TSARA ho fantatra amin’ny fandinihina ny filazantsaran’i Marka.

- Misy toko 16 io boky io. Ny toko iray avy dia misy tantatra fohy maromaro. Raha misy fotoana ianao dia tsara ny mamaky ny boky manontolo. Mahalina ny voalaza ao. Toy ny tantara foronina( roman).
- Tamin’ny taona 70 no heverina ho voasoratra io boky io.
- Marka dia heverina fa i “Jean Marc” voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly.

Misy 3 ny filazantsara mitovitovy fijery : « Matio, Marka, Lioka ».Ireo no atao hoe « Evangile synoptique » ( izany hoe : mitovy fijery. Ny “syn” dia midika hoe miaraka, “optique” no nanome ny hoe : fijerena, io no nihavian’ny hoe ophtalmo-). Ny bokin’i « Jaona » koa dia filazantsara fa hafa ny fomba fanoratany. Ary ny « Asan’ny Apostoly » dia azo lazaina koa ho filazantsara, fa saingy ny mampiavaka azy dia tohin’ny bokin’i Lioka izy io.

Raha fintinina dia azo halahatra 3 ny zava-misongadina ao amin’y bokin’i Marka

1° Ny toerana hisehoan’ny tantara

2° Ny zavatra mampalahelo hita ao amin’ny boky

3° Ny fifandraisan’i Jesosy sy ny mpianany

Ao amin’ny filazantsaran’i Marka no hahitantsika tantaran’olo malaza iray : Jesosy. Betsaka ny zavatra nifamahofaho teo amin’ny fiainany . Indrindra tamin’ireo olona izay nifanerasera taminy. Ka niafara tamin’ny fahafatesana izany.

Azonao atao ny mikaroka ao anatin’ny tantara raha vakinao ny Marka manontolo.

Fa indro ary tari-dàlana ho anao :

>Marka 1:1Ny niandohan’ny filazantasaran’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra.

> Marka 3:6 – Mitranga eto ny teti-dratsy : Ary lasa nivoaka ny Fariseo, ka niaraka tamin’izay dia niray tetika tamin’ny Herodiana izy hanohitra an’i Jesosy mba hahafaty azy.

Inona ary no tena mitranga ao anatin’ny tantara ?

> Marka 15 : 39 – dia maty tokoa Jesosy : Ary ny kapiteny izay nijanona tandrifiny, raha nahita fa afaka toa izany ny ainy, dia nanao hoe : Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io Lehilahy io.

Marka 16 : 9 – dia velona ny Tompo. Vaovao mahafaly : Ary rehefa nitsangana tamin’ny marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro Jesosy dia niseho voalohany tamin’i Maria Magadalena, ilay namoahany demonia fito, Izy.

Mbola hitohy…