FOTOANA hamonjena sy hankalazana ny 26 Aogositra any Farihimena izao herinandro izao : Fivoriamben’ny Fifofazana. Matetika ny mpikarakara sy ny mpiandraikitra dia efa tonga mialoha any an-toerana mba hahalavorary ny fotoana rehetra. Misy lohateny banjinina amin’izany ary vita programa ny fandehan’ny fotoana.

Ndeha ho entiko hiverina taona maro any aoriana ianao santionan’ny zavatra niainana tamin’izany. Nanodidina ny taona 1960 tany ho any dia mbola vitsy ny olona namonjy ny fivoriana tany.

Matetika dia ny Talata na ny alarobia no andro hiaingan’izay avy ao Antananarivo. Izahay enina mianadahy moa dia niaraka tamin’ny ray aman-dreny.Indroa isan-taona no mamonjy mankany Farihimena. Ny Paska dia fiara iray na roa raha betsaka no feno ka ireny atao hoe « Mille kilos » no nitondra ny olona. Taty aoriana dia nisolo ny « Supergoélette ». Ireo no afaka nitondra satria misy orana ny fotoan’andron’ny Paska ka sarotra ny lalana, avy eo Antsirabe mankany Farihimena, indraindray aza voatery miodina any Betafo Antsirabe vao tonga.

Ingahy Ranaivoson Prosper sy Ramatoa Ralisoa Hélène vadiny (izay efa maty moa izy ireo amin’zao fotoana izao) no tena miandraikitra ny fandehan-zavatra rehetra nadritran’ny fahavelomany. Teo Antohomadinika teo amin-drizareo no niainga ny rehetra teo amin’ny efatra ora maraina eo. Efa vonona daholo amin’ny entana, toy ny sakafo ho hanina eny an-dalana sy ny akanjo hatorina sy entina miangona ary tsy hadino ny fihirana sy ny Baiboly.

Mahafinaritra ery ny dia eny an-dalana na ny mandroso na ny miverina. Tsy mijanona mihira ny olona ao anaty fiara ary mahagaga ny mpitondra fiara izany. Hoy ny sasany tamin’izy ireny : « tsy dia azoko loatra ny antony handehanan’ny olona aty, nefa dia tsapako fa feno fifaliana ny foko miaraka aminareo ». Tsindraindray ihany no misy mivavaka fa ny hira no tena betsaka. Izany dia nanampy anay hahay ny hiran’ny fihirana ary mila ho vita tsianjery aza.

Tahaka ny dia lavitra rehetra moa dia misy ny tsy afaka noho ny antony samihafa na tratran’ny fahatarana.Zava-pahazo ny olombelona izany. Maraina moa no mainga ê ! Ary hampahatsiahivin’ny mpiandraikitra fa tsy mety ny mitsara ny tsy fahatongavan’ny hafa na ny fahatarany. Tsy anjarantsika izany hoy izy ary tsy mety. Efa nilaza izy fa tsy afaka na tara dia ampy izay. Aoka tsy hierikerika intsony fa miroso ny dia. Izaho moa dia mbola ankizy tamin’izany ary tsy niteny fa nihaino tsara. Ary anisan’ny fampianarana lehibe voatahiry izany . Eo amin’ny fotoana fisakafoanana vao miresaka kely. Na izany aza dia ny fahaginana no naka toerana lehibe satria mifantoka amin’ny dia ny saina. Rehefa somary vatombatony aho dia fantatro fa io fahanginana io dia fotoana hivavahana mangina ao anaty. Ka tsy ilaina helingelenina amin’ny zavatra hafa. Fitaizana sy fampianarana ve misy ohatrin’izany. Nampahatsihaivin’ireto ray amandreny mpitarika fa ny zavatra rehetra mitranga amin’izao rodobe dia fampianarana antsika na ny ankizy na ny lehibe.

Ny volana Aogositra noho ny fahamainan’ny tany dia misosa vetivety ny fiara. Eo amin’ny fiandohan’ny tolakandro no fahatongavana eo Farihimena.Indray mandeha izay, tadidiko : Niampita rano, kilometatra vitsivitsy alohan’ny hahatongavana izahay. Ary ny fiara dia « Deux chevaux » kely. Nifaneritery tao izahay mianakavy. Ary io fiara io tahaka ny fiara rehetra dia miroboka ny rano fa tsy misy ny tetezana. Faly ery rehefa tafavoaka ny rano, ary miato kely hisakafo. Mijanona eo akaikin’ny trano vato an-kihondalana ny rehetra ary mivavaka vao miparitaka. Efa voatsinjara ny toerana hatorina sy hivantanana.

