1/6  > Romana 8 : 31

« Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? fahoriana va? sa fahantrana, sa fanenjehana?, sa mosary, sa fitanjahana?, sa sabatra ? »

2/6  >  2 Korintiana 12 : 9

« Ampy ho anao ny fahasoavako, fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena ».

3/6 >  Romana 9: 13-14

Izao no voasoratra « Jakoba no tiako, fa Esao ho halako » . Ahoana ary no holazaintsika ? Misy tsy fahamarinana va amin’Andriamanitra? sanatria izany !

4/6  > Romana 9 : 29

Raha tsy ny Tompo Andriamanitra no namela taranaka ho antsika. Dia efa tonga tahaka an’i Sodoma sy Gomora isika.

5/6 > Romana 10:4

Fa Kristy no faran’ny lalàna ho fahamarinana ho an’izay rehetra mino.

6/6 > Romana 10 : 12

Fa tsy misy hafa, na jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon’izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Azy Izy.

7/6 > Romana 11 : 4

« Izaho efa niaro fito arivo lahy ho ahy, dia izay tsy mba nadohalika tamin’i Bala »(1 Mpanjaka19:18)

8/6 > Romains 11:16

Raha masina ny santatra, dia masina koa ny vongany; ary raha masina ny fàkany, dia masina koa ny sampany

9/6 > Romana 11 : 36

Fa Andriamanitra no nihavian’izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy no antony; Izy anie no homen-boninahitra mandrakizay. Amena

10/6 > Salamo 108 : 4

Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindramponao;

Ary mipaka any amin’ny rahona ny fahamarinanao

11/6 < Isaia 42 : 1

Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako. Dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko.

12/6 > Asan’ny Apostoly 2 : 4

Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina zy.

13/6 > Actes 8 : 15

Nony tafidina tany Samaria i Petera sy Jaona dia nivavaka ho an’ny olona mba hilatsahan’ny Fanahy Masina.

14/6 > Salamo 109 : 4

Ny fitiavako dia valiany fandrafiana. Fa izaho dia mivavaka.

15/6  > Nomery 10 : 34

Ary ny rahon’ny Tompo Andriamanitra dia teo ambonin’ny fireneny  nony andro tamin’ny niaingany niala tamin’ny nitobiany.

16/6 > Nomery 11 : 23

Dia hoy ny Tompo Andriamanitra : » Nihafoy va ny tànako? Ankehitriny ho hitanao na ho tanteraka aminao ny teniko, na tsia ».

18/6 >Nomery 12 :11

Ary hoy Arona tamin’i Mosesy : Indrisy, tompoko, masina ianao, aza atao ho helokay ny nanaovanay adalana sy ny naotanay.

19/6 > Nomery 13 : 27

Dia nankeo amin’i Mosesy sy Arona ny mpiasafo tany dia hoy ire hoe « Tonga tany amin’ny tany izay nanirahanao anay izahay; koa tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony ny vokatra azo tany

21/6 > Nomery  14 : 26-27

Ary ny Tompo Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy sy Arona ka nanao hoe :  » Mandrapahoviana no mbola handeferako amin’izao fiangonana ratsy mimonomonona amiko izao. Efa reko ny fimonomononan’ny fireneko , izay imonomononany amiko .

23/6 > Nomery 15 : 15

Ary ny amin’ny fiangonana  dia lalàna iray ihany sy fanao iray ihany no ao aminareo sy izay vahiny eo aminareo koa, dia lalàna mandrakizay hatramin’ny taranakareo far mandimby izany; tsy misy hafa eo anatrehan’ny Tompo Andriamanitra na ianareo na vahiny.

24/6  > Nomery 15 : 26

Dia havela ny heloky ny fiangonana, dia ny Zanak’Israely rehetra, mbamin’izay vahiny eo aminy; fa nahazo ny olona rehetra izany noho ny ota tsy nahy.

25/6 > Nomery 15 : 41

Izaho no Tompo Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo. Izaho no Tompo Andriamanitrareo.

26/6  > Salamo 147 : 3

Mahasitrana ny torotoro fo Izy

Sy mamehy ny feriny.

27/6 >Nomery 16 : 22

Dia nihankohoka izy roa lahy ka nanao hoe:  » Andriamanitra ô, Andriamanitrin’ny fanahin’ny nofo rehetra, olona iray no nanota , ka ho tezitra amin’ny fiangonana rehetra va  Ianao?

28/6 >  Salamo 58 : 2

Moa ny tsy fitenenana va ataonareo ho filazana ny marina ?

Mitsara mahitsy va ianareo, ry zanak’olombelona ?

29/6 > Nomery 18 : 20

Hoy Andriamanitra tamin’i Arona : « Tsy mba hanana lova eo amin’ny tany ianao sady tsy mba hanana anjara eo aminy. Izaho no anjaranao sy lovanao eo amin’ny Zanak’Israely ».

30/6 > Salamo 60 : 4

Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao.

Hatsangano noho ny fahamarinana