Aza manana andriamani-kafa fa Izaho ihany.

FANAMAFISANA fandrarana no eto.

Misy ve ny andriamanitra hafa ? Malaza mantsy ireo andriamanitr’ny « Bala » ao amin’ny testamenta taloha.

Io Bala io anefa dia tsy anaran’andriamanitra tany am-boalohany.Ary tsy nisy fifandraisana tamin’ny atao hoe fivavahana. Nilazana ny olona hajaina na ankasitrahana toy « ny tompo, ny tompon-mpananana, ary koa ny vady (seigneur, propriétaire, époux) ». Ny « oram-baratra sy ny vokatra » (telo arivo taona talohan’i Jesosy kristy)dia noheverina fa nisy nifandraisany tamin’i Bala.

Maro ny anarana mpanjaka nialovan’io teny io.

Taty aoriana rehefa nivavaka tamin’ilay hoe Bala dia nampina anarana hafa hilazana ireo andriamanitra hafa toy ny « andriamanitry ny afo, andriamanitry ny masoandro,andriamanitry ny rivotra, andriamanitry ny ala. Raha ny ala no raisina dia maro karazana ny hazo ary mampitombo ny isan’ny anaran’ny Bala izany. I Bala dia nampifanatonina tamin’andriamanitra vehivavy ,anisan’izany’i Astarta.

Inona no nahatonga nampalaza an’i Bala ? Izy io mantsy no mampitambatra ireo andriamanitra rehetra tamin’izany fotoana izany.Ary naka toerana hatrany teo amin’ny hebreo sy ny firenena hafa.

- Taorian’ny fahafatesan’i Josoa dia nampalahelo fa ny taranaka nanaraka azy dia tsy nahalala an’Andriamanitra izay nivavahany ( Mpitsara 2:11) . Hadinony sy tsy fantany ny soa nataon’Andriamanitra taminy. Hany ka nihemotra ny fiainam-panahiny. Nivadika tamin’Andriamanitra ary nanompo andriamani-kafa dia ireo « Bala isakarazany »(Mpitsara 2:12).Ireo andriamanitra ireo koa dia « fandrika » ho an’ny firenen’Andriamanitra (Mpitsara 2 : 3,Josoa 23 : .

- Tao koa ny fifaninana nisy tamin’i Elia sy ny mpaminan’i Bala. Vakio ny bokin’ny 1 Mpanjaka 18. Voamarika fa miisa 450 ny mpaminan’i Bala ary 400 ny mpaminan’i Astarte.Ny tantara ao mampiseho ny mampiavaka an’Andriamanitra izay nivavahan’’i Abrahama, sy Josoa, sy Elia sy ny andriamaninkafa.

Hitantsika eto fa tamin’andron’i Ahaba no niseho ny tantara ary nampiditra ireo andriamanikafa izy tamin’ny alalan’i Jezabela.Mahavariana fa nanaraka ireo zanak’Israely.

Nandao an’Andriamanitra izay Andriamanitry ny razany izy ireo . Nandeha tamin’ireo andriamanitra tamin’ny firenena vahiny sy nanakaiky azy ary niankohoka tamin’ireo. Tsy nahafaly an’Andriamanitra izany.

Mahagaga fa toa hadino ity fifanekena natao tao amin’ny bokin’i Josoa ity. Jereo Josoa 24 : 15 . Fandraisana andraikitra sy safidy fa tsy hanompo afa tsy ilay Andriamanitra tokana.

- Ao amin’ny bokin’i Jona 1 :5 ( Tsara vakina ny toko 1 manontolo). Nitaraina tamin’ireo andriamaniny ny tatsambo. Iza ireo andriamanitry ny tatsambo tsy namonjy azy ireo ? Ny Andriamanitr’i Jona kosa dia izao no voalaza 1:9 Andriamanitry ny lanitra izay nanao ny ranomasina sy ny tany .Ary nahagaga fa niantso vonjy tamin’Andriamanitr’i Jona ny tatsambo rehefa niatrika ny loza ( Jonasy 1 : 14)

Maro ny ohatra hita ao amin’ny Baiboly ary anjaran’ny tsirairay ny mikaroka izany.

Fanontaniana

1. Inona no antony izao fandrarana nataon’ Andriamanitra ?

2. Iza avy na inona ireo natao ho Bala amin’izao fotoana iainantsika izao ? (Manadiady ny tena vao mijery ny an’ny hafa)

3. Mbola misy ve ny mivavaka amin’ireo zava-boahary ? Nahoana ? Mahavonjy ve izy ireny ?

4. Misy ve ny mivavaka amin’ny maty ? Inona no antony ?

5.Inona no antony tsy nahalalan’ny taranaka taty aorina an’Andriamanitra ?

6. Fantatrao mazava ve ny Andriamanitra na andriamanitra hivavahanao ? Halalino tsara io fanontaniana io.

7. Nahoana no tsy eken’Andriamanitra ny mivavaka aminy sy amin’andriamanikafa ?

8. Ho anao kristiana : moa ve efa nanandrana izay heverinao fa andriamanitra toa an’i Bala ianao ? Inona no soa azonao  ? Inona no mahatonga anao hifikitra aminy ?

9. Inona no lesona azo tsoahina n’aiza n’aiza misy anao ?

10.Raha nandao an’Andriamanitra ianao, mbola afaka miverina Aminy satria Andriamanitra fitiavana izy.

Misaotra namaky sy nandalina ny fanontaniana rehetra. Raha tsy vitanao izany tsy maninona fa azonao hiverenana.