ANGAMBA alohan’ny hiresahatsika ny momba an’i Farihimena dia tsara raha faranatsika ny momba an’i Dadatoa RAKOTOZANDRY.

Betsaka tokoa ny olona no tonga mamonjy an’i Farihimena. Tonga koa ny marary mba ho sitranina : jamba, boka sy ny sisa ary dia nisy tokoa no sitrana. Misy ny tsy mbola miaiky ny fahotany na tsy miova ny fianakaviany ka tsy sitrana , nefa misy izay nolazain’i Dadatoa fa tsy fantany ny antony tsy nahasitrana azy.

Tany amboalohany dia tsy faly tamin’ny zavatra nitranga tany Farihimena ireo Pastora namany satria nialona azy, nefa nony nahita ny sy nadreha ny toriteny natao’i Dadatoa dia resy lahatra. Saika niezaka nitoriteny tokoa mantsy Dadatoa tamin’ny fotoana iraisana na tany Betafo izany na tany Antsirabe na tany Antanifotsy aza tamin’ny fivorian’ny isan-keritaona.

Betsaka koa ny Katolika no nanatona satria nangataka tsy ho very anjara amin’ny fahasoavana. Tsy mba no haharaotin’i Dadatoa nanjonona ny katolika hivadika amin’ny finoany anefa izany. Ilay afom-pinona anefa dia nandrehatra koa ny finoan’ny katolika na dia nodian’ny mpitondra tsy ho fantatra aza izany. Na izany aza dia misy tokoa ny katolika no tonga manatrika ny fotoam-pifohazana. Nisy indray mandeha katolika nitady fanasitranana, nasain’i Dadatoa nangataka tamin’ny pretra izy alohan’ny iasany taminy. Nanaiky ny pretra ary dia nositranin’i Dadatoa izy. Noho izany dia vao maika nanmpitombo ny fifandraisan’ny Fiangonana roa tonta izany.

Fa etsy andanin’izany tena tao anatin’ny fotoana ny tabataba tamin’ny taona 1947 no nitrangan’ny fifohazana tany Farihimena, noho izany dia mailo ny fitondram-panjaka mpanjanatany. Voantso tany amin’ny lehiben’ny distrikan’i Betafo i Dadatoa. Tsy sahirana izy nilaza fa mety misy tokoa mpanao politika tonga manatrika ny fotoana saingy ny fampatsiahiavana amin’ny tsirairay ny fahotany no nataony ary ny fiadiana amin’ny ody sy ny sampy fa tsy misy resaka politina mihintsy.

Fa toa tsy ampy an’i Dadatoa intsony Betafo sy ny manodidina azy. Nanahy izy fa toa tsy mandeha loatra araka izay niheverany azy ny fitaran’ny Filazantsara, noho izany dia nana-pikasana izy ny handeha hiampita ranomasina hanohy ny fianarany. Noresahiny tamin’ny manodidina azy izany ary nangatahany tamin’izy ireo mba hitondrana izany amin’ny vavaka.

Ny fahasalamany anefa dia niharatsy andro aman’alina. Betsaka ny olona no miteny amin’ny ny tokony hitsinjovany ny fahasalamany. Izao mazàna no havalin’i Dadatoa : »Betsaka ny trosa mbola tsy efako amin’ny Tompo » Indray mandeha izy dia nilaza fa afaka telo volana dia handao an’i Farihimena. Noheverin’ny olona fa ilay fikasany hiampita ranomasina io lazainy io.

Ny 9 Novambra andron’ny fandraisana dia marary be tsy afaka nitsangana tao am-pandriana izy, ka nagataka mba ho solona amin’izany. Tonga nampahery azy Ravelonjanahary. Ary teo no nilazany tamin’i Neny fa antsoin’ny Tompo hiala sasatra any aminy izy. Ny 13 novambra telo volana tao aorinan’ny nilazany izany dia nandao an’i Farihimena izy fa natsoin’ny Tompo ho any aminy.

Izay tena nampanahy dia ny hoe rehefa lasa ve i Dadatoa dia ho foana ny fifohazam-panahy tao Farihimena.

Naharitra anefa izany satria nanana olona foana ny Tompo eny fa na dia tsy toa an’i Dadatoa aza no fiheveran’ny olona azy ireny.

