TONGA eo amin’ny fifohazana Ankaramalaza isika. Tsorika fa mahatsiaro sahirana aho raha hanomboka ity tantara mikasika an’Ankaramalaza ity. Tsy dia nanana fifandraisana be loatra tamin’i Neny aho. Koa ny soratana natao eto dia fanadiadina natao tetsy sy teroa. Notakarina koa tamin’ny soratra nataon’i Pastora Zakaria TSIVOERY, sy Pastora Danielson RAJOSEFA. sy ny soratra navoakan’ny Gazety na tany Madagasikara na taty ivelany. Misaotra manokana an-dRamatoa Hanitra Ratovoarisoa aho nanampy ahy betsaka tamin’ny fandrafetana ny tantara. Na izany aza dia fifaliako ny handray fanamariana na fanampim-panazavana amin’izay afaka manao izany. Ny tena nanahirana ahy mantsy dia fandrenesako avy etsy sy eroa, olona manambara fa nandray teny na resaka avy amin’i Neny, nefa dia mifanohitra be ny voalazany.

NY FAHAZAZANY

Zanaka Mpanjaka ny Antaimoro izay nonina tany Mandrondra, firaisana Lokomby fivondronana Manakara i Volahavana. Malady no anaran-drainy ary Vao no anaran-dreniny. Akoatry ny maha-mpanjaka azy dia mpisikidy ary mpanasitrana nalaza tokoa tamin’iny faritra iny ingahy Malady. Niaina tao amin’ny tokatrano mpanompo sampy i Volahavana, na izany aza tsy dia mba ninony loatra ny sikidin-drainy. Nitady foana ny hahita an’Andriamanitra izy. Fony fahazaza dia tsy mba niaraka nilalao tamin’ny ankizy namany izy. Mitokatokana ary indraindray dia hita mitomany. Pastora Zakaria Tsivoery dia nilaza fa na dia tsy nahafantatra an’i Jesosy aza izy dia nanofy matetika niaraka taminy saika isan’andro. Rehefa feno efatra ambin’ny folo taona izy dia tsy nanofy intsony fa nadreha kosa feo niantsoa azy amin’ny anarany. Manatrika matetika an-drainy manoko sidiky izy ary tsy mahafaly an-drainy izany.Teo ampanokona sidiky no nahitan-drainy fa manana Andriamanitra ambony sy mahery I Volahavana noho ny andrimanitra tompoiny. Dia hoy izy tamin’ny zanany : « Mandidy anareo zanako rehetra aho mba hanompo sy hanaraka ny Andriamanitry Volahavana, fa izay tsy manaraka Azy dia ho very sy faty mandrakizay. Ary hatramin’izao dia tsy hisikidy intsony aho mandra-pahafatiko » .

VOLAHAVANA SY NY FANAMBADIANA

Rehefa feno dimy ambin’ny folo taona izy, dia nisy olona vitsivitsy nangataka azy ho vady. Nolaviny daholo anefa ireo rehetra ireo, satria tsy ao an-tsainy izany hoe hanambady izany. Nalahelo ny rainy, satria olona samy tokony hahitany fiadanana ireo, dia nolaviny avokoa. Noho izany dia voatery nandeha mipetraka tany amin’ny rahavaviny tany Manakara izy. Rehefa feno enina ambin’ny folo taona izy dia nitohy indray ilay feo miantsoa azy. Nilaza tamin’ny rahavaviny izy fa hiverina any ambanivohitra sao azon’ny fakam-panahy any an-tanan-dehibe. Rehefa feno fito ambin’ny folo taona izy dia tonga nagataka azy ho vady Mosesy Tsirefo, katekista lehilahy maty vady ary manana zanaka maro tamin’ny vady taloha. Nandà I Volahavana satria efa natokany ho an’i Jesosy izay tsy mbola fantany akory ny fony. Noho ny tery nataon’ny ray aman-dreniny dia nanaiky ihany izy. Tamin’ny taona 1935 dia natao ny fisoratana. Mbola nijanona tao amin’ny ray aman-dreniny ihany anefa izy satria mbola hampianarina katekomena hahazoana manao batisa azy alohan’ny fanambadiana. Naharitra folo taona ny fanambadiany vao maty ny vadiny Mosesy Tirefo. Ny tsapa dia toerana efa nomanin’Andriamanitra ho fanomanana azy amin’ny asa ny tokatranony.

NY ANARANANY

Tahaka ny malagasy rehetra tamin’izany fotoana izany dia tsy nanana fanampin’anara I Volahavana tamin’ny nahaterahany. Afaka tapa-bolana ny nianarany katekomena dia natao Batisa izy. Ny anarana nofidiny rehefa natao Batisa izy dia ny hoe Germaine. Hatreo dia Volahavana Germaine no nahafantarana azy.

Ny anarana hoe Nenilava dia anarana eso naton’ny olona taminy nefa dia noraisiny izany, ka ny hahafantaran’ny maro azy dia Nenilava. Ahoana moa no nahatonga io anarana io. Ny mpanara-dia an-dRapetera katekista tao Vohidravy no nanome azy io anarana io ary izany dia ny fialonana. Rapetera dia niaraka nanao ny asa tamin’ny Mosesy Tsirefo sy Volahavana Germaine. Nanahy mafy ireo mpanaraka azy fa toa lasan’i Volahavana Germaine daholo ny olona, noho izany dia sosotra taminy izy ireo. Nitady anarana hiantsoana azy ry zareo ary rehefa niresaka dia nifanaraka fa ny iantsoana azy dia I Neny Lava, satria hoy izy ireo : »Jereo ity halavany mihoatra noho ny rehetra. Tsy nahatezitra an’i Neny izany fa vao maika aza noraisiny ho voninahitra. Hatreo dia Nenilava no niantsoana azy. Misy maro no tsy mahalala akory ny anarana hoe : Volahavana Germaine fa dia ny Nenilava no fantany.

Neny kosa dia nilaza fa rehefa miantsoa azy Jesosy tsy Volahavana Germaine na Nenilava no iantsony azy fa Ana. Inona no antony. Raha ny fahafantarako azy na I Neny aza tsy mahalala ny antony. Jesosy irery ihany no mahalala izany.

(hitohy)