NA dia efa noresahitsika ihany aza ny momba an’i Baba RAJAOFERA tamin’ny niresahana ny 8 septambra, dia indro izahay manolotra eto ny momba an’i Baba RAJAOFERA araka ny nitsongain-dRamatoa Hanitra Ratovoarisoa azy tao amin’ny « TANTARAN’NY FIFOHAZANA ETO MADAGASIKARA 1894-1990 », izay nosoratan’Atoa Rabehatonina James

Ny fiainany

Zanaka « Pastora » sady manan-drahalahy Pastora. Voataiza tamin’ny Filazantsara sy nilomano tanteraka tao anaty fiainana kristiana. Mahafantatra tsara ny Soratra Masina ary mandray andraikitra feno teo amin’ny fampandrosoana ny Fiangonana. Ireto avy ny andraikitra notanany tao amin’ny Fiangonana

Mpampianatra Sekoly Alahady, Mpampianatra hira (chorale), Mpitendry zava-maneno

Tamin’ny hafanam-po no nanaovany izany andraikitra izany. Kristiana teo anatrehan’Andriamanitra izy sady nitondra tena tsy mana-tsiny araka ny didy sy fitsipika rehetra nomen’ny Tompo… Kristiana Mpandray fanasan’ny tompo, nitandrina ny didin’Andriamanitra hatramin’ny fahazazany…

Misy hetaheta tsy hay lazaina nampahory ny fanahiny. Toa tsy tena azony antoka ny fananany ny fiainana mandrakizay. Ny famonjena dia vitan’i Jesoa Kristy kanefa toa tsy tsaroany misy fiaitraikany amin’ny fiainany izany.

Raha teo amin’ny ara-nofo tsy dia nisy zavatra nampahory azy loatra satria tsy mba sahirana tamin’ny asam-pivelomana izy… Manana talenta tamin’ny fakan-tsary, nanao ny asan’ny Polisy, niasa tamin’ny hopitaly (infirmier …), nanangona hajia…Taty aoriana, dia nivaona tanteraka ny fiainany, satria nangetaheta te-hanakarena izy ka lasa nitady làlana hahazoam-bola. Nifototra tamin’ny fambolena indray izy. Tsy afa-po tamin’izany anefa izy ka lasa mpamboatra toaka gasy. Niha-nitombo ny hantsana nampisaraka azy tamin’ny Tompo. Nanana aretina nitaiza azy tao amin’ny kibony izy ka matetika nahavery hevitra azy. Voan’ny aretina atao hoe rongatra koa izy ka tena nijaly fatratra ery.

Nivavaka mafy ho azy ihany ny Raiamandreniny sady nandatsa-dranimaso be. Ny zana-dranomaso toy izany dia tsy mba ho very mihitsy fa ny zavatra rehetra dia samy manana ny fotoany avy…

Tamin’ny taona 1927 dia efa nielim-patrana hatrany Antsirabe ny asa mahagaga nampanaovin’ny Tompo an’i Neny Ravelonjanahary. Nirohotra nankany Ambalavao ny olona. Feno mandrakariva ny « taxi-brousse » avy any any Antananarivo nitondra olona hanao fivahiniana masina any Manolotrony.

Ny hafanam-po sy ny toetra zatra mihetsiketsika, ary ny saina tia karokaroka tao aminy no nahatonga azy hanapa-kevitra mba handeha hizaha izany zava-mahagaga tsy afaka ambavan’ny maro izany. Nanantena koa izy fa hahazo fanasitranana amin’ny aretin-kibo nampahory azy sy nofy mampandehandeha azy amin’ny alina (somnambule).

Rehefa tonga tany Manolotrony i Rajaofera dia talanjona nahita ireo olona marobe milahatra miandry ny anjarany ahazoany miditra ao amin’i Neny Ravelonjanahary. Koa satria maro ny olona mangetahaeta mila dinidinika sy mitady fanasitranana ary hihaona manokana amin’i Neny, dia voatery nilahatra koa izy niandry ny anjarany. Nandritran’ny fotoana lava no niandrasany tao ivelany fa tsy mety nahazo an’i Neny, tsy tampotampok’izay dia rafitra nihira samirery izy, hira somary malefadefaka aloha vao nitombo nihamafy hatrany. Variana nijery azy ny olona rehetra teo noho ny feony kanto dia kanto.

