1/7 > Salamo 61 : 1 – 3b

Henoy ny fitarainako Andriamanitra ô. Tandremo ny fivavako. Any am-paran’ny tany no hiantsoko Anao, raha reraka ny foko.Ento aho any am-paran’ny tany amin’ny vatolampy izay avo ka tsy tratro. Fa Ianao no aroko.

2/7 > Salamo 62 : 10

Aza matoky ny fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra amin’ny halatra. Raha mitombo ny harena dia aza hanorenana ny fonareo.

3/7 > Nomery 20 : 14 -29

Mikasika ny fangatahan-dalàn’ny Zanaka’Israely hamonjy ny taniny. Nefa dia nolavin’ny Edomita.

4/7 > Nomery 21: 5

Ary niteny sy nanome tsiny an’Andriamanitra ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta izahay ho faty aty an-efitra? Fa tsy misy mofo na rano aty; ary mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana itony.

5/7 > Nomery 21 : 21 -35

Fangatahan-dàlana faharoa hamaky ny tanin’ny Amorita nefa nolavina izany. Ary ady no niafarany.

6/7 >Romana 12 : 2b, 3b

Fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankahasitrahana no marina.

Aza miavonavon-kevitra ka mihenitra mihoatra noho izay tokony hoheverina;fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarazarain’Andriamanitra ho anareo avy.

7/7 > Romana 12:14,15,16,18

Misaora an’izay manenjika anareo; misaora fa aza manozona.

Miara mifaly amin’izay faly; ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.

Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavona, fa aoka mba ho zara amin’ny fietrena ianareo. Aza manao ny tenanreo ho hendry.

Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.

8/7 >  Romana 13 : 10

Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna

9/7 > Romana  14 : 1,13

Ary raiso ny malemy finoana, nefa aza mandray azy hitsaranareo ny eritreriny… Koa aza mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohana eo anoloan’ny rahalahy.

10/7 > Romana   14 : 17

Fa ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.

11/7 > Romana 15 : 1,6

Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika. .. mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika.

12/7 >  Romana 15: 14, 33

Fa izaho (Paoly) kosa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo, dia feno ny fahalalana rehetra sady mahay mifananatra koa… Ary Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra. Amena.

13/7 > Romana 16 :   1 – 16

Famangian’i Paoly ny mpiara-miasa rehetra taminy.

14/7 > Romana 16: 17

Fa izaho(Paoly) mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin’izay mahatonga fisarahana sy fahatanfitohinana tsy araka ny fampianarana izay efa nianaranareo; mialà amin’ireny olona ireny.

15/7 Estera. manomboka eto dia ny bokin’i Estera. Tsara ho vakina manontolo raha afaka manao izany ianao.

15/7 >     Estera 1 : 22

Andininy 1 – 8 : Famelaran’ny mpanjaka Ahasoerosy ny fananany.Nanjaka teo Etiopia ha hatrany India.

– 127 toko ny fanjakany

– nisy fanasana nandritra ny 7 andro

– nisy fampisehona nadritra ny 180 andro

– ny lokon’ny ny haigon’ny Kianjan’ny mpanjaka

– ny kapoaka fisotroana dia volamena

Andininy 9 – 12  Ny fandavan’i Vasty, vadin’ny mpanjaka ny fangatahany iseho amin’ny vahoaka.

Andiny 13 –  22  Ny resakin’ny mpanandro sy ny mpanjaka

-Ny toro-hevitr’ny mpanandro noho izao fandavana izao

-ny didim-panjakana mikasika izao toe-zavatra izao.

16/7 > Estera 2 : 1 -23

Andininy : 1- 4  Fitadiavana vady ho an’nympanjaka

Andininy : 5- 9  Nanomboka eto ny tantaran’i Estera: Ny fianakaviany sy ny fireneny

Andininy : 10 – 14  Ny fidiran’Estera tao an-tranom-behivavy

Andiny : 15 – 17  Ny fisehoan’i Estera eo antrehan’ny mpanjaka

Andininy : 18 – 20 Fanafenan’i Estera ny fihaviany

Andininy : 21 – 23  Fahafatesan’ny mpiambina roa lahy.

17/7  > Estera  3 : 1 – 15

Andininy : 1 – 6  Mordekay tsy niankohoka sy tsy nandohalika teo anatrehan’i Hamana izay mana-pahefana

Andininy : 7 –  12  Ny fahefana nomena an’i Hamana

Andininy : 13 – 15 Ny fikasan’i Hamana hamono ny jiosy rehetra. Ary very hevitra ny tao tanàna’i Sosana.

18/7 > Estera 4 : 1 -17

Andininy : 1 – 4 Ny alahelon’i Mordekay, Estera ary ny jiosy.

Andininy : 5 – 12  Nitady hevitra Estera ny hamonjena ny fireneny

Andininy : 13 – 17  Miroso ho amin’ny famonjena ny fireneny Estera

19/7 > Estera 5: 1 – 14

Nandalina sy nanomana tsara ny  hamonjeny ny fireneny Estera. Hanasa ny Mpanjaka sy Hamana. Saingy Hamana kosa dia feno fahatezerana tamin’ny dadatoan’i Estera.

20/7  > Estera 6 : 1 -14

Ny valisoa azon’i Mordekay tamin’ny famonjena ny mpanjaka

Ny alahelon’i Hamana

21/7 > Estera 7 : 1 – 10

Nianjera tamin’ny toerana maha-manam-boninahitra azy i Hamana. Tsy natoky azy intsony ny mpanjaka. Voahaheloka.

22/7 > Estera 8 : 1 – 17

andininy 6 : « Fa ataoko ahona no fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary ataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako ?

Nivaly ny fitalahon’Estera tamin’ny mpanjaka . Nivaoka ny didy mba tsy handringanana ny fireneny. Naely hatrany Etiopia ha hatrany India. Ary dia fifaliana sy faharavoravoana ny an’ny rehetra.

23/7  >  Estera 9  :  1-19

Nandresy ny fahavalony ny firenen’i Estera. Na dia tao aza ny maty noho ny ady dia tsy nisy ny fandrombam-pananana (andininy 10b, 15b)

24/7 >  Estera  9 : 20 – 10  :  3

Eto no ilazana ny andro « Porima » izay andro lehibe koa amin’ny jiosy.

Singanina ny andin’ny faranay amin’ny boky toko faha- 10 : 3  ‘ Mordekay nitady hahasoa ny fireneny sady nilaza fiadanana tamin’ny olona rehetra iray firazanana taminy ‘

25/7  >  Ohabolana 22 : 17  –  23 : 14

22 : 17  –  Antongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin’ny hendry. Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao.

23:  1 & 4  –  Raha mipetraka hiara-komana amin’ny mpanapaka ianao, dia hevero tsara izay eo anatrehanao.

Aza manasa-tena hanan-karena. Aza entina amin’izany ny fahendrenao.

26/7  >  Ohabolana 23  :  22

Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao saingy efa antitra izy.

27/7  > Ohabolana 24 : 17

Aza faly, raha  lavo ny fahavalonao. Ary aza ravoravo ny fonao, raha tafintohina izy.