Ny amin’ny herinandro ny Paska dia somary manahirana ny lalana satria avy orana matetika. Sarotra ny fahatongavan’ny fiara eny an-tanana. Tonga ihany ny fiara fa tsy misy afa-tsy ny mpitondra no ao. Na mandeha tongotra na mandeha amin’ny sarety izay tena tsy afaka.Misy izany ireo manivatsiva ny lohasaha ary miampita tatatra kely. Tsy misy fahatsiarovana fa hoe nisy nianjera na dia tena malama aza ny lalana. Efa milentika ela ny masoandro vao tonga ny rehetra. Sasatra ery nefa faly fa mahazo sakafo mafana omanin’ny olona handray anay. Kanefa indray andro izay rehefa nody izahay dia nafana ny « moteur ny mille kilos ».Ary rehefa nosokafan’ny mpitondra fiara izy io dia nisavovona teny amin’ny tarehiny ny rano mafana. Nisy olona izay niteny hoe : « fitaovana natao hiovany fo izao ». Dia hoy Ramatoa Ralisoa hoe » : Tsy misy hifandraisany ny accident sy izany. Na main’ny rano aza ny tarehiny dia Tian’Andriamanitra tahaka antsika izy. Aza maika miteny fa mandinihy tsara aloha. Tsy fantatrao izay ao am-pon’ny olona. Andriamanitra irery ihany no mahalala » . Izay koa dia fampianarana sy fitaizana manampy izay efa noraisina.

Misy toerana roa no hivantanana. Eo am-pidirana sy ny akaikin’ny fiangonana. Misy ireo mivantana amin’izay mahazatra azy. Samy mahafinaritra daholo ny tanana. Ilay any am-pihavina dia mbola mandeha tongotra lavidavitra vao tonga any am-piangonana . Rehefa mody amin’ny alina dia mila fanilo. Nafarana izahay koa mba tsy hisarasaraka rehefa mody amin’ny alina fa mba hifanampy satria misy osa ny sasany. Fitaizana koa izany amin’ny fifanampiana. Misy ireo tanora tia sangisangy ka mitoraka ny mimosa ary mampatahotra nefa dia toa ny vazivazy ihany. Tsy azo atao diso tafahoatra hoy Ramatoa Ralisoa. Fa tsy maintsy manaja ny hafa na dia madinika aza. Fampianarana iray hafa koa izany. Akaikin’io tanana kely io (izay trano vitsivitsy) dia misy loharano mikorina. Fotsy sy madio mangatsakatsaka ilay rano. Eo no hatsakan’ny ao an-tanana. Ilay tanana akaiky ny fiangonana kosa hahitana dobo ery ambany ery. Hafa kely ny tsiron’ireo rano satria tsy misy fangarongarony. Ao no hatsakana. Ny fidiovana sy ny sasa lamba dia somary ery ambanibany kokoa misy vatolampy kely izay eo. Rehefa nihamaro ny olona tonga taty aorina indrindra ny volana Aogositra dia misy ireo izay natory tao anaty fiara satria tsy omby intsony ny efitra tamin’ireo tanana roa kely. Niezaka koa ny olona tamin’iny faritra iny hanatsara ny lalana . Hany ka dia afaka nitondra olona ny fiara lehibe, ary nihamaro ny olona. Tao ny efa mpamonjy io fivoriam-be io. Tao ny nanaraka fotsiny fa te-hahalala marina izay mitranga ao. Nisy koa ireo vahiny izay tsy nahay teny malagasy mihitsy avy amin’ny « Continent » hafa. Noho izany dia sarotra angamba ny fanarahana ny zavatra tao Farihimena. Anefa nisy ireo izay nilaza hoy Ingahy Ranaivoson Prosper hoe : « Na dia tsy mahay ny fiteninareo aza izahay dia feno fifaliana sy fahasambarana. Ary fahasoavana lehibe no nahatongavanay taty. Ny Tompo no nitondra anay nankaty.Ary mampitombo ny fiainam-panahinay izao. Tsy ho tafaverina aty izahay satria avy lavitra, fa ampy anay ny nandehanay indray mandeha taty »

Ny toerana famantanana fahatelo dia ilay trano eo an-kihondalana izay atao hoe  » Trano vato ». Tamin’izany fotoana izany dia mbola tsy tena vita izy io. Tao i Nenibe Ravelonjanahary sy Nenilava no nivantana. Nanana efitra iray manokana handraisana ny olona izy mianaka. Tahaka ireo misionera Norvejiana, na amerikana, na frantsay izay mifampidinika taminy matetika. Ny any tadidiko anarana dia i Ingahy Fournier izay mpiandry taty aorina, nahay niteny malagasy tsara, no tena tia malagasy. Nahafinarira ahy ny miresaka taminy satria nahitako zava-tsoa. Ireo olona rehetra izay noraisin’i Nenilava dia nomeny anjara teny avy amin’ny Soratra Masina. Ny ahy moa dia ny Lioka 3 : 21-22. Ny hira moa dia tsy tadidiko. Saingy ny hira ho an’ny Dadanay no tsaroako. Zava-dehibe tamiko io Tenin’ny Soratra Masina io. Misy aminao mpamaky angamba naharay koa teny izay tandrify anao. Izay mety ho tsaroanao na tsia. Fony aho mbola kely tsy dia nazava tamiko. Fa taty aoriana dia nivaingana ny heviny. Indrindra moa amin’izao fotoana izao.Amin’izao fotoana izao efa betsaka ny zavatra miova momba ny hahatongavana any Farihimena. Ho anao izay mamonjy ny fivoriana Farihimena 2007 dia « Tsara mandroso, tsara miverina ».Ny Tompo homba anao izay mandeha ary ny fiadanany koa ho anay izay tsy tafahona aminao any. ( Mbola hitohy….)