Tapaka ny heviny ka nampianariny hira ireto vahoaka sasa-miandry ireto. Tao an-trano i Neny Ravelonjanahary finaritra nihaino ny hira nataony ka naminany hoe : « iza loatra izany olona mihira izany… Antsoin’i Jesoa ho mpiara-miasa Aminy izany olona izany ka ampandrosoy izy ». Rehefa noraisin’i Neny izy dia nametrahany tanana taorian’ny dinidinika… nitamberina tao aminy avy hatrany ny fahatsiarovana ny fitaizana rehetra nomen’ny Raiamandreniny izay efa somary hadinony… Tsaroany fa ny tàna-maherin’ny tompo mihitsy no nitondra azy teo anatrehan’i Neny… Variana tamin’ny fihainoana ny fampianarana sy asa mahagaga nataon’i Neny izy. Niha-nazava taminy ny dikan’ny finoana kristiana. Sitrana tanteraka tamin’ny aretina nitaiza azy izy. Nahatsiaro fiadanana sy fifaliana ary fahasambarana satria tsapany fa ilay Jesoa Kristy lavitra azy teo aloha dia indro ankehitriny mandray anjara toerana ao aantiny. Feno ny Fanahy izy ka nidera an’Andriamanitra satria afaka tanteraka. Izay zavatra efa nampangetaheta azy hatramin’izay dia azony avokoa : ny fiadanam-po, ny firaisana amin’ny Tompo sy ny fiombonam-piaianana Aminy. Foana tanteraka tao aminy ilay hetaheta te-hanankarena. Nitsiry kosa ny faniriana te-hitory ny filazantsara…te-hanolotra satria mahasambatra tokoa ny manome noho ny mandray (Asa 20.35). Tsapany fa ny finoana nananany teo aloha dia ara-tsaina fotsiny. Nijanona teo amin’ny tokotanin’ny fahalalana ihany izy tamin’izany fa tsy nanova na inona na inona teo aminy ny fiainana nisalorany. Ankehitriny kosa sahy miteny tahaka an’i Paoly Apostoly izy hoe : « Tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko » (Gal 2.20).

« Voarain’ny Tompo tamin’ny vozoko aho ka nahodiny hitodika amin’ny asa-panomanana olona ho any aminy »

Rehefa izany, dia nitoetra teo anilan’i Neny Ravelonjanahary izy nandritran’ny volana maro mba handray fampianarana taminy sy nanampy azy tamin’ny fandraisana olona ary nitan-tsoratra ny amin’ny fizotry ny raharaha tao Manolotrony.

Ny asany

Zavatra maromaro ihany no nanosika an’i Baba Rajaofera handeha tany Manolotrony. Tao ny hetaheta te-hahita zavatra fotsiny. Tao ny fanantenana hahazo fanasitranana. Tao ny fitiavam-bola satria tao aminy ny fikasana haka sary an’i Neny Ravelonjanahary mba hamidy amin’ny olona rehetra te-hahalala azy… Hafa anefa ny hevitry ny Tompo fa tonga « fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anaran’ny Tompo » (cf Asa 5.15).

Tamin’ny Pasaka 1928 dia nody tany antokantranony izy. Nanomboka tamin’izay ny asa mahagaga nampanaovin’ny Tompo azy.

Nanatona azy ny marary isan-karazany ka sitrana tamin’ny alàlan’ny fametrahan-tanana. Mpitoriteny feno ny Fanahy ka nampibebaka izay rehetra nihaino azy izy. Zavatra maro no nanehoany ny voninahitry ny Tompo ka nahatonga ny lazany ho fantatra manerana ny Nosy.

Tao Ambohimanarina (Antananarivo)

Tamin’y 8 Septembre 1929 nifanitsy indrindra amin’ny fankalazana ilay sampy malaza teto Imerina nitondra ny anarana hoe Andriambodilova : Sampy maharo amin’ny loza samihafa sy ny aretina ; mampanan-karena (nefa mampalahelo koa) ; manome taranaka (nefa mampahamomba koa) sns… efa nijanona fotoana naharitra teto Antananarivo i Baba Rajaofera ka niely fatratra ny lazany. Nohararaotin’ireo mpanao gazty izany, izay nifanandrify indrindra amin’ny alakaosy( Vintana mahery, kanefa fotoana tsara hanandratana ny ody sy sampy sy fanaovana sorona mba hampitombo hasina azy). Fantatry ny mpanao gazety ny programan’i Baba Rajaofera sy 8 Septembre fa ho eny Ambohimanarina izay faritra misy ilay sampy malaza. Dia navoaka an-gazety ny lohateny miezinezina hoe « … HAMPIADY ANDRIAMANITRA IOMBONIMANANA SY RAJAOFERA ». zavatra vaovao tsy mbola fandre ny toe-javatra tahaka izany ka vetivety foana dia ren-tany ren-danitra ary tonga hatrany amin’ny faritanin’y Bezanozano ny resaka. Iombonimanana na Ramiaramanana dia mpisoron’ny fivavahana amin’ny sampy Andriambodilova izay nirehareha fatratra tokoa noho ny olona maro babony.

