1/4 > Matio 18 :3

Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dis tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo.

2/4 > Matio 8 :20

Fa na aiza na aiza  no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho

3/4 > Matio 18 :33

 » moa tsy tokony mba hamindra fo tamin’ny mpanompo namanao koa va ianao tahaka ny namindrako fo taminao ?  »

4 > Salamo 119 :125

Mpanomponao aho, ka ampianaro,

Mba ho fantatro ny teni-vavolombelonao.

5/4 > Salamo 119: 170

Aoka anie ho tonga eo antrehanao ny fifonako

Vonjeo aho araka ny teninao.

Miditra amin’ny bokin’ny Fitomaniana isika izay milaza nanjo an’i Joda sy Jerosalema.

6/4 > Fitomaniana 1 :11

Misento ny olona rehetra, mitady hanina. Eny, hatakalony hanina ny zava-tsoany hamelombelona ny ainy.

7/4 > Fitomaniana 2 :11

Pahina ny masoko azon’ny ranomaso, mandevilevy ny foko. Naidina tamin’ny tany ny atiko noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy. Sy noho ny ankizy madinika sy ny zaza minono izay ana eny an-kahalalahana ao an-tanàna.

8/4 > Fitomaniana 3 :6-8

Nofefeny manodidina aho ka tsy afa-nivoaka, nataony mavesatra ny gadrako. Ary na dia mitaraina sy minanana aza aho, dia tapenany ny fivavako.Vato voapaika no narafiny natampiny ny làlako, naolokoliny ny alehako.

9/4 > Fitomaniana  3: 22-23

Ny famindrampon’Andriamanitra no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany. Vaovao isa-maraina izany, lehibe ny fahamarinanao.

Ny Tompo Andriamanitro no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho.

10/4 > Fitomaniana  3:40

Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin’ny Tompo Andriaman

11/4 > Fitomaniana 4 :19

Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin’ny lanitra. Ka miolomay manenjika any an-tendrombohitra ary manotrika anay any an-efitra izy.

12/4 > Fitomaniana 5: 21- 22

Tompo Andriamanitra ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay. Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay.

Moa dia nandà anay tokoa va Ianao sy tezitra aminay indrindra ?

Miverina amin’ny filazantsaran’i Matio isika

13/4 > Matio 19 : 9

Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga, ary izay mampakatra ny voasaotra dia mijangajanga koa.

14/4  > Matio 19 : 29-30

Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako hoy ny Tompo, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay.

Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.

15/4 > Matio 20 : 16

Dia toa izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.

16/4 > Matio 20 :26

Fa tsy mba toy izany aminareo, fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo.

17/4 > > Matio 20 : 10

Ary nony efa tafiditra tany Jerosalema Izy, dia nihorakoraka ny tanàna rehetra ka nanao hoe : « Iza moa izao ? «