TAMIN’ny taona 1938 no nitranga tany Vangaindrano ny fifohazam-panahy nantsoina hoe Fifohazan’ny Morotsiraka Atsimo Atsinanana. Na dia efa nisy Station missionnaire efa niforona talohan’ny nisin’ny fanjanahantany aza tany dia tsy nandroso loatra ny Filazantsara. Vitsy raha mihoatra amin’ny isan’ny mponina ny kristiana. Ny akamaron’ny ben’ny tanana dia tsy nahazoazo loatra ny fivavahana kristiana. Isan’ireny ben’ny tanana ireny ingahy Kidisioky ben’ny tananan’i Vohitromby. Tezitra mafy izy raha nandreha fa nadeha namonjy Sekoly Alahady tany am-piangonana ny zanany.

Tamin’ny alin’ny 8 nifoha 9 jona 1938 anefa dia tafahaona tamin’i Jesosy izy. Mahita mazava lehibe izy, mazava izay mbola tsy fahitany. Nagitakitaka be ny tenany manontolo ka betika mafana be izy betika mangatsiaka mangovitra mihintsy. Tsapany tamin’izay fa ilay Tompo nolaviny sy tsy tiany no miseho taminy. Farany tazany ny Mpamonjy izay miantso azy hanaraka Azy. Nadeha tsy nisalasala i Kidisioky. Rehefa tafavoaka ny tanana izy dia niteny taminy ny Tompo ka nanao hoe : « Miovà hianao » . rehefa izany dia lasa tsy hita ilay fahitana. Lasa ilay fahitana fa Kidisioky kosa nahatsiaro feno ny fanahy ka toa tsy ety an-tany intsony. Izy izay tsy nino sy nandà ny Tompo nahatsiaro ny fahotany.

Tamin’izay fotoana izay tsy niverina nody tany an-tranony akory i Kidisioky fa nofohaziny ny mpiray tanana taminy hilazany ny zavatra hitany sy nihatra taminy. Nambarany tamin’izay ny fanapa-keviny hanokana ny tenany ho an’ny Tompo. Nangatahiny koa ny mpiray tanana taminy hanaraka ny diany.

Tao anatin’ny indray alina monja dia fiovana tsy hay lazaina no hitan’i Kidisioky. Tahaka an’i Paoly Apostoly dia mba nanana ny lalan’i Damaskosy koa izy. Ndeha ho lazaintsika fa i Paoly dia efa nandreha ny momba an’i Jesosy, nahafantatra ny baiboly niaina tao anatin’ny fivavahana, fa i Kidisioky kosa dia tena mpanompo sampy no nofohazin’ny Tompo. Tsapa tao amin’ny fiainany ny asan’ny Fanahy Masina.

Tahaka ny fifohazana nisy tamin’izany dia nanasitrana sy namoaka demonia i Kidisioky. Vetivety dia nahazo ny distrikan’i Vangaindrano sy Farafangana manontolo izany ary tafiditra nahazo ny Tanala sy ny Bara.