Detoronomia : 8

Lehibe ny Fitiavan’Andriamanitra. Nomeny tany ny fireneny. Tany tsara. Ny rano mikoriana eny an-tendrombohitra sy eny amin’ny lohasaha. Maharavo izany.  Mivelona tsara ny mponina ao. Ampiasaina amin’ny zavatra maro ny rano. Ny  fambolena, ny biby fiompy.  Anton’ny fahaveloman’ny olombelona ny rano. Mahantra ary tena miafy ny tany tsy ampy  rano. Ankehitriny aza dia efa tonga amin’ny fividianana rano ny tany sasany. Ritra ny rano no maloto. Ny ranomasina miditra amin’ny renidrano mamy.  Mitondra loza izany.

Nomen’Andriamanitra  tany mahavokatra sy sakafo mahavelona toy ny vary tritrika sy vary hordea. Ny vary sy ny varim-bazaha  dia anisan’ny fototsakafo lehibe eran-tany. Mora ampanirina. Vokatra lehibe indrindra mora mahavelona ny olombelona. Nefa misy tany izay tsy mahavokatra vary intsony. Satria tsy voakarakara ny tany. Na hamidimidy foana ka hanorenana zavatra hafa ny tanimboly, no totofana ny tany misy rano.  Tokony hahavelona izao tontolo izao ny vary eran-tany  na dia ao aza ireo tsy mamokatra saingy misy ny tsy mivarotra azy raha tsy efa miakatra ny vidiny. Ka dia ao ny mosarena.

Ao koa ny voaloboka izay mandrombona amin’ny tany izay nomen’Andriamanitra ny fireneny. Voankazo tena matsiro satria mamokatra tsy hita havanavana noho  ny masoandro sy ny tany lemaka. Azo ampiasaina ho toy ny fanampitsakafo koa ny voaloboka. Ao koa ny  aviavy mitondra soa ho an’ny tenan’ny olombelona.  Ny ampongambendanitra torak’izany koa. Hitantsika amin’ny dokan-tsakafo koa izany. Hifanotofan’ny maro tokoa. Voalaza koa ny fisin’ny hazo oliva sy tantely. Sakafo ilain’ny tena , indrindra ny tantely. Nomen’Andriamanitra tany “tsara” ny fireneny. Tsy tokony hisy akory olona tsy mana-kohanina. Tsy tokony hisy ny mosary. Fa mitosaka ny hanina. Tokony hanaram-po ny olona. Tsy tokony tsy hisy mpangataka. Fa ankehitriny eto amin’izao tontolo izao dia hahitana tany tsy maniry intsony ny voly . Mandady vao mahita hani-kohanina.

Mampitandrina ny tenin’ny Soratra Masina. Rehefa voky ianao dia aza hadino Andriamanitra. Tsy ho an’ny fireneny ihany no ilazan’Andriamanitra izany. Ho an’ny mponina rehetra eto an-tany. Ho anao koa. Fanao ny mivavaka alohan’ny sakafo. Misy  manao izany ho zara fa vita. Asa na firy no mivavaka ka misaotra an’Andriamanitra aorian’ny sakafo.

Ity firenen’Andriamanitra ity dia tsy tokony ho sahirana mihitsy raha ny voalaza amin’ity toko ity. Mitombo ny fananany. Tsy toko tsy forona  ny volafotsiny sy ny volamenany. Ao ny vy sy varahina sy harena amban’ny tany. Vokatra’izany dia miha-manakarena ny mponina. Manorina trano. Kanefa aza mirehareha rehefa manana hoy ny teny. Aza miavonavona. Sao heverinao fa ianao no nahatonga ny harena ao amin’ny taninao. Fa Andriamanitra. Nandalo fahasahiranana sy fahoriana ny firenena. Ary afaka tamin’izany. Tsy avy aminao izany. Fa Andriamanitra no nanafaka anao. Ka aza mirehareha hoy ny soratra.

Diso hevitra ny filazana fa ianao no nanavotra ny firenena. Tsy manana hery hanaovana izany ianao.

Nomena tany mahavokatra ny firenen’Andriamanitra. Ary toa irina ho toa izany koa ny antsika malagasy. Eny, nomeny antsika tokoa izany “tany tsara”. Fa saingy hadino. Nahoana no tsy mahavokatra vary hahavelona ny mponina nefa tany midadasika. Misy rano. Ireharehana aza ny fananana  ireo renirano lehibe manivatsiva ny tany. Tahaka izany koa ny biby fiompy. Ny omby dia voalaza fa mitovy amin’ny isan’olona ny isan’ny omby. Nefa nahoana no tsy ampy sakafo ny olona. Sa ny fomba famokarana sy fiompina no niova ka natao hatsirambina ny fitantanana izany. Na fampiasana ny zezika simika izay mety hanimba ny tany koa. Na koa ny manana ihany no mamokatra ary mamikitra ny harena ka tsy afaka manome ny tsy manana. Mba mijery ny tsy manana ve ny manana. Maro no reraky ny hanohanana. Misy ny tsy menatra manitsaka sy mampifilafila ny mahantra .Raha dinihina aza toa tsy mila miasa akory fa mahavelona ny fianakaviana tsirairay ny haren’ny tanintsika raha mahay mampiasa izany. Nefa mihalafo ny fiainana. Firy ny mpidrandraka vato soa efa maty?