Farihimena dia nanana ny maha izy azy teo amin’ny tantaran’ny Fifohazana teto Madagasikara. Natsoin’ny maro hoe : »Toby Masina izy ary betsaka no mihevitra azy ho tahaka ny tendrombohitr’i Ziona . Farihimena dia tena toerana very any an-efitra ary raha tsy olona tena vontom-pinoana tsy handeha any mihintsy. Saro-dalana be ny mandeha any ka ny andro fahavaratra dia tena tsy azo aleha ny lalana. Fa na dia amin’ny andro maina aza dia misy faritra sasany tsy maintsy handehana an-tongotra. Tsy nanakana ny olona tsy handeha any Farihimena anefa izany. Farihimena dia any aminy 2000 metatra ambonin’ny ranomasina noho izany dia tena mangatsika tokoa any amin’ny ririnina. Nefa tsy namefy ny olona tsy hamonjy an’i Ferihimena izany amin’ny volana Aogositra, izany hoe amin’ny ririnina.

Fa ahoana ny nahatonga ny anarana hoe Farihimena. Pastora RASOLOFOMANANA Joseph ao amin’ny boky : »Ny tantaran’ny Fifohana eto Madagasikara » dia milaza hoe : » Misy farihy tsy mety ritra ao andrefan’ny Fiangonana ankehitriny ao. Eny an-tsisin’io fàrihy io mantsy dia anirian’ny ahitra madinika atao hoe HAREFO. Amin’ny fiandohan’ny taom-pararano dia manopy menamena ny lokon’ireny harefo manodidina azy ireny, ka miteraka taratra mena ao amin’ny ranon’ny farihy. Hany ka nony jerena dia mena koa ny ranon’ilay farihy. Dia izany no nanomezana ny anaran’ilay farihy hoe : Farihimena. • Eo an-dafy atsimon’io farihy io kosa, dia misy tanàna feno trano maromaro, io no tanàna mahavery anarana ilay farihy hoe : Farihimena. Teo no niorenan’ny fiangonana taloha, fa Itompokolahy Pastora RAZAFINDRABE Martin no namindra azy ho ety an-dafy atsinanana akaikin’ny arabe mankany Faratsiho voalaza teo ambony, mba hahamora ny fikorisan’ny fiarakodian’ny mpamangy. Dia io mbola tazantsika eo ny fiangonan-kely talohan’io trano vato lehibe vao natao io. Hany ka na dia efa nafindra lavidavitra kely ny tanàna Farihimena taloha aza ny Fiangonana, dia mbola mitondra ny anarana ihany hoe Farihimena izy. Ary dia natao ho anaran’ny fitandremana vaovao koa izany fa fitandremana Manarilefona no nahalalana azy izay ela izay. Fiangonana dimy no miray fileovana ao amin’io fitandremana io dia ireto avy Farihimena, Morarano, Ankavodiamaro, Antanetitelo ary Ampananobe. »

Raha vao nitranga ny Fifohazana Farihimena ny nampiavaka azy dia fahitany ny olona mitomany amin’ny fotoam-pifohazana, ny fahitana olona miakanjo fotsy, ary ny vehivavy nanary ireo firavaka fanaony.

Zanaky ny Fifohazana moa no niantsoana ny mpanaraka ny fifohazan’i Farihimena, na dia tsy dia izany loatra aza no tian’i Dadatoa fa hoy izy : amiko dia ny teny hoe : Zanaky ny Filazantsara no ankasitrahako. Isan’ny nadrabirabian’ny olona ny Zanaky ny Fifohazana ny mitomany. Betsaka no nihevitra fa manetsikeloka ny ankamaron’ireo mitomany. Mety ho marina izany, manampy izany koa moa ao anatin’ny fiangonana feno tomany dia voasarika hitomany koa ny tena. Nefa dia nisy tokoa ny nitomany ary ny nitomaniany dia noho ny fahotany. Voatsindrona am-po ny olona ka tsy mahatana ranomaso intsony. Nitranga moa tamin’izany ny filazana fa raha tsy mandoa dia tsy nibebeka. Nolavin’i Dadatoa io. Nety nisy nadoa tao amin’ny mpivory nefa noho ny antony ara-pahasalama ihany no nahatonga izany.

