Genesisy 4 : 1-8). Mitovitovy i Ananiasy sy Kaina satria tsy mazava ny zavatra ataony. Tia manao ambadika. Voamarika fa samy nampiditra an’i Satana tao ampon’izy ireo.

Iza moa Satana ? Azo lazaina fa ny eriteritra miady ho amin’ny tsara ny ratsy.Ka voarirodrirotra ny olona.  Hahitana ny momba azy io ny tantaran’i Joba 2 : 1-7. Ao koa ny amin’i Jodasy ao amin’ny Lioka 22 :3-6. Misy koa ny mandika hoe : devoly.

Azo sakanana sa tsy azo sakanana ity Satana ity ? Ao am-pon’ny olona izy no miditra. Ka raha sokafana ny fo hidirany dia azo atao amin’izay tiany atao.  Tamin’i Kaina sy Jodasy Satana dia nitapify( sy niditra ) teo am-baravarana( teo ‘ambaravan’ny fony satria tezitra Kaina ay Jodasy maika tamin’ny zavatra ho tanterahany)- Tamin’i Joba dia tonga teo am-pivoriana izy.

Ny fo eto dia tsy ny fo mitepo izay hivezivezen’ny rà akory. Fa ny fo dia  » ny saina ».

Nandainga tamin’ny Fanahy Masina.

Ny lainga dia manakaiky ny  amin’ny didy folo hoe : aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao(Eksodosy 20 : 16) . Ny lainga dia loharanon’ny faharatsiana maro.

Hadinon’i Ananiasy fa ny tany dia azy. Ka na hamidiny na tsy hamidiny dia azy. Saingy nanaiky ny fanekena niarahan’ny rehetra izy. Fa izay vidin’ny tany hamidy dia omena manontolo. Kanefa nanombinany izany. Nivadika tamin’ny fanekena.  Heveriny  mantsy fa tsy hisy hahalala ny  ataony.

Mafy sy hentitra  ny tenin’i Petera. Tsy nisy olakolaka : nadainga tamin’ny Fanahy Masina hoy ny soratra . Tamin’Andriamanitra izany!

Tsy nisy niadian-kevitra intsony. Fa dia fanina teo. Nikarapoka. Tapaka làlan-drà? Taitra mafy fa tratran’i Petera. Vita teo ny aminy. Maty.

Tsy niandry an’iza n’iza fa tonga ny mpikarakara ny faty dia naka azy ary nandevina azy.Tsy nisy nilaza tamin’i Safira.

Ahoana indray ny amin’i Safira ? Tsy rotitra fa dia tonga teo anatrehan’i Petera. Nanontaniana marina ny amin’ny vola omena izy. Nanamafy fa izay ihany no izy. Nanohana ny vadiny tamin’ny ratsy sy ny lainga.Mandrapahafatiny.

Ny fanontanian’i Petera : nahoana no miray tetika ianareo roa ? Nolazain’i Petera fa naka fanahy an’Andriamanitra izy koa. Tahaka ny vadiny : Ananiasy.

Nianjera Safira.

Maty.

Nalevina.

Mitovy ny nanjo sy ny niafaran’izy mivady.Tsy nosarahana ny fatiny.

Natahotra ny mpiangona sy ny olon-kafa nahita izany. Ny feo koa tsy maintsy mandeha vetivety ka dia ren’ny vahoaka maro.

Fanamarihana sy fanontaniana  vitsivitsy:

Tsara raha vakina koa ny toko 4: 32-37

Ananiasy sy Safira dia soloina anarana hafa.Misy ve olona fantatra toa izao:  Ao amin’ny fianakaviana ? amin’ny namana akakaiky ? Ary ianao?

Inona no natao raha teo amin’ny toeran’i Ananiasy sy Safira izaho na ianao?

Inona no natao raha Petera izaho sy ianao?

Inona no antony nahatonga izao fitsipahana ny hevitra tapaky ny rehetra izao ?

Inona no nahatonga an’i Ananiasy sy Safira  nandainga?

Iza no zava-dehibe tamindrizareo: Ny vola sa Andriamanitra ?

Ahoana ny fifandraisan’ny mpivady raha mahare io tantara io?  Safosafona fotsiny ve, ka atao hoe azy izany? Sa ny lahy na ny vavy afaka hanohitra ny tsy mety?

Sa ny fanaovana ny ratsy iarahana dia milaza fa mifankatia?Na miaro ny voninahitra ?

Ahoana ny hevitrao momba ny fahafatesana eto? Izay ve no tokony ho izy ?

Nahoana no tsy mba nisy resaka fahatsiarovan-tena teto amin’ity tantara ity ?

Raha mitranga izany amin’izao fotoana izao:

Tsy ny fanafenana vola ihany fa misy zavatra maro hafa koa? Azonao lazaina ve izany?

Inona no ataon’ny fiangonana na ny kristiana ?

Inona no fampianarana azo atao? Ho an’ny fiangonana sy ny hafa.

Ahoana no hijoroana ho vaolombelona amin’ny fotoana sy ny toe-zavatra tahak’izao?

Dia mazotoa ary mandinika ireo andinin-tsoratra masina ireo sy ny fihatraikany eo amin’ny fiainan’ny fiangonana tsirairay sy ny mpiara-belona rehetra.