Ny toerana nivezivezen’i Jesosy ao amin’i bokin’i Marka

1:4 -Jaona Mpanao Batisa tany an’efitra

1:5 -Tonga ny mponina avy any Jodia sy Jerosalema -batisa tao @ onin’i Jordana

1:9 -Jesosy tonga avy tany Nazareta any Galilia -Jesosy natao batisa tao Jordana

1:12 -Jesosy tany an-efitra

1:14 -Jesosy nakany Galilia

1:16 -Jesosy teny amoron-dranomasin’i Galilia

1:21 – Jesosy sy ny mpianatra nankany Kapernaomy

1:28 -Nalaza tamin’ny tany rehetra eran’i Galilia Jesosy

1:29 -Jesosy sy ny mpianany nivoaka ny synagoga ary niditra tao an-tranon’i Simona…

1:38 -nankany @tanàna akaiky

1:39 -Nitori-teny eran’i Galilia

1:45 -tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna

1:46 – tany foana(@ Baiboly sasany dia tsy misy ny and : 46)

2:1 – Tao Kapernaomy niverina tao an-trano Jesosy

2:13 -Nandeha teny amoron-dranomasina indray Jesosy 2:15 -Tao an-tranon’i Levy

2:23 -Nandeha namaky ny tanim-bary Jesosy

2:26 -Davida niditra tao an-tranon’Andriamanitra( jereo ny andininy eo aloha)

3:1 -Tao amin’ny synagoga indray Jesosy

3:7&8 – Olona maro avy any Galilia, Jodia, Jerosalema,Edoma, ary avy any an-dafin’i Jordana, sy ny tany manodidina an’i Tyro sy Sidona no nankeo amin’i Jesosy.

3:13 – Niakatra teo an-tendtombohitra Jesosy

3:20 Fiverenana tao an-trano

3:22 – Ny mpanora-dalàna nidina avy tany Jerosalema

4:1 -Nampianatra teo amoron-dranomasina indray Jesosy… Ary niditra teo an-tsambokely ka nipetraka teo Izy

4:35 -Ny hariva Jesosy niteny hoe : andeha isika ho eny am-pita 4:36 Tao an tsambokely Izy.

5:1 Teny am-pitan’ny ranomasina tao @tanin’i Gerasena

5:21 Nita an-tsambokely indray Jesosy ka tonga teny am-pita

6:1 -Tao amin’ny taniny (Nazareta)

6:2 – tao amin’ny synagoga Izy

6:6 -Nitety ny vohitra manodidina Izy ka nampianatra

6:31 – Jesosy niteny hoe : avia ianareo hitikana any an-tany foana, ka mialà sasatra kely

6:35 – Tany foana

6:45 -Niondrana an-tsambokely ny mpianatra ho any Betsaida

6:46 -Nankany an-tendrombohitra hivavaka

6:47 – Jesosy irery ihany no teo an-tanety

6:48 -Nandeha(nitsangatsangana) tambonin’ny ranomasina

6:51 – Niakatra teo an-tsambokely Izy

6:53 – Nony tafita, dia tonga teo amin’ny tany Genesareta

7:1 – Jesosy tao Genesareta

7:24 -Tao @sisin-tanin’i Tyro sy Sidona- Niditra tao @trano iray

7:31 -Jesosy niala indray tamin’ny sisin-tan’i Tyro, ary namky an’i Sidona, sy ny tany Dekapolisy, ka nankany amoron’ny ranomasin’il Galilia

8:10 -Niaraka tamin’izay dia niondrana an-tsambokely Izy mbamin’ny mpianany ka tonga tany amin’ny faritanin’i Dalmanota

8:13 -Niondrana indray nankeny am-pita

8:22 -Tonga tany Betsaida Izy

8:27 -Nankeny amin’ireny tanàna momba an’i Kaisaria-filipo

9:2 -Nitokana niakatra any an-tendrombohitra avo anankiray

9:28 -Tao an-trano Jesosy

9:30 -Niala teo ary nizotra namaky an’i Galilia

9:33 -Tonga tao Kapernaomy- Tao an-trano

10:1 – Niainga niala teo Jesosy, dia tonga tany @ sisin-tanin’i Jodia sy tany an-dafin’i Jordana

10:32 -Hiakatra ho any Jerosalema

10:33 – Miakatra ho an’i Jerosalema

10:46 -Tonga tao Jeriko- ary dia niala tao

11:1 -Nanakaiky an’i Jerosalema tao Betifaga sy Betania any an-tendrombohitr’Oliva Izy

11:11 -Niditra tao Jerosalema ka nankeo an-kianjan’ny tempoly…niala teo Izy sy ny mpianany roa ambin’ny folo lahy ka nankany Betania

11:12 -Niampitso niala tany Betania Izy

11:15 -Tonga tany Jerosalema ary niditra teo an-kianjan’ny tempoly

11:19 – Nivoala ny tanàna Jesosy

11:27 -Tonga indray tany Jerosalema ary nitsangatsangana teo ankianjan’ny tempoly

