« Izaho no Tompo Andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tany Egypta tamin’ny trano nahandevozana. »
mardi 13 juillet 2010.

RAHA handinika ny « Didy folo » isika ao amin’ny Baiboly dia tsara ho fantatra izao :

Ny bokin’ny Eksodosy dia tsara dinihina miaraka amin’ireto boky ireto :Genesisy, Levitikosy, Nomery, Deotoronomia.Boky dimy tsy misaraka no hahazona mandinika ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny olombelona. Ao koa ny tantaran’ny firenena iray dia ny Hebreo izay atao hoe ny « Zanak’Israely » aty aoriana. Tsy nitoka monina izy ireo fa nifandray sy nifanerasera tamin’ny firenena maro hafa sy ny manodidina.

« Izaho no Tompo Andriamanitrao izay nitondra anao nivoaka avy tany Egypta tamin’ny trano nahandevozana. »

Fehezan-teny mafonja.

Iza moa ity Andriamanitra voalaza eto ? Voalohany tsy voalaza hoe : tahaka an’iza Andriamanaitra ? Na dia hoe nanao ny olombelona toy ny endriny aza Izy (Genesisy 1:26).Aoka ho fantatra fa ny bokin’ny Genesisy dia tsy boky voasoratra voalohany amin’ny Baiboly fa somary taty aoriana.Araka ny tantara sy aigam-panahin’ny mpanoratra tamin’izany fotoana izany no nanoratany azy.

Andriamanitra ve tahaka isika olombelona izao ihany ? Vatana misy tongotra sy tanana ? Misakafo sy matory ve izy ? Fanontaniana lehibe io .Iza no efa nahita maso an’Andriamanitra ka afaka nitantatara hoe toa izao ny endriny.

Ny anaran’Andriamanitra voalaza etoana ! Manahirana koa io. Ny finoana dia Andriamanitra tokana. Nefa dia ao ny voalaza momba azy : »Tompo ary Andriamanitra » . Amin’ny teny frantsay ao amin’ny testamenta taloha dia hahitana anarana samihafa ilazana an’Andriamanitra. Ireto avy : « Seigneur, Eternel, Jehovah : io farany io dia tsy tokony ho fampiasa . Misy koa ny hoe  » Andriamanitr’Abrahama, Isaka ary Jakoba « .

Ahoana ny ilazana an’Andriamanitra eto ?

Ny teny hoe « Izaho no -Je suis- » no nampiasaina. Izay milaza ny maha-izy azy. Izy no voalohany sy farany. Mifono izay maha-izy azy an’Andriamanitra.Ny boky tsy nilaza hoe « ianao, na ireo » fa Izaho. Hitantsika ny fifandraisany rehefa miteny Jesosy hoe :izaho no voaloboka, izaho no mpiandry ondry …Tsara jerena manokana ny amin’zany.

Ahoana ny fifandraisan’ny olombelona sy Andriamanitra ?

Ny olombelona dia azo lazaina hoe « ianao, ireo ».Milaza filaharana faharoa. Kanefa koa mifanatrika ny olombelona sy Andriamanitra rehefa mifanatona, na mifampiresaka. Tsy afaka misaraka Andriamanitra sy ny olombelona. Toa mifamatotra. Fa saingy ilay « Izaho : Andriamanitra » no tompon’ny teny sy asa voalaza manerana ny Baiboly.Izaho vao ianao.Ilay teny amin’ny « ao » amin’ny Andriamanitra no milaza ny hoe « ianao« .

Inona no nataon’ilay :Izaho ?

Tsy nisy afaka nanavotra na namoaka ny hebreo tany Egypta afa-tsy « Izaho »io. Tao anatin’ny faharesena sy faharerahana ny hebreo. Ary nentin’Andriamanitra niala tao amin’ilay tany nampangirifiry azy. Egypta dia milaza « ’fahaterena »,ary miaraka ao amin’ny fahaterena ny fangirifirina.

Voalaza fa trano nahandevozana no nitoeran’ ny firenena hebreo. Tsy afaka nikofoka fa nanao araka izay tiany ny mpitondra tao ary dia nankato ny hebreo. Fa ny Tompo mihoatra noho ny tompo tany na ny mpanjaka ho azy ireo dia Andriamanitra.