MIZARA 2 ny toko faha-18

And.1-15 : Ny famangian’Andriamanitra

And.16-33 : Ady varotra amin’Andriamanitra

I. Ny famangian’Andriamanitra

Raha mijery ny tantara teo aloha , dia vao avy nandray anarana vaovao Abrahama fa tsy Abrama intsony.Ary Saray dia lasa Saraha. Nanova ny fifandraisany @Andriamanitra ve izany sa tsia ?

And- 1 : niseho tamin’Abrahama Andriamanitra.Hitan’Abrahama maso ve Andriamanitra ? Sa nanonofy izy noho ny toerana mahafinaritra feno ireo hazo terebinta teo amin’ny tananan’i Mamre. Amin’izao fotoana amin’ny tany sasany dia voasazy ny fakana foana ny terebinta raha tsy mahazo alalana. Hazo sarobidy mantsy izy ireny.Tena mijoalajoala ka mitondra rivodrivotra sy alokaloka, indrindra rehefa tonga ny hafanana. Hany ka mamelombelona ery. Izay no mahatonga an’i Abrahama mivady sy ny mpanaraka azy hitoetra eto. Noho izany dia nety ny nipetraka teo ambaravaran’ny lay. Teo Abrahama no nitoetra. Nahita ny tao anaty sy ivelan’ny trano lay izy . Ny lay moa dia lehibe satria hita ao daholo ny kojakoja momba ny tokatrano. Ao koa no matory ny fianakaviana.Tahaka ireny olona milasy ireny.

And-2 : Tampotampoka teo dia nahita lehilahy telo i Abrahama. Vokatry ny hafanana ve no nahatonga izany ? NIjoro teo anilany izy ireo. Taitra loatra i Abrahama ka nandeha nihazakazaka nanatona ireto olona . Nandohalika ary niondrika teo anatrehan’ireo. Tsy mba voalaza ny anaran’izy telo lahy ireto. Mahalasa fisainana koa ny amin’izy ireo. Satria etsy amin’ny and : 1 dia voalaza fa niseho tamin’i Abrahama Andriamanitra. Eto @faha-roa dia telo lahy no niseho taminy. Maro ny samy te-hanome ny heviny ny mpanoratra sy ny mpandinika ka milaza fa Andriamanitra @’ny fisehona hafa ihany ireo telo lahy. Na koa hoe : ilazana an’Andriamanitra telo izay iray ihany. Na koa hoe : Andriamanitra dia niseho voalohany ary roa lahy no nanampy Azy. Tsy dia mazava loatra .

Andriamanitra irery ve ?( Jereo 18 : 1,3,10,13-14,17-21) , sa telo lahy( jereo18 : 2,5,9,16,22), sa anjely roa (jereo 19 : 1, 15 ) sa lehilahy roa ( jereo 19:2,16). Tsara ny manadihady toa izay. Na somary manahirana antsika aza dia zava-dehibe ny mahatsapa “ny fomba fiasan’Andriamanitra”.Izay tsy takatrisika indraindray.

Eto amin’ity andininy ity dia mampiseho fa tia mandray vahiny i Abrahama. Tsy nisalasala izy nanatona ireto telo lahy. Ary tsy latsak’izany ny mari-panajana nataony fa niankohoka izy. Izany hoe : ny lohany dia nikasika ny tany . Alaivo an-tsary io fihetsika io.Efa nanao izany ve isika teo anatrehan’Andriamanitra na ny vahiny ? Marihina fa tsy ampoizina ny fitsidihan’Andriamanitra ny mpanompony.

Mankasitraka i Abrahama ary manome voninahitra ny vahininy. Mbola hotohizana