Mandalo fitsapana izao tontolo izao. Misy milaza fa nokapohin’Andriamanitra ka izany no nahatonga izao. Tsy marina io. Ny ataon’ny olona amin’ny tsy fahaizana mitantana ny zavaboahary nahatonga izao. Ao ny faly mahazo be dia feno fiavonavona sy fireharehana. Mampitahotra sy manitsaka ny hafa. Io no voalazan’ny teny androany hoe “Manadino an’Andriamanitra “satria mihevitra fa izy olombelona no nahatonga ny hareny.

Ny fahantrana dia tahaka ny fampijaliana ny olona samy olona koa. Satria mitarika saina ratsy. Misy ny  mihevitra fa izy no tompon’ny zavatra rehetra ka manao izay tiany atao izy amin’ny lafiny rehetra. Tsy mampaninona azy ny manitsaka ny hafa. Ao ny tsy menatra ny manambany, manompa, miteny ratsy.Izany ve hahafaly an’Andriamanitra?  Misy aza mihevitra fa mariky ny fahambonina izany. Rahefa tsy manao izany fomba dia tsy ao anatin’ny faribolany. Ka henjehina. Anisan’ny fampahoriana sy fampijaliana ny hafa koa izany.  Ny andininy faha 18 dia milaza fa Andriamanitra no nahatonga anao hahavory ny harena. Ny harena eo amin’ny tany izany . Ny harena hatao ho sakafo hahavelona. Ny harena entimanana ho amin’ny zavatra hafa koa. Saingy hadinon’ny olombelona izany. Satria resin’ny fisehosehona. Jejojejo amin’ny fifaninanana sy ny fampiderana fananana. Hakipy ny maso tsy hahalalala ny lalàn’Andriamanitra. Tapenana ny sofina tsy hahare izany. Hodian-tsy hita fa manompo ny harena ary mampanompo ny hafa. Mitondra ho aiza moa ity harena rehefa tonga ny tsy mety: ny aretina, ny fahafatesana, ny fisaraham-bazana ao an-tokatrano. Fahorian-tsaina daholo izany.  Hiandry ny loza kotrehan’ny olombelona ve vao hiova?

Androany dia fankalazana ny fahaleovan-tena ho an’i Madagasikara. Ao ny fifaliana fa samy manontany tena hoe : Nomen’Andriamanitra tany mana-karena isika  ary ahoana no nitantanantsika izany harena izany. Tsy tokony hisy mahantra intsony eto amin’ny taniko( ny tanintsika). Tany tsiriritin’izao tontolo izao. Ary ny fihetsiko sy ny teniko ve hanomezako voninahitra an’Andriamanitra? Sa hitenenan’ny olona ratsy azy ?

Androany koa dia andro iarahan’izao tontolo izao miady amin’ny fampijaliana sy ny fanamelohana ho faty.Tamin’ny alina dia nisy ny fiaraha-mivavaka eran-tany atao hoe “alin’ny mpiambina” . Antenaina fa maro no nanokana fotona ho amin’izany. Ahoana no mba eritreritrao amin’izany.

Ery amin’ny teny farany amin’ity toko ity dia voalaza fa raha manaraka andriamaninkafa dia haringana. Izay manao ny hareny ho sarobidy noho Andriamanitra dia ho faty. Tsy Andriamanitra no mamono azy akory. Fa  tsy hahita fifaliana na fahasambarana. Toa ny miaina ka miaina. Fahafatesana ara-panahy.

Fa ny tany lehibe izay nomen’Andriamanitra ho kolokoloina dia isika olombelona izay nalaina avy amin’ny tany. Ny olona tsirairay dia sarobidy amin’Andriamanitra. Izay no nanolorany an’i Jesosy Kristy ho mofon’aina .Ny fandraisantsika Azy no mahavelona sy mampanakarena antsika. Ny fanaovantsika ny haren’ny tany ho andriamanitra dia mampisaraka antsika amin’Andriamanitra ary mpitondra fahafatesana. Anao ny mifidy na ho velona araka ny sitrapon’Andriamanitra na hanipaka ny lalàny ka ho mody fanina. Nefa efa maty. Ny fanarahana an’Andriamanitra dia ilaina ny fihainona ny teniny sao hanenenana. Andriamanitra be fitiavana ka miandry anao hitodika aminy. Ka ho tafiditra amin’ny harena lehibe indrindra ianao dia ny famonjena. Miandry anao ny Tompo.