(Manokana fotoana hahazona manaraka tsara)

A.  Inona no azoko sintonina?

1) Vakio aloha ny texta, voalohany amin’ny fahanginana, faharoa amin’ny feo. Avereno raha ilainao izany. Soraty izay nahafaly anao sy izay tsy azokazonao.
Izay nahagaga anao, na nahavariana anao, sy ny akon’izany aminao.


B. Inona no ambaran’ny texta? (izay voasoratra ao ihany)

2) Mametraha fanontaniana, hahazona mandinika azy tsara. Misy zavatra maro voalaza ao.

3) Inona no zavatra mitranga? Inona no miova eo anelanelan’ny fiandohana sy ny faran’ny texta?

4) Iza avy no olona voalaza ao? Inona no ataony sy lazainy ao?

5) Inona avy no teny miverimberina ao sy ny teny mitovitovy hevitra? Tsipio ny teny hitanao fa tena mavesa-danja ho anao eo amin’ny texta dinihina. Aza atao mihoatra ny dimy.

6) Misy ny mifanohitra ve? Fantaro ny dikan’izy ireo, na ny heviny. Manaova fikarohana kely. Inona avy no “temps des verbes” ( lasa, ankehitrio, ho avy)

7) Iza avy ny toerana voatondro ao, ary inona no fihetsiketsehana ao ?

C. Inona no zavatra voambara ivelan’ny texta?

8) Iza no mpanoratra? (olona iray sa maromaro) Fotoana nanoratana sy ny antony?

9) Efa hita any amin’ny toeran-kafa ve io texta io?

10) Karazany inona ny literatiora eto: angano, poezia, tantara, fahitana ets…

D. Ahoana ary no famakiko io texta io rehefa vita ny fikarohana rehetra?

12) Inona no zava-baovao hitako? Ahoana ny fiatraikan’izany eo                     amin’ny finoako? Mbola mitoetra ve io texta io ankehitriny                     ary inona no miova?

13) Inona no lohateny vaovao azonao omena azy

Fitaovana: Ny Baiboly amin’ny teny rehetra ( malagasy, frantsay, anglisy, alema sns…) dia azo ampiasaina. Ny TOB na ny Traduction oecuménique de la Bible dia hahitanao fitarihana manazava ny boky tsirairay isaky ny fiandohana. Mizaha koa any amin’ny biblioteka, na mividy boky. Misy tsy dia lafo ( toy ny Cahier Evangile), ho anareo eto Eoropa.

Fanampiny: azonao atao ny manontany teolojiana, na filozofa, na historiana, na sociologue raha ilainao izany

Marka 1: 1-8

Io no hanombohona amin’ity herinandro ity. (Ny 7 ka hatramin’ny 12 jona)

Misaotra ary Mazotoa Tompoko  ô!