TSY hiresaka politika akory isika raha hiresaka an’i Mavoloha fa hiresaka kosa ny Fifohazam-panahy izay niatomboka tamin’ny 8 Septambra taona 1929 ka niraisan’i Vatotsara sy Anosivavaka. Efa noresahantsika ihany moa izany teo aloha raha niresaka ny 8 septambra isika. Mavoloha dia isan’ny tantara iray tsy azo hadino raha miresaka an’i Vatotsara sy Anosivavaka.

Mavoloha dia tanàna ery atsimon-drano tsy lavitra loatra an’Antananarivo amin’iny lalana makany Antsirabe iny. Hatramin’ny nisin’ny lapam-panjaka teny dia tsy misy tsy mahafantatra azy. Fa eo atsimo kelin’ny tanana dia misy renirano kely, kely ka azo dikaina rehefa may tany, fa rehefa fahavaratra kosa ka hisin’ny orana be dia manafosafo ny tetezana ny rano.

Hatramin’ny taona 1929 dia niroborobo tokoa ny fifandraisana nisy tamin’ny Vatotsara sy Anosivavaka, ka ny 7,8,9 Septambra dia aty Anosivavaka ny fotom-pifohazana ary ny 1 sy 2 Novambra kosa dia any Vatotsara. Nisy anefa teo amin’ny tantaran’io fifohazam-panahy io fotoanan’ny fitsapana mavaivay ka nampirefarefa tokoa ny aim-panahy.

Ny voalohany dia enim-bola monja tao aorinan’ny 8 Septambra 1929. Tsy nahafaly an’i Satana ny zavatra nitranga ny taona 1929 koa dia niasa mafy hanakorotana azy izy. Ireo olona vonton’ny Fanahy Masina ny 8 septambra ihany no nampiasainy. Ny taona 1930 dia nitranga ny adilahy tao am-piangonana Anosivavaka. Ady naharitra 10 taona mahery. Raha nanotaniana ireo ray aman-dreny dia toa zavatra tsy nisy antony akory ny niadiana. Misy nilaza fa ny endriky ny tilikambon’ny fiangonana no nampiady, satria nisy ny tsy fitovizan’ ny hevitra. Misy indray izay nilaza fa ny fiarakodian’ny Mpitandrina no nahatonga ny ady, satria nisy nieritreritra fa ny volam-piangonana no nividian’ny mpitandrina an’io. Dia rafitra ny ady. Nizara roa ny mpiangona ka ny andaniny nomba ny mpitandrina ny ankilany kosa niady taminy. Tao am-piangonana rehefa miangona, ny andaniny mihira ny ankilany mivavaka. Asa re rey olona fa toa nofinofy sisa ny Fanahy Masina nilatsaka ny 8 Septambra. Dia niakatra fitsarana ny raharaha hany ka voaviravira tany ilay Tompo izay nolazain’ny andaniny sy ny ankilany fa hivavahany. Nisy moa ny tsy nahatanty ka nifindra fiangonana tao Betafo na tany Antanety. Ny fahatongavan’i Pasteur Rambeloson Edmond ny taona 1941 vao nampijanona ny ady.

Lesona lehibe ho an’ny Fiangonana io zava-nitranga io, indrindra ho an’ny Fiangonana manana sampana Fifohazana. Zavatra kely tsy heverina akory dia manimba ny asan’ny Fanahy Masina indridnra moa fa raha laroana hambom-po diso toerana izany.

Ny fitsapana faharoa dia i Mavoloha. Rehefa tonga i Pasteur Rambeloson dia niverina indray ny fifandraisana tamin’i Vatotsara, izy rahateo moa dia isan’ireo miaraka tamin’i Baba Rajaofera. Nisy eo amin’ny dima-polo eo ho eo no mandeha indray mamonjy fotoam-pifohazana tany Vatotsara ny 1 sy 2 novambra raha dimy farafahabetsany teo aloha.

Dimapolo latsaka kely Anosivavaka no nandeha namonjy ny 1 sy 2 novambra tany Vatotsara ny taona 1946. Vatotsara moa ho an’ny tsy mahalala dia dimy ambin’ny folo kilometatra mahery kely ao atsimon’Antsirabe. Fomba roa no natao rehefa mamonjy an’i Vatotsara. Ny voalohany mandeha fiaran-dalamby hatreo Antsirabe dia manofa fiara mamonjy an’i Vatotsara. Ny faharoa dia ny manofa fiara miala aty Ambohimanarina izay nitondra hatrany Vatotsara ary dia iny fiara iny ihany no mitondra miverina ; Tamin’ity indray mandeha ity dia iry voalohany no natao.

Samy namonjy io fotoana io daholo na ny efa zokinjokiny na ny tanora. Ary tamin’ity indray mandeha ity dia nahavaky vava ny olona ny fifankatiavana nisy teo amin’ny tanora.

Nizotra tsara ny fotoana tany Vatotsara. Ho an’ireo izay nandeha tany dia mbola tsy nisy fotoana toy izany. Ohatra ny tsy tety antany intsony ny olona rehetra. Avy misakafo atoandro eo no mifarana mazàna ny fotoana any Vatotsara ny 2 novambra mba hahazoan’ny olona mamonjy fodiana. Naharitra hatramin’ny hariva anefa izany tamin’io fotoana io satria tena vontom-panahy loatra ny rehetra. Ilay fiara tokony hitondra hamonjy an’Antsirabe koa efa hariva be vao tonga. Rehefa tonga tao Antsirabe dia efa lasa ny fiaran-dalamby nakany Antananarivo ary tsy misy intsony raha tsy ny ampitso maraina..