13:1 – Jesosy niala teo an-kianjan’ny tempoly

13:3 -Nipetraka teo an-tendrombohitr’Oliva tandrifin’ny tempoly Izy

14:3 – Tany Betania Jesosy tao an-tranon’i Simona boka

14:9 – eran-tany

14:17 : – fahatongavana tao amin’ilay efitrano malalaka

14:26 -Lasa nankany an-tendrombohitr’Oliva

14:32 -Tao @saha atao hoe Getsemane

14:53 -Tany amin’ny mpisoronabe

15:16 – Teo an-kianja tao anati-rova

15:46 – fandevenanna an’i jesosy

16:6 – Tsy ato intsony Izy

16:9 – Niseho tamin’i Maria Magdalena

16:12 -Niseho tamin’ny endrika hafa tamin’ny roa lahy tany an-tsaha

16:14 -Niseho tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy

16:19 – Niakatra ho any an-danitra ka mipetraka eo ankavanan’Adriamanitra

Fandinihina ny :

Marka 1 : 1- 8 : Iza no ho avy ? Ity Filazantsara ity dia tsy misy ny fitantarana ny nahaterahan’ny Zanak’Andriamanitra toy ny ao amin’ny bokin’ Matio na Lioka.

Ny andininy 1 ka hatramin’ny 8 dia mizara toy izao :

And.1 : Fitarihina

And.2-3 : Ny mpaminany Isaia

And.4-5 : Jaona tany an’efitra

And.6- 8 : Jaona sy ilay ho avy.

Fanadiadina :

And : 1.

Hevitra lehibe 4 no misongadina eto :

Fiandohana, Filazantsara, Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra.

Ny “Fiandohana” dia mampahatsiaro ny fihavina na ny fahaterahana.

Ny “Filazantsara” : Inona marina moa io ?

“Jesosy Kristy” : Anarana roa Jesosy : avy amin’ny teny hebreo “Josoa”. Midika hoe : “Andriamanitra mamonjy”

Kristy : mifandraika amin’ny teny hebreo hoe : “Mesia”

“Zanak’Andriamanitra” : Iza marina moa ity Andriamanitra lazaina eto. Ahoana no nahatonga ny teny hoe : Zanak’Andriamanitra ?

And : 2-3

And.2 : Ilaina ny fampahatsiahivana voalazan’ny mpaminany. Eto dia Isaia.

Ny mpaminany dia ireo olona izay voantso hilaza sy hanambara ny teny noraisiny tamin’Andriamanitra. Ary ny Fanahy Masina no mampiteny azy. Mikasika an’i Isaia dia lava be ny tantarany ary na ny bokiny aza dia mizara : 3. Izany hoe misy ny Isaia I, ny Isaia II , ny Isaia III. Tamin’ny andron’i Isaia dia tsy nandry ny tany fa be hotakotaka. Ary nanatena ny vahoaka fa hisy mpamonjy ho avy. Tsy fantatra izay hiaviny, fa nisy ireo izay natoky izany.

Ho avy ny miptondra hafatra. Iza izy io ? Teny nalaina tao amin’ny bokin’i Malakia 3 : 1. Ny hafatra dia ny fanomanana ny fihavin’ny Tompo. Raha jerena ny Marka 1 : 3 io dia somary manahirana ny fihavin’ny Tompo. Amboarina ny làlana sy ny làlan-kely. Inona no anton’izany fampiomanana izany ?

And : 4-5 : Jaona Mpanao Batisa

And.4 Jaona dia ilay mpaminany farany, ary mampiditra ny tantara mikasika ny Filazantsara. Nanao batisa olona maro izy. Anisan’izany koa Jesosy. Tany an’efitra no fanaovany batisa. Matetika ny efitra dia tany hay. Tsy misy rano.

Nitory ny amin’ny batisan’ny fibebahana i Jaona.

Inona io batisa io ? Inona koa ny hoe : ny famelan-keloka eto ?

Nalaza ny fisin’i Jaona ka tonga daholo ny vahoaka. Jodia moa dia tsy tany lehibe ka mora tamin’ny olona ny fifamoivohizana. Jerosalema no renivohiny. Niaiky heloka ny olona ary nangataka ny hatao batisa tao amin’ny onin’i Jordana. Fahagagana lehibe ny fiovam-pon’ny olona .

And : 6- 8 Jaona sy ilay mpialoha làlana.

And 6 : Mahavariana ny fomba fitafin’i Jaona ary koa ny sakafo nohaniny.

And:7 : Ny toritenin’i Jaona dia mikasika ilay ho avy. Ary mahatsiaro ho bitika izy eo anatrehany.

And:8 Ny batisa amin’ny rano sy ny batisan’ny Fanahy Masina.