EKSODOSY 20 : 2 – 17

2. Izaho no Tompo Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany Egypta, tamin’ny trano nahandevozana.

3. Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.

4. Aza manao sarin-javatra voasikotra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay ety amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany.

5. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy, fa Izaho Tompo Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro, ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka ka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala ahy ; 6. nefa kosa mamindra fo amin’ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.

7. Aza manonona foana ny anaran’ny Tompo Andriamanitrao, fa tsy hataony ho tsy mana-tsiny izay manonona foana ny anarany. 8. Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy.Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. 10 Fa ny Sabatan’i Tompo Andriamanitrao ny andro fahafito ; koa aza manao raharaha akory ianao amin’izany, na ny zanakao-lahy na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao.11. Fa henemana no nanaovan’ny Tompo ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin’ny andro fahafito ; izany no nitahin’i Tompo ny andro Sabata izay nanamasinany azy.

12. Manajà ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin’ny tany izay omen’ny Tompo Andriamanitrao ho anao.

13. Aza mamono olona.

14. Aza mijangajanga.

15. Aza mangalatra.

16. Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.

17. Aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao ; aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao, na ny ankizilahiny na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ny namanao akory aza.

Nalaina tamin’ny « La société biblique malgache 1965 »

Mizara 2 lehibe ireo andinin-tsoratra ireo.

1) Momba an’Andriamanitra.

2) Momba ny olombelona sy ny zava-boahary.