1 Tantara 21

TANTARA mahavariana. Tena nisy. Ahaba no Mpanjaka, Jezebela no vadiny. Tia tena, tia misoloky . Hany ka ratsy fihafara izy mivady. Nampalahelo ny taranany vokatry ny toetran-drizareo. Tamin’ny taon-jato faha-9 talohan’i Jesosy Kristy no niseho ny tantara. Efa ela tokoa izany.

Ahaba no manam-pahefana voalohany sy ambony indrindra teo amin’ny fanjakany. Olona tena nana-karena. Nefa dia nitsiriritra ny tanin’ilay fianakavianana teo anilany. Nangatahin’i Ahaba ho azy mantsy ny tanin’i Nabota. Tsy ampy an’i Ahaba ny lapasoany sy ny taniny izay tsy hita noanoa.

Toy izao ny resaka :

Omeo ahy ny taninao ry Nabota, hoy Ahaba. Ho takalony dia omeko hafa izay tsara ianao. Raha tsy ekenao izany dia hovidiko arak’izay tokony ho izy ny taninao (and. 2.”

Nanantena tokoa ny Mpanjaka fa tsy maintsy ho hazony io tany io. Na hangatahina na ho vidina dia tsy maintsy ho azy. Rehefa tsy mety hanakalo i Nabota dia ho raviravizany vola. Heveriny fa azo lemena amin’izany ity olona ity.

Nolavin’i Nabota ny fangatahin’i Ahaba. Tsy omeko ary tsy amidiko ny taniko satria lova avy amin’ny razam-beko io tany io. Sarotra amiko ny hanao izany ka dia miala tsiny aho ry Mpanjaka.

Nalahelo sy sorena i Ahaba noho izany teny izany.Nitsitra teo am-pandrina ny anao lahy ary nitodika tamin’ny rindrina. Dia nidongy no tsy nihinan-kanina. I Jezebela vadiny kosa dia tonga dia nakasika ny Mpanjaka. Ary namolavola sain-dratsy. Nihevitra ny hahazo ny tany amin’ny fomba rehetra.

Nanao taratasy ary nasiny ny tombon-kasen’ny mpanjaka. Tokony tsy hanana io fahefana io izy satria tsy mpanjaka fa vadina mpanjaka.Tsy izy no mitondra ny firenena. May hahazo ny tany izy ary nitsabaka amin’ny zavatra tsy tokony ataony akory Naniraka sy nitady olon-dratsy hanasoketa an’i Nabota izy ary nirahiny koa hamono azy.

Mba hahazony misimisy ny fon’ny mpanjaka dia tsy nampaninona azy ny mampiasa teti-dratsy. Asa maizina ange izany ! I Ahaba dia nanaraka ho azy fotsiny. Tsy nahalala izay nitranga raha tsy hoe : maty Nabota. Ary maika ity mpanjaka haka ny tany. Tsy nanadiady hoe : inona no nahatonga an’i Nabota ho maty tampoka teo ?Nefa vao tsy ela no niresaka taminy. Tsy nandinika. Mahagaga fa teo imasony no namolavolan’i Jezebela izao famonona izao. Tsy nadrara akory ny Mpanjaka. Heveriny angamba fa amin’izay dia tsy izy no nihavin’ny hevitra. Tena diso. Lasa iray tsikombakomba. Nibitaka i Jezebela nilaza tamin’ny Mpanjaka fa maty i Nabota ary tsy nisy hatak’andro dia nasainy naka ny tany.

Tetsy an-daniny koa dia indro Elia. Izy no mpaminany nitondra ny hafatra avy amin’Andriamanitra tamin’izany fotoana izany. Nirahin’Andriamanitra hiteny tamin’i Ahaba izy. Niteny izy fa “ Ahaba no nampamono an’i Nabota ary naka ny taniny”. Tsy neken’Andriamanitra izany ary nanameloka an’i Ahaba Andriamanitra. Ary nisy teny fanozonana azy sy ny taranany. Ary ratsy ny fiafaran’izy ireo. Satria na nifona tamin’Andriamanitra aza ny Mpanjaka dia nandova ny heloky ny rainy ny zanany ary ringana.

Betsaka ny tantara toy izao. Ary natao hampitandrina ny tsirairay. Hitantsika fa na dia tantara ao amin’ny Baiboly aza izy ity dia mampangorintsina. Ny tany mantsy dia mirakitra ny fananana rehetra isa-karazany .

Inona no antony nahatonga izao ? :

. Satria tsy namefy ilay ratsy hiditra ao am-pony i Ahaba.

. Nihevitra izy mivady fa mandidy sy manapaka ny ain’ny olona izy ireo.

. Variana amin’ny haren’ny tany.

. Nivadika tamin’Andriamanitra (vakio ny tantara amin’ny toko faha-20 sy 22 ).

. Nataony mpilivava fotsiny ny hoe : « aza mamono olona, na aza mangalatra ». Fa tsy nampihariny teo amin’ny fiainany.

I Jezebela kosa dia fangoloka sy mpamandrika. Jereo ny tetika nataony hamonona an’i Nabota. Ary tsy nahatohatra azy ny Mpanjaka. Resy ary tsy ampy nahodikodiny.

Mbola marobe ny Ahaba amin’izao fotona izao. Tahaka izany koa i Jezebela. Tsy hoe rehefa lehilahy dia ho Ahaba daholo fa misy koa vehivavy mety hanana izany toetra izany. Tahaka izany koa, ny an’i Jezebela, na lehilahy aza dia misy ny mitovy toetra aminy.

Ny mpaminany