FIFALIANA ho anay indray ny manolotra ho anareo tantara mikasika ny 8 septambra teny Ambohimanarina izay nofitin-dRakotondramarolahy Bernard, iray tamin’ireo nikaroka ny Tantara. Hivoaka atsy ho atsy ny boky nosoratany momba izany.

Tamin’ny taona 1929 nisy fikasan-dRamiaramanana, lehiben’ny mpisorona tao tamin’ny sampin’Andriambodilova eo Anosisoa Ambohimanarina. Izany fikasana izany dia ny hoe : »Hampiady an’Andriamanitra amin’Andriambodilova », izay fiatsiana tamin’ireo kristiana. Naeliny tamin’ny Gazety Diavolana mihitsy izany mba ahatonga ny vahiny hanatri-maso izany, akoatrin’ny mponinan’ Ambohimanarina indrindra moa fa ny kristiana.

Tamin’izany fotoana izany dia tafakatra sy nijanona teto Antananarivo Ingahy Daniel Rajaofera, natsoina koa hoe : »Baba Rajaofera », evanjelistra, mpitory izay nambabofon’olona marobe hibebaka tamin’ny toerana maro : tany Betsileo, tany amin’ny Bara, Antsihanaka, Faradofay, teto Imerina sy ny sisa… Tamin’ny fotoana naha-teto Antananarivo azy indrindra no nitrangan’ny fikasan-dRamiaramanana HIHANTSY ny kristiana araka ny voalaza etsy ambony. Koa raha vao nahita sy nadreha izany Ingahy Ratsimba, Mpitandrina tao amin’ny Fiangonan’i Betafo Ambohimanarina dia nandeha nihaona sy nidinika tamin’i Baba Rajaofera, izay efa nandreha sy nahita ny Gazety ihany koa.

Ny andro 7 Septambra 1929 (Alakaosy) dia natao fanompom-pivavahana tao amin’ny fiangonana Betafo izay niantsoana ny kristiana. Vory marobe tokoa ny olona tamin’izany ary tamin’ny alin’io andro io, dia nisy Tsipika nampisaraka ny lanitra, ka ny ilany Andrefana dia maizina mikitroka fa ny ilany Atsinanana dia mazava toy ny diavolana. Io no fambara ny amin’ny « Adin’ny mazava sy ny maizina » Noho ny hamaroan’ny olona dia nanapa-kevitra ireo Mpitandrina fa hafindra ao amin’ny Fiangonan’Anosivavaka ny fanompom-pivavahana ny ampitso.

Ny 8 Septambra 1929. Vao maraina mbola maizina dia efa feno olona nifanaretsaka ny lalana Ambohimanarina manomboka teny Soarana ka hatraty Ambohimanarina. Niara-nihira ny hoe : »Avia Jehovah Tomponay » ny olona (hira 438). Feno hipoka ny Fiangonana Anosivavaka. Nafana aok’izany ny fanompom-pivavahana. Tao ny nitondra marary ho sitranina, tao ny teha-hivavaka ary tao koa ireo teha-hahita zava-baovao. Tamin’izany no niteny mafy araka izay tratrany i Baba Rajaofera ary nahagaga fa samy nanhdreha tsara avokoa, na ny tao anatin’ny Fiangonana na ny tany ivelany ary ambara fa samy niasan’ny Fanahy Masina izy rehetra.

Fa tetsy ankilazan’izany kosa ireo mpisoron-tsampy sy ny namany nizotra nankeny amin’ny Doanin’Andriambodilova, nively aponga, nandihy, nitsoka sodina sns…

Tao am-piangonana tamin’izay nandroso ny fanompom-pivavahana, nohiraina im-pito ny Atema voalohany manao hoe : « Masina, Masina, Masina Jehovah Tompo ; » Indro nisy Mazava Lehibe avy any an-danitra, ka nihohoka tamin’ny tany ny olona narahina Ranomasom-pibebahana ary nisy koa setroka niala teo amin’ny alitara nandeha moramora nankany amin’ny olona rehetra. Nihorakoraka ny olona rehetra nijery izany hazavana miavaka sy fahagagana izany, boribory lehibe mitarehin-tsahafa izay tandindon’ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.

Ny 9 Septambra 1929 . Noho ny Zava-mahagaga samihafa niseho araka ny voalaza etsy ambony, dia maro ny olona no nibebaka ka nanolotra ny odiny. Rehefa nifampidinika ny mpitarika ny fivavahana, dia nifanaraka fa ho tohizana indray eny amin’ny Fiangonana Anosisoa ny fotom-pivavahana ny ampitso 9 Septambra 1929. Natao ny asa fampaherezana, ka ireo narary tonga teo dia sitrana nohon’ny asan’ny Tompo ary dia tao koa no nandorana ireo ody maro isan-karazany izay natolotrin’ny olona. Nirefondrefotra sy nipoapoaka aok’izany ny fandorana azy ireo teo antokotanin’ny Fiangonana

ZAVA-NISEHO NY 7-8-9 SEPTAMBRA 1929

Torana Ramiaramanana, Ny omby saika hanaovana sorona lehibe lasa nirifatra tsy hita izay nitsoahany. Vaky nandositra hatramin’ny Mpihira Gasy. Ny fanatenana handresy foana. Ny tena reraka ny harena rava sy nafoy.

Nisy moka nandrakotra ka niteraka aizina teo ambonin’ny toeram-panasinana, izay tsy nifankahitana . Vokany : nikotaba ny olona izay voakaikitry ka lasa nanavo-tena.

Maro tamin’ireo olon-dRamiaramanana (mpanompo sampy) no resy lahatra, ka niova fo ka lasa kristiana nanompo an’Andriamanitra sns…

FEHINY RESIN’NY HERIN’ANDRIAMANITRA NY SAMPIN’ANDRIAMBODILOVA

N.B. a) Nanomboka ny taona 1929 ka hatramin’izao, dia misy fanompom-pivavahana isa-maraina : « MARAIM-BAOVAO » ao amin’ny F.J.K.M Betafo Fanavaozana ; ary izany Afom-pifohazana izany, izay nahitana ihany koa ny famangin’Ineny Ravelonjanahary sy Ineny Volahavana Germaine taty aoriana, dia mampita rehitra tamin’ireo F.J.K.M. 8 trano teto Ambohimanarina.

b) Nanomboka io taona 1929 io ihany koa dia teraka ny FIFANDROHIZAM-PIAHAVANANA tamin’ny F.L.M Vatotsara Antsirabe sy ny F.J.K.M Betafo, Anosivavaka ary Anosisoa nateraky ny fifohazam-panahy avy tamin’ny asan’i Baba Rajaofera sy Ingahy Ratsimba Mpitandrina.

Ho an’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra

Rakotondramarolahy Bernard