DISO fihevitra izay mieritreritra fa hijery na hitady fahagagana no andehanana any Farihimena na any amin’ny « Toby » hafa. Misy fahagagana mihoatra izany hoe mbola « velona fa tsy maty ». Ary izany fahavelomana izany dia tsy avy amin’ny olombelona. Inona no hantenaina hiala ny tokatrano ka hamonjy Toby iray. Zavatra roa no tantaraiko anao etoana.

Ny iray dia ny sakafo ara-nofo. Toa mampihomehy anao angamba. « Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny Teny avy amin’Andriamanitra koa ». Ilaina izany ny mofo na dia tsy io aza no voalohany amin’ny fahavelomana. Ny mofo dia hita amin’ny endrika samihafa amin’ny alalan’ny sakafo. Rehefa tonga any amin’ny Toby ianao dia miova amin’ny mahazatra. Sakafo tsotra. Sosoa maraina amin’ny voanjo voatoto na masira na mamy arak’izay misy, na ny pirina. Ny hariva dia matetika vary amin’anana. Ny atoandro dia ny vary sy hen’omby ritra na hena kisoa, miaraka amin’ny roa mazava na hanana raha sendra misy. Ny aogositra moa dia maro ny olona ka hitanao amin’izany ny hamokisana azy any amin’ny tany lavitra ny tsena sy ny fivarotana. Tsy hadino ny dite, na ny kafe, indrindra moa ny kafe-katsaka. Mangatsiaka moa ny andro ka mitondra hafanana koa ireny anelanelan’ ny fotoana roa. Afa-po avokoa izay rehetra nihinanana ny sakafo na ny nisotro ny rano madio eny an-toerana. Izay dia ampy ary afa-po avokoa ny rehetra. Anisan’ny fitaizan-tena koa izany ary miteraka fahasalamana. Mifantoka tsara amin’ny fihainona ny Tenin’Andriamanitra ny olona amin’izay fa tsy mila mandevon-kanina be.

Ny faharoa dia ny sakafom-panahy.Ary satria ny fotoan’andro rehetra dia natokana hivahahana sy hiangonana dia mahare teny maro avy amin’ny Soratra Masina ny vahoaka. Tamin’izany fotoana izany ny toerana hatoriana dia lapa be isam-pianakaviana amin’ny efitrano. Mety ho fianakaviana telo na efatra, na izay tafaraka amin’ny fiara-kodia. Mety koa tsy fianakaviana fa mitambatra amin’ny trano iray ary manao ladin’an-tany. Ny entana no solon’ny ondana ary samy manana ny firakony. Rehefa maraina moa dia mifoha ary mipetraka izay taitra voalohany : mivavaka ary mihira avy eo. Io no toy ny lakolosy manaitra ny rehetra ao an’efitra ary samy mifoha tsimoramora. Miombom-panahy amin’ny vavaka maraina. Hira dimy na enina arahina vavaka satria mbola hiomana amin’ny sakako maraina sy ny andro tontolo.

Any am-piangonana avy eo : misy hatrany ny fotoana malalaka toy ny amin’ny Pasaka. Na mpampianatra, na mpiandry, na katekista, na mpitandrina dia samy afaka mandray anjara. Ny fankalazana ny 26 aogositra dia fampiarana ny fandaharana ary atao izay mahatanteraka izany. Hafatoka amin’ny lohatenin’ny taona ny fotoana rehetra. Tsy dia misy izany hoe « tara » vao manomboka ny fotoana. Izany no milaza fa azo atao tsara io. Anisan’ny fitaizana koa izany.

Anisan’ny zava-dehibe tamiko dia ny fihainona ny mpandray anjara rehetra. Na inona na inona ambaratonga mpianarana, na fahaizana tamin’ireo mpandray anjara dia samy namafy ary namokatra ny Teny. Atao ahoana moa ny no ilazana fa tadidy daholo izay voalaza. Fa saingy misy koa teny na fehezan-teny izay mifanandrify izay omen’ny Tompo amin’ny alalan’ny olona tsirairay ho raisiny.

I Nenilava sy Nenibe Ravelonjanahary dia tadidiko koa nandray anjara tamin’ireny fotoan-dehibe. Hoy izy mianaka matetika « raha tonga eto ny olona hitady fahagagana avy aty aminay, fa tsy hihaino ny Tenin’Andriamanitra dia ho diso fanantenana ».

Anisan’ny fampianarana iray noraisiko dia avy amin’i Randriamiadanarivo mpitandrina izay efa misotro ronono ankehitriny sady mpanoratra malaza. Hoy izy indray mandeha izay. Tena faly aho anaka, fa mandroso ny asako, fa mandray an-tsoratra kely izay azoko aho. Efa misoritra ny toriteniko mandritra ny taona ho avy amin’ny alalan’ireo olona nandray anjara rehetra. Mamboatra sy manoratra azy tsikelikely sisa avy eo. Manatsara izany araka ny alahady hitoriko teny.

Nahavariana ahy izany ary taty aoriana dia hitako ny fahamarinan’izany sy ny vokany. Taty aorina dia niha nandray anjara tsikelikely koa antokom-pihira vitsivitsy avy any drenivohitra. Ny fifohazana avy amin’ny Toby hafa koa moa dia namonjy tany Farhimena.

Namafisin’i Nenilava amin’ny toerana rehetra izay alehany fa mifampitohy ny Toby rehetra ary tsy azo sarahina.Tsy tokony hisy ny hoe : ny atsy no tsara ka ao ihany no marina. Na dia lava aza ny fotoana dia nahafinaritra sy nahaliana ny teny rehetra re. Nefa koa nampieritreritra fa nanamarika hatrany i Nenilava sy Nenibe Ravelonjanahary hoe : Hantenaina fa tsy ho mpanaradrihan-drano fotsiny ny olona any aorina ary tsy hieboebo fa ho tsotra amin’ny fitoriana ny Filazantsara. Satria efa an’alina no efa nisy nitory ny Teny ary mbola hihoatra io isa io fa tsy ny Fifohazana ihany no manao izany asa izany. (Mbola hitohy…)