Nisy koa ny nihevitra fa tsy tokony hifaly na hampiseho fifaliana loatra ny Zanaky ny Fifohazana fa ho olo-tsotra ka hanala izay mety ho fisehon’izany aty ivelany. Tsy nandrara ny olona tsy hifaly i Dadatoa ka hampiseho izany amin’ny sakafo sy ny fihinanana fa aminy dia izay lazain’ny Soratra Masina dia hoe  » Ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinana na ny fisotroana fa fahamarinana sy fiadananana ary fifaliana ao amin’ny fanahy Masina  » (Rom14 :17). Tsy ny tarehim-pifaliana no maha-kristiana ka tsy tokony ho entina miedinedina izany.

Maro koa ireo nilaza fa tsy ilaina intsony ny fanafody. Nisy aza no nilaza fa tsy tsara na dia ny mihinana gateau, biscuit, bonbon… aza. Tsy nandrara ny fakana fanafody amin’ny dokotera vita fianara velively i Dadatoa. Nolaviny izany hevitra mamohehatra izany. « Raha inoanao fa mahasitrana anao ny fanafodin’ny dokotera hoy izy dia hano na sotroy. Nefa hoy izy akoatry ny fahaizan’ny dokotera dia ao koa Andriamanitra. » I Dadatoa moa dia efa notsaboin’ny dokotera fony izay niditra hopitaly tao Andranomadio.

Fa ho famaranana dia andeha ho jeretsika ny fifohazan’i Farihimena sy Antananarivo. Marina fa talohan’izao dia efa nisy ny fifohazana tonga hatraty Antananarivo. Ny fifohazan’i Sotanana ohatra dia nandefa iraka ka tonga hatraty Antananarivo izany. Isam-bolana dia efa nanao ny fivorian’ny Voatsinampy ry zareo izay hamangiana fiangonana iray eto Antananarivo. I Manolotrony dia tonga foana ary teny Anosivavaka indrindra no novangian’i Neny Ravelonjanahady isan-taona amin’ny 8 septambra. Vatotsara moa dia nanana fifandraisana manokana tamin’Anosivavaka noho ny zava-nitranga tamin’ny taona 1929. Nefa azotsika laizaina fa ny Fifohazan’i Farihimena no tena nanenika an’Antananarivo. Betsaka ireo fiangonana no nanorina sampana Zanaky ny Fifohazana vokatry ny fifohazam-panahy nitranga tany Farihimena. Ho an’ny Fiangonana sasany dia niteraka ady tao amin’ny fiangonana izany. Maro ireo Zanaky ny Fifohazana no mirehareha ka tsy nanaiky mihintsy ho tao ambanin’ny Fiangonana. Tsy vitsy ny fiangonana no nandrara ny hananganana ny sampana fifohazana tao aminy. Nefa mahay zavatra Andriamanitra, niantso olona iray mpiasan’ny lalamby izy handravona izany sy hampianatra ny zanaky ny fifohazana. Tsy iza izany fa Atoa RANAIVOSON Prosper na Dadanaivo no niantsoana azy. Izy niaraka tamin’i RALISOA vadiny no nanory isan-kerinandro ny Zanaky ny Fifohazana tao an-tranony tao Antohomadinika nampianatra sy nivavaka. Izy koa niaraka tamin-ry Atoa RANDRIAMIADANARIVO Mpitandrina no niezaka hanangana ny Fifohazan’ny FFPM. Nilaina izany satria efa nanomboka niady ireo Fifohazana izay samy nanindrahindra ny Toby niaviany sy nikasa hanagana fiangonana manokana ho azy.

Ireo mpitarika ny fifohazana dia tena nitandro hatrany ny fihavanana. Tonga nitsidika matetika tany Farihimena i Neny RAVELONJANAHARY ary ny 17 septaùbra 1952 dia nadeha nanamgy an’i Sotanana ny Fifohazan’i Farihimena. Ineny VOLAHAVANA Germaine (Nenilava) moa dia tsy tapaka tonga mamonjy fotoam-pifohazana tany Farihimena isaky ny 25 sy 26 Aogositra . Ny Mampalahelo anefa dia ny mahita ny mpanaraka ny Fifohazana miady. Misaota an’Andriamanitra isika fa tafatsangana teo anivon’ny FFPMA ny Sampana Fifohazana. Amin’ny manaraka isika dia hijery indray ny momba an’Ankaramalaza sy Ineny VOLAHAVANA Germaine.