Zavatra roa no azo atao : na ny matory ao Antsirabe na ny mitady fiara hamonjy an’Antananarivo. Raha matory ao Antsirabe dia aiza ny ampatoriana ireto olona betsaka ireto. Tsy maintsy ho voatery hizarazara hotely ka hananosarotra indray ny hifamoriana ny ampitso. Rehefa nikaroka fiara dia nahita camion iray izay hamonjy an’Antananarivo io alina io. Tapaka ny hevitra fa dia handeha amin’io camion io. Marihina manokana fa avy be ny orana tamin’izay.

Efa alina be vao tafahainga tao Antsirabe. Itompokolahy pasteur Rambeloson sy ray aman-dreny iray no teo amin’ny devant ny fiara ny sisa rehetra dia nipetraka ambany tao aoriana daholo. Hira noelanelan’ny vavaka no natao teny an-dalana. Kanto loatra ny hira ka ny tanàna nolalovana dia nilaza izany daholo Singanina manokana ry zareo tao Andranomanelatra satria tonga mihintsy tany Anosivavaka ny Pastora nilaza fa toy ny anjely mihira no nandrenesan’ny tao an-tanana ny hira natao.

Fa tao amin’ireo tanora nolazaintsika fa tena nifankatia tokoa dia nisy ankizivavy telo izay ho simbanina manokana : Ny vavimatoan’ny Pasteur Rambeloson, ny zanakavavin’ Itompokolahy Rainianja, ny zanakavavin’Itompokolahy Ralison Edouard. Niresaka izy telo vavy hoe : mahafinaritra loatra ny fifankatiavantsika ka ho fahasambarana tokoa raha miaraka mankany an-danitra isika.

Nony efa hadiva haraina efa tsy lavitra intsony Antananarivo. Nisy ny efa resin’ny torimaso nefa nisy koa ireo nanohy nihira. Nohiraina tamin’izany ny hira hoe : « Hanana elatra aho », sy ny « Nandao anao ela aho Raiko ô ». Tokony ho tamin’ny telo ora maraina tany ho any teo am-pihirana ny andininy faha-dimy, ireo mbola tsy natory, dia ilay andininy manao hoe : « Indro fa tazako ny sandrinao mitsotra mba hisakambina re » dia nihoatra ny tetezana ilay camion ka nianjera tany anaty rano. Ny tetezan’i Mavoloha io. Noho ny orana tsy nitsahatra efa ho andro maromaro talohan’izao dia misafosafo ny tetezana ny rano. Vetivety foana dia nilentika ilay camion. Tampoka loatra ka tsy nisy azo nihomanana akory. Samy nananavotra ny ainy ny olona. Nisy ny efa nahazo ny tany maina nefa nahita fa ny zandriny mbola tavela tao anaty rano dia lasa nitsoboka hamonjy azy nefa ilay zandriny avy eo voavonjy soa aman-tsara fa izy namoy ny ainy. Izy telo vavy noresahantsika tery aloha araka ny faniriny dia niaraka nakany an-danitra ka samy manoy ny ainy tao Mavoloha. Pasteur Rambeloson niaraka tamin’ny tovolahy vitsivitsy no niezaka namonjy. Tsy hay adinoina ny herim-po nasehon’ny tovolahy iray Tily mahay milomano nanavotra olona betsaka, Daoda no anarany. Nanampy be tamin’ny famonjena ny olona teo an-tanàna satria efa atoandro be vao tonga ny avy eny Anosivavaka.

Nisy fito ambin’ny folo no maty tao Mavoloha ka ny enina ambin’ny folo no avy ao Anosivavaka. Azonao an-tsaina ny fahoriam-panahin’ny Fiangonana manotolo nahita ny vatapaty enina ambin’ny folo niditra tao Anosivavaka. Feno hika ny fiangonana tamin’ny fotoam-pandevenana. Na dia avy any Andriapamaky aza no fiavin’i Pasteur Rambeloson ny zanany vavy maty tao Mavoloha kosa dia nekeny soa aman-tsara ny nadevenana azy niaraka tamin’ireo namany roa vavy tao amin’ny fasan’ Itompokolahy Rainianja..

Nanoratra boky mikasika an’i Mavoloha i Pasteur Rambeloson fony fahavelony, boky izay navoakan’ny Imprimerie Mamy. Ny fiangonana roa tonta koa dia nametraka tsangambato ho fahatsiarovana ireo namoy ny aina tao Mavoloha. Ho ani’ireo zokinjokiny nahita ny nitranga tao Mavoloha isaky ny mihira ny : « Nandao Anao ela aho Raiko ô » izy dia mitomany.

Sedra lehibe ho an’ny Fifohazam-panahy Vatotsara Anosivavaka i Mavoloha satria tao aorinan’izay dia dimy raha be indrindra Anosivavaka no maneha mamonjy ny fotoam-pifohazana tany Vatotsara. Folo taona taty aoriana vao niverina indray ny risim-po.

Isaorana anie Andriamanitra fa na dia eo amin’ny zava-manahirana aza dia tsy manary Izy.