Asan’ny apostoly 1 : 12 – 14

Fahafatesana. Fitsanganana tamin’ny maty. Fisehoana. Fandaovana. Izany no nisesy alohan’ny nisarahan’i Jesosy tamin’ny mpianany.

Toa tahaka ny kamboty ry zareo. Ary namonjy toerana iray tsy lavitra an’i  Jerosalema. Ankehitriny tsy hita vatana intsony Jesosy. Noho izany dia  lasa nivory tao amin’ny efitra ambony rihana ry zareo. Inona no antony? Araka ny voalaza dia hiara- hivavaka. Nefa koa amin’ny maha-olombelona ireo mpianatra dia diso fanantenana rehefa niakatra ho any an-danitra Jesosy. Tokony ho fifaliana anefa io fa tsy tokony hiteraka alahelo.

Indreo  ny  mpianatra niray saina mba hivory. Toa lasa fianakaviana iray rehefa hitany fa mafy ny manjo azy. Niray saina mba hifanohana amin’ny vavaka. Heverina hitondra fampaherezana izany. Ary zava-dehibe tokoa ny miara-mivavaka rehefa ao anatin’ny fahasahiranana.

Ireto mpianatra ireto dia samy manana  ny maha izy azy : araka ny taona,  araka ny toetra, araka ny fomba fijery, araka ny fomba fihetsika ary araka ny eritreritra. Tsy mitovy anarana rahateo. Kanefa nandray fanapahakevitra fa hiara-mivavaka. Moa ve tsy mahafinaritra izany ? Noho ny alahelo sy ny fahatsiarovana ny fahabangan’i Jesosy ve no nahatonga izao fitokanana izao?

Azo oharina amin’  ireo Fiangonana amin’izao androntsika izao ve izany? Ny Fiangonana samy manana ny anarany, samy manana ny fombafombany eo amin’y fanompoampivavahana sy ny fotopinoana. Maro dia maro ny fiangonana miorina atsy sy aroa. Hireharehana  aza fa fianakaviana iray lehibe ny kristiana na ny Fiangonana eran-tany. Nefa dia misy disadisa ihany eo amin’ny fifandraisana.

Tamin’ny fotoanan’ny mpianatra angamba olona vitsy izy dia mora ny niaraha nanapa-kevitra hiara- hivavaka. Fa ankehitriny na dia ao aza ny faniriana toa izany dia mbola misy ny tsy fifanarahan-tsaina. Ao ny manenjana fa ny azy ihany no marina. Ary rehefa tsy mitovy aminy na ny fombafomabany dia  heverina ho diso lalàna.

Impiry moa no handrenesana na hahitana fivoriana maro natao mba  hifanatonan’ny kristiana maro ? Ao ny ezaka atao fa mbola tsy tody amin’izany na dia Andriamanitra iray ihany, rain’i Jesosy Kristy no torina.

Ireto mpianatra ireto anefa dia naharitra tamin’ny firaisan-tsaina tamin’ny fivavahana. Nanomboka tamin’izany dia efa nifandray ny mpino kristiana. Nefa ny tantaran’ny Fiangonanana koa dia mampiseho fa tsy nikambana ho iray ny Fiangonana tany ampiandohana.

Ankehitriny dia maro ny fiangonana miezaka hifanatona. Misy ireo kristiana tsy dia mahatoky ny hahatanteraka izany. Ka dia  miandry izahay  hoy izy ireny. Anefa anjarany koa ny miezaka ho amin’izany lalàna izany.

Ny tsy fitovina indrindra no mampanakarena ny Fiangonana satria afaka mifampizara izay mahasoa. Mahatonga hanaja ny tsy mitovy amin’ny tena. Miezaka hahalala sy hahafantatra ny hafa.

Ny mampalahelo koa dia indraindray  aza ny mpitarika no mahatonga disadisa tsy hisin’ny firaisan-tsaina hiara-mivavaka.

Jereo eo amin’ny andinin’ny farany fa na dia ny vehivavy aza dia efa nanana ny toerana tokony ho azy tamin’ny fivavahana. Tsy voahilikilika. Ny mpianatra sy ireo vehivavy ary Maria renin’i Jesosy dia tafaraka tao amin’ny efitra ambony io. Io no hivorian-drizareo ary toa lasa fianakaviana iray.

Saingy rehefa mandeha ny fotoana andro sy ny taona  dia niova izany.  Ka tsy nanana ny toerany intsony ny vehivavy.

Raha ny izy mantsy ny hoe “fiaraha-mivavaka eto dia fanompoam-pivavahana no dikany” ( fa tsy hoe groupe de prière araka ny heverantsika azy). Izany hoe nandray tamin’ny fitarihana sy  ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra ny vehivavy. Ny Baiboly raha ny izy tsy mila fanazavana intsony. Fa ny teny vakina dia efa tahaka ny famelabelarana. Ny mpitoriteny amin’izao androntsika izao izany dia mitory ny teny efa notorina.

Fa ny zava -dehibe dia ilay hoe “Ny rehetra dia naharitra amin’ny fanompoam-pivavahana”. Tsy nisy nanakina ny hafa fa natao tamin’ny fo sy saina iray.

Raha afaka manao izany isika dia handroso ny fanambarana ny vaovao mahafaly. Ary hitombo ny mpino an’i Kristy. Ary ho vavolombelon’izany isika raha mahay miray saina amin’ny fivavahana. Koa afaka mifidy isika  na hampikambana na hampisaraka rehefa antsoina ny fivoriam-pianakavian’ny kristiana. Raha mbola tsy mazoto amin’izany dia mieritrereta.

.