TENY HOVAKIANA

AMOSA 8 : 4-7

I TIMOTY 2 : 1-8

LIOKA 16 : 1-13

« Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy mamôna hianareo. » Eto amin’ity Filazantsara ity ary eto amin’ity fanoharana naton’i Jesosy ity dia mampianatra antsika ny tokony ho fihetsika eo anatrehan’ny vola sy ny harena ny Tompo. Ny vola dia fiasana ihany ary tsy tokony ho mihoatra an’izany izy eo amitsika. Noho izany dia tsy maintsy ho efa nofaritan’ny olona ny zavatra tadiaviny. Tsy azo lavina fa manamafy ny fon’ny olona ny fitiavam-bola be loatra ary mahatonga azy ho tia tena ka mahatonga azy hanatanteraka ny tsy rariny sy hanjakazaka amin’ny hafa. Ny bokin’i Amosa izay vao novakiantsika dia mampivandravandra io tsy an-drariny io.

Averitsika ny tantara nolazain’i Jesosy. Mpitandrina fanana iray izay nadanidany foana ny fananan’ny tompony ka dia voaroaka. Fantany tsara fa tsy afaka hiasa izy sady menatra koa raha andeha hangataka nefa tsy maintsy miaina. Lasa izy nanatona ireo olona mana-trosa tamin’ny tompony ary nahenany daholo ny trosa izy ireo. Atero ka alao moa ny fiainana noho izany dia tsy maintsy hanampy azy ireo olona ireo. Hafetsena izany nefa hafetsena ratsy, izay nandrasan’ireo mpihaino ary nandrasantsika koa dia ny hanamelohan’i Jesosy tsy misy ambahamba izany fihetsika izany. Tsy izany anefa no hita fa nambaran’i Jesosy aza fa dia nidera ny fahaizan’ity mpitantana fananana ity ny tompony.

Manaitra ihany ny fihetsik’i Jesosy. Fa inona no fihetsika mendrim-piderana naton’ity mpitantana ity. Tsy ny hafetseny akory fa raha izany dia mahagaga ihany. Fa ny fahaizany sy ny fahasahiany. Ary izany dia tian’i Jesosy ho hita ao amin’ny mpianany amin’ny fanitarana ny ambandain’ny Fanjakan’ Andriamanitra. Ary dia notohizan’ny Tompo fa tokony hiezaka hiala amin’ny fahefan’ny vola sy ny harena isika, ka tsy hametraka ny fitokisatsika aminy. Ny mpanaraka an’i Jesosy dia tsy tokony ho andevon’ny vola . Ny kristiana dia tsy manana tompo afatsy Andriaùmanitra. Mora ny manompo ny vola nefa mety hitondra fanapotehina ho an’izay manompo azy izy.

Noho izany dia mazava amitsika ny tenin’i Jesosy manao hoe :  » Tsy misy mahay manompo tompo roa. »Maika ho an’ny kristiana ny tsara fifidy ary tokony hianatra an’ilay mpitantana tsy marina isika ka ho sahy sy ho kinga amin’ny fanompona ny Tompo. Tahaka an’ilay mpitanatana tsy marina ity dia tsy maintsy miala amin’ny herin’ny vola sy harena isika mba hahazoantsika mampitombo ny Fanjakan’ Andrimanitra.

Koa atao ahoana no fiala amin’izany satria fantatra rahateo fa ny fiainatsika eto an-tany dia ny vola sy ny harena no mandrindra azy. Tsy afaka miala amin’ny fampiasana ny vola isika, izay takina amitsika dia ny hanifika ny fahefany amin’ny fiainatsika. Ny bokin’i Amosa vao novakiatsika dia milaza betsaka ny amin’izany. Nokianin’i Amosa betsaka ao ny fanabotriana ny mahantra. Nomelohany ny fitiavan-tena izay mahatonga ny olona hangorona harena ka tsy mijery izay ho vokan’izany amin’ny hafa. Tsy jeren’ny olona rehefa jamban’ny vola izy izay rehetra mety ho fanapotehina vitany. Toa tampina ny masony ka tsy hitany akory izay tsara efa natolotr’Andriamanitra azy fa any an-kafa izy no mitady izany. Eo amin’ny famarana ny fanoharana Jesosy dia manetsika ao amitsika ny filana ny zavatsoa indrindra dia Andriamanitra. Ary izany zavatsoa izany dia nomena anao raha raisinao.

Ny fanotaniana mipetraka aitsika anio dia ny hoe : »Vonona hiala amin’ny herin’ny vola ve isika, ny vola izay mampanatena antsika ny ankosotra fotsiny ka handray ilay fanomezanan’Andriamanitra dia tena fiainana.