Taitra tokoa i Baba Rajaofera raha nahita ny gazety. Ny fotoana tqy azo ahemotra intsony. Nitokana nivavaka izy, nangata-pamelàna ho an’ny mpanao gazety. Tsapany mantsy fa tsy fahendrena ny mihantsy na manao « défi » fa ny kendren’ny filazantsara dia hanova ny fon’ny olona mba handraisany an’i Jesoa Kristy ho tompo sy Mpamonjy azy. Nivavaka naharitra tokoa izy mba ho tarin’ny Fanahy ny amin’izay tokony hatao manoloana ny fotoana efa raikitra. Ny tsy fahatanterahana ny fotoana dia atahorana hanimba ny raharaham-pifohazana ! Resy lahatra i baba Rajaofera « adin’i Jehovah amin’ny andriamanitra tsy izy izao ». Nampandrenesiny avokoa ny Mpitandrina rehetra mba hiombonam-bavaka amin’izany andro lehibe izany. Herinandro nialohan’ny higadonan’ny fotoana dia natao fotoam-bavaka isan-andro ny momban’io 8 Septambra io mba hanehoan’Andriamanitra ny voninahiny.

Maraina mbola maizina ny andron’ny 8 septambra dia feno olona nifanaretsaka ny lalana rehatra mankeny Ambohimanarina : hatrany gare Soarano ka hatrany anosivavaka Ambohimanarina. Ny zavatra mahagaga tamin’izany dia ny ao anaty Fiangonana anosivavaka mihira hoe « avia Jehovah Tomponay », ny any amin’ny gare soarano koa manao io hira io. Hita tamin’izany fa fa ny Fanahy mihitsy no mampihira ny olona. Toy izany avokoa ny hira nifandibiasana tamin’izany. Feno hipoka ny fiangonana Anosivavaka ka ny olona sasany lasa namonjy an’i Betafo sy anosisoa ary ambohimandroso. Ny sasany koa nivavaka tao ala-trano.

Etsy anilany kosa ireo mpison-tampy sy ny namany dia nanana ny azy. Marobe izy nizotra nankany amin’Andriambodilova. Nataony ny fomba fanasina rehetra : nively amponga, nandihy, nitsoka sodina, miteniteny sns

Tao am-piangonana dia nandroso ny fanompoam-pivavahana. Nohiraina impito ny Antema voalohany hoe : « Masina, masina, masina Jehovah Tompo ! Feno ny voninahitrao, izao rehetra izao, ry Tompo ô ! Amena ».

Injay nisy mazava lehibe tonga avy any an-danitra ka nihohoka tamin’ny tany ny olona. Ranomasom-pibebahana no hita teo amin’ny fiangonana ary indro nisy tahaka ny setroka niala tamin’ny alitara nandeha moramora, niditra nankany amin’ny olona rehetra. Miadana dia miadana ny fandehany, nefa ny mahagaga, dia izao, misy olona tsy tratrany. Nandalo azy fotsiny ny setroka. Ny tany an-tokotany koa dia nahita maso avy eny amin’ny lanitra ilay hazavana miavaka sy mahagaga toa boribory lehibe sahala amin’ny sahafa. Nihorakoraka avokoa ny olona rehetra nijery izany hazavana mitarehin’ny havana izany ary nanome voninahitra an’Andriamanitra. Ireo mpanompo sampy ireo kosa tsy nahavanona ny raharahany ka nody maina satria votsotra ny omby saika natao sorona. Ny fitahiana tsy azo, ny tena reraka, ny harena very sns…

Fehiny

Zavatra roa lehibe no nampiavaka azy ; dia fahaizana mamantatra ny zava-miafina ao ampon’ny olona sy fahasahiana milaza zavatra toa tsy mampino. Indray mandeha (ohatra) misy mpamosavy tonga hanakotaba azy mianakavy. Dia hoy izy tamin’ny vadiny : « Aza matahotra fa ho hitanao ao izy raha maraina ». Dia tanteraka tokoa ka tsy afa-niala teo ilay mpamsavy. Ny fiainam-bavaka nananany no nahazoany hery lehibe sy nanatanterahany asa mahagaga hatramin’ny fananganana amin’ny maty aza. Isaky ny hitoriteny dia tsy maintsy niomana mandrakariva izy. Mialohan’ny hahafatesany dia naminany momban’ny MDRM sy Pasteur Ravelojaona sy Dadatoa Rakotozandry Daniel ary Nenilava izy. Nodimandry tamin’ny 1936 izy rehefa nampanaovin’ny Tompo asa mahagaga tsy tambo isaina…

Hanitra RATOVOARISOA