Niara-nivavaka izaho sy Eglantine androany. Ary zarainay aminao izany.

“ Mivavaka izahay :

Ho  an’ireo izay tia mihazakazaka ka mihevitra ireo izay tsy maharaka ho manimba ny asany. Mety ho marina izany nefa samy manana ny heriny ny tsirairay hahatontosainy ny fikasany.

Ho an’ireo izay vesaran’ny trosa:

trosa fa tsy naloha hofan-trano, tsy nahatafaverina ny vola nosamborina.   Trosa amin’ny mpivarotra madinika. Tsy ny ara-bola ihany fa ny zavatra mety nimdramina.

Ho an’ireo tia kely ka manambaka ny hafa. Mivelona amin’ny kinafinafina sy ny lainga. Ary dia voafatotr’izany.

Ho an’ireo mpitantara valamaty sy be resaka  ka te- hiseho ho tsara eo anatrehan’ny hafa.

Ho an’ireo tia mitsikilo satria te hampiady ny hafa.

Ho an’ireo tia dokadoka ka tsy miasa raha tsy mahazo izany.

Ho an’ireo izay kamo satria manantena ny hafa hivelomany. Nefa koa mety ho tsy fahasalamana no nahatonga izany.

Tsapanay fa very ny fifampahatokisana Tompo ô! Koa ampio izahay hiverina Aminao amin’ny fanavaozana ny sainay.

Mivavaka koa izahay ho an’ireo izay mazoto nefa noho ny fahantrana dia tsy afaka mianatra.

Ho an’ireo mana-pikasana tsara nefa tsy mahatanteraka izany.

Ho an’ireo izay feno fifaliana ka te-hizara izany amin’ny hafa.

Ho an’ireo mpiara-miasa aminay na dia misy olana  aza tsindraindray. Nefa ny fiaraha-miasa no nahatontosa ny asanay.

Ho an’ireo izay mivavaka ho anay sy ho an’ny hafa.

Mampianara anay Tompo hatoky Anao mba hahazonay matoky ny hafa. Amena”