Mivavaka Aminao izahay Tompo Andriamanitra ô. Tsinjovy ny fianakaviana ao anatin’ny fisarahana sy ny adi-tsaina ary tratran’ny adilahy isan’andro.

Mivavaka ho an’ny ray amandreny tsy mandray andraikitra intsony ny fitaizana ny zanany. Mifanilika ny mpivady fa hoe “zaza maditra”. Ao ireo izay tsy mety hiverenan’ny zanany ao an-trano intsony.

Ao koa ny ray amandreny variana amin’ny fisehosehona ka mifaninana ny hitovy amin’ny zanany. Hany ka hadino ny toerana maha ray amandreny.

Mivavaka ho an’ny zanaka ao anatin’ny fahatanorana. Ka mihevitra fa tsy misy toa azy fa foe : mahery sy matanjaka ara-batana. Tsy mifampiteny intsony amin’ny ray amandreny. Hany ka hadino ilay hoe “manajà ny rainao sy ny reninao”.

Ao misy ray amandreny ary koa zanaka tena mifankahala lalina. Toa lasa pifahavalo aza. Ary miteny ny tsy hifandevina raha maty.

Mivavaka  ho an’ireo izay nanapaka ny fihavanana ka tsy mifanerasera intsony. Ao ireo milaza fa tsy fantany akory izay havana.

Tompo ô, nalahelo aho nahita fianakaviana voasaratsaraka noho ny hevitra tsy mitovy vokatry ny hevitra ara-politika, ara-tsosialy, noho ny lalao, noho ny fivarotan-tena, noho ny tsy fisiana. Maro ireo manao ny vola ho andriamanitra ary naka ny toeranao. Misy ny tratran’izany na dia efa kristiana aza.

Mivavaka ho ireny rehetra ireny izahay n’inona n’inona olana na toetra miseho. Nantsoina izahay  hivavaka ho azy ireny fa tsy hanenjika na handatsa. Sarobidy amin’Andriamanitra ny olona tsirairay na dia manahirana  aza. Isika koa sarobidy amin’Andriamanitra. Ho tahiny ny rehetra. Tahaka izay nataony. Amena

Raha tsy vitanao ny mivavaka ho an’ny ankohonanao satria sarotra loatra izany noho ny zava-manjo anao. Dia hangataho aloha ny Fanahy masina hanampy anao sy hanasitrana ny fonao. Ary mangataha famela-keloka amin’ilay Andriamanitra Fitiavana. Fa tiany na ianao na ny ankohonanao ary tsy handiso fanantenana anao Izy.Mahareta.