INDRO zaraina aminao mpamaky fahatsiarovana vitsivitsy tamin’ny fotoanan’ny Pasaka fahiny tao Farihimena. Vitsy ny olona avy Antananarivo no mamonjy io fotoana io. Ny ankamaroany dia ny manodidina an’i Farihimena sy Antsirabe. Ny mpitandrina koa moa dia samy mikarakara ny fitandremany.Ary tsy hanomezan-tsiny azy izany. Fa izay tonga dia hifaliana. Fa i Pasitora Ramarolahy Jonah avy amin’ny Fiangonana Loterana izay miandraikitra an’i Farihimena no tafaraka aminay tamin’izany fotoana izany.

Aorian’ny sakafo maraina no manomboka ny fotoana any am-piangonana. Ary mifarana alohan’ny sakafo hariva. Tsy dia misy programa voasoritra ho an’ny andro iray fa toy izao no fandehany. Ny toerana hihaonana sy hiangonana dia efa tao amin’io Fiangonana ankehitrio. Naorina io satria noheverina fa ho betsaka ny olona ho avy any aoriana any. Talohan’io dia ilay Fiangona-kely izay natao Sekoly ary natao toerana hiara-misakafo rehefa tonga ny mpamonjy ny fotoan-dehibe.

Tao amin’ny Fiangonan-dehibe dia tsy mbola nisy dabilio afa-tsy ny manodidina ny rindrina fa mipetraka ambany ny mpiangona, izay efa antitra na tsy salama ihany no mipetraka amin’ny dabilio. Ny hariva dia ilaina ny mitondra akanjo mafana ary na dia bodofotsy aza fa tena managatsiaka. Ny trano fiangonana moa rehefa Pasaka tsy feno. Fa eo amin’ny atsasany eo ihany. Amin’ny hariva na ny vao maraina dia « Lampe à pétrole » lehibe no manazava fa tsy mbola nisy ny « électricité. Ranaivoson Prosper dia nihevitra ny tokony handinihina ny amin’io .Ary dia mifaneritery izany mba samy ho tratran’ny hazavana daholo. Sarotra ny mamelatra fihirana na mamaky baiboly satria tsy ampy ny hazavana.

Ny maraina dia fotoana malalaka. Ary samy afaka mandray anjara : na amin’ny hira na amin’ny vakiteny na amin’ny vavaka na amin’ny fampianarana. Ireny fotoana ireny koa na nahitako fa samihafa ny « fampianarana » sy « toriteny ». Tsikaritro anefa fa izany rehetra izany dia misy fiomanana. Mbola i Ranaivoson Prosper no mampiomana ny olona izay te-handray anjara ny am-pitso. Tadidoko tsara ny teniny hoe : « rehefa mamaky teny dia ataovy mazava ny fitenena. Aza miteny haingana sao tsy ren’ny olona. Tahaka izany koa ny vavaka. Raha manao fampianarana ianao dia jereo matetika ny olona fa aza miondrika ao amin’ny teksta ao. Ho an’izay tsy mahay mamaky teny dia ny hafa afaka mamaky ho azy ary tsara ny hilazana azy mialoha ». Rehefa vita io fotoana malaka io dia misy fiaraha-misotro dité ao amin’ilay sekoly. Mba hodim-bavony kely dia dité sy menakely na mofo gasy no naroso tamin’izany. Tena mamy. Ho famaranana ny maraina dia misy fanompoam-pivavahana ary ao no misy toriteny ataon’ny mpitandrina. Ao koa ny fotoanan’ny Fampaharezana. Nafaran’i Ranaivoson Prosper koa « fa na dia miteny mafy aza ny mpiandry dia tsy ilaina ny mihikika, satria zava-dehibe ny hahafantaran’ny olona mazava ny teny lazaina ». Eny, misy ny mitomany noho ny antony izay ilay olona ihany no mahalala izany. Ary dia mampionona azy moramora miteny ao an-tsofiny ny mpiandry fa tsy mbola mametra-tanana raha tsy ilay olona no mangataka izany. Hampahatsiahiviko eto fa alohan’ny Fampaherezana dia miantso ny mpitarika ho amin’ny fibebahana na ny fandinihan-tena . Indraindray dia misy ireo olona izay mifanatona mba hifamela heloka fa nisy olana nampisaraka an-drizareo. Nifanatrika nifandohalika ireo olona roa ireo. Ny mpiandry dia nanaja io fotoana io ary tsy nanatona fa nivavaka mangina. Tsy misy mahalala izay teny nifanaovany teo afa-tsy Andriamanitra irery. Maro ny olona no niverina ny fihavanany ary dia feno fifaliana. Alohan’ny Fampaherezana mantsy dia misy io fotoana fohy io izay antsoina hoe  » fotoanan’ny Fifamelan-keloka ». Ary zava-dehibe izany. Tsy nataotao foana na hamonjena voninahitra fa tena hiainana. Raha misy mbola tsy vonona dia tsy terena fa avela hiasa ny Fanahy Masina hoy Ramatoa Ralisoa. Nazava tsara tamin’ny olona ny atao hoe : fotoana malaka ary fiara-mivavaka tsotra. Ary ny fanompoam-pivavahana izay manaraka ny litorjia.

Avy eo amin’ny fanompoam-pivavahana dia miroso amin’ny sakafo atoandro ao amin’ilay sekoly.Tamin’ireny fotoana ireny koa no nankafizana ny kitoza, na ny trondro maina satria tsy misy mpivarotra any. Fa izay naroso dia tsara avokoa nefa dis tsotra dia tsotra.

Ao aorian’ny sakafo atoandro dia mitohy ny fotoana malalaka. Tsy dia betsaka ny olona satria eo no mba fotoana hihiratan’ ny masoandro ary misy hafanana kely ka mamonjy mikarakara voly sy ny omby any am-pahitra sy ny hohanina ny am-pitso ny tompon-tany. Fa rehefa tonga kosa ny fanompoam-pivavahana famaranana ny andro dia tonga daholo ny rehetra. Ary alohan’ny hiravana eo amin’ny adiny iray mahery eo dia misy fitantarana ny amin’fiainan’i Dadatoa Rakotonzandry. Misy olona iray na roa na telo mifandimby.

Fa ity anakiray ity dia tena mamiko. Nolazain’ny vehivavy mpiandry iray izay niara-niasa taminy, fa indray andro dia nihira i Dadatoa Rakotozandry. Ary izy irery no nihira. Kanefa izay nahare azy dia nahare feo hafa koa niaraka nihira taminy. Gaga ny mpihaino. Hay niaraka nihira tamin’ny anjely i Dadatoa. Tsy hay tantaraina ny hatsaran’ny feo, feo madio hoy izay nahare izany.

Ny zavatra iray hafa nahalasa eritreritra ahy dia tamin’ny fanompoam-pivavahana. Mbola ankizy moa tamin’izany. Fantatsika fa fomba any Madagasikara ny manao rakitra manodidina ny alitara ary mbola mitohy amin’ny fiangonna malagasy aty am-pita izany. Nisy rangahy efa lehibebe ihany. Rehefa miakatra ery amin’ny alitara izy dia mitomany ary mandohalika izy mandeha manodidina eny. Io alitara io dia lehibe ary nisy sary lehibe tery anoloana tery. Tsy hanao famotorana « psychologique » na « psychanalitique » aho hoe : inona no anton’izao.Tsy mbola nahatakatra izany ny saiko tamin’izany. Fa anjaran’izay te hikaroka ny manao izany. Na dia manana izay valiny aza aho aty aoriana. Nandritra ny Pasaka in-telo taona nisesy dia izay no nitranga tamin’io rangahy io. Efa ela izy vao afaka tamin’izany. Ary hoy izy : « izay aho vao velona ». Tsy nisy nanontany ny antony na nisikotra azy. Satria azy manokana izany. Nanaja ny tantarany ny rehetra. Ary fifaliana lehibe ny fiarahana aminy. Nampahery olona maro izy taty aoriana fa saingy tsy nanao mpiandry. Izaho tsy voantso amin’izany hoy izy. . Ny fotoanan’ny Zoma masina sy Alakamisy masina ary Pasaka moa dia misy Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo ihany koa toy ny fanompoam-pivavahana rehetra. Araka ny fomba fanao Loterana dia mandroso tsikelikely eny amin’ny alitara araka ny isa mahafeno izany ary dia mifandimby mandray ny mofo sy divay. Mbola tsy mpandray aho tamin’izany. Tsy nanavao ahy izany na dia tsy nahazatra ny fiangonana nihaviko aza.

Ny alatsinain’ny Pasaka dia andro fodianay. Faly ery hody nefa koa malahelo an’ireo mpiandry tanana famantananay. Tsy maintsy misaraka anefa. Dia miverina indray ary eny an-dalana tsy miato ny hira. Ny lalana moa Tana Antsirabe dia fantatrao fa voahaingon’ny « Mimosa » sy ny voninkazo « Cosmos ».

Ny Mimosa dia hahatsiarovako ilay ala ny mimosa eo Farihimena ery ambany tanana ery. Io no toerana hisindan’i Dadatoa Rakotonzandry ary mivavaka ao izy hoy ireo izay nahalala azy, satria mbola nisy velona izy ireny tamin’izany fotoana izany. Ora maro no handohalehany mivavaka. Ilainy izany fitokanana izany mba hifantohana amin’ny vavaka sy ny fiainam-panahy. Tsy manakana ny fiarahana amin’ny hafa amin’ny fotoana hafa anefa izany.

Indray mandeha isan-kerinandro dia misy tsena kely eo akaikin’ny tanana ary misy fivarotana poma. Io no voakanjo malaza amin’iny faritra iny . Rehefa mody izahay dia nampitondrain’ny mpampiantrano anay poma maina. Samy matsiro na ny vao notohazana na na ny maina. Tsitsina ery ny fihinana azy mba tsy ho lany haingana.

Eh tsy handry ny hiverenana amin’ny volana Aogositra. (Mbola hitohy ….)