Maika dia maika ny olona hivavaka ho any am-piangonana fa tonga  indray ny “herinandro masina 2011”. Tsy misy mahadiso izany. Ny  trano fiangonana manampy ny olona hifantoka tsara hivavaka fa tsy hivezivezy atsy sy aroa ny sainy.Ny trano vato, na trano lay miaro amin’ny hatsiaka, ny orana, ny rivotra ary ny haina’andro. Fa ho an’izay tsy manana izany na tsy tody any am-piangonana noho ny tsy fahasalamana, na ny asa, na antony hafa, inona no azo atao?

Tsaroana i Abrahama izay “rain’ny mpino” nametraka vato tamin’ny toerana rehetra nadalovany ho marika  hahafantaran’ny mpandalo fa toerana nivavahana teo.”

Jesosy koa rehefa nivavaka nizara ny mofo ho an’ny olona mihoatra ny dimy arivo dia teny an-kalamanjana no nanandratra ny feony tamin’Andriamanitra. Ary nisaotra.

Teo ambony hazo fijaliana koa dia nivavaka tamin’ny alalan’ny hira Izy hoe : « Andriamanitra ô, Andriamanitra ô , nahoana no dia mahafoy ahy Ianao » ?

Maro no te-hivavaka nefa tsy ho tody any am-piangonana. Tsy misy azo hanomezan-tsiny izany.Eo amin’ny toerana heverinao fa mety hifandraisanao amin’Andriamanitra satria tsy voakotaba ianao dia azo atao izany.

Eto an-tseza jaridaina iray aho no mivavaka mangina mandra-pahatongan’ny zotra fitanterana izay tsy mandalo raha tsy afaka atsasakadiny mahery.

«  Misaotra anao Tompo raha mbola velon’aina ka afaka miresaka Aminao.Vita iny ny asa natao izao alatsinainy izao ary dia efa mahatsiaro sasatra sahady ny tena. Ahoana re no ataoko rahampitso? Iza no hampahery ahy, indrindra amin’izao mampisavorivory izao tontolo izao.

Tsaroako etona ireo tany rehetra izay niharan’ny horohorontany. Ao anatin’ny adi-tsaina ny mponina any.  Misaotra Anao noho ny amin’ireo olona marobe izay nitondra fanampina ho an’izay voina.

Mety ho hadino tokoa mantsy izy ireny rehefa  mifantoka amin’ny zavatra hafa indray ny saina. Tsy misy olona mahavita tena mantsy fa tsy maintsy mifanampy. Na dia ho an’ny olona tsy fantatra aza. Fampianarana hitia ny hafa koa izany mba tsy ho voagezan’ny fitiavan- tena izahay. Malahelo tokoa mahita ireo fianakaviana namoy ny havany. Tsy mana-kialofana intsony. Sarotra ny mahita sakafo. Ary ny fitaintaina dia mbola tsy mitsahatra.

Na dia ao aza ny ezaka ataon’ny olombelona amin’ny fanampina dia bitika izany ary tsy maharitra. Fa ny herin’ny Fanahy masinao sy ny fitiavanao no mameno izay tsy vitanay. Tsy hita izay teny lazaina eo antrehan’ny fahorina. Rava ny trano fonenana, rava ny toeram-pivavahana nefa tsy mahasakana ny dinidinika atao Aminao izany.

Ilay trano hivavahako ankehitrio dia hisaorako Anao satria ato am-poko.Renao ny sentoko sy ny fanantenako Anao.

Omeo fifaliana sy fanantenana koa ireo izay kivy.

Misaotra Tompo, noho ny fahafahana lehibe nahazoko nidinidinika taminao teto amin’ity toerana ity.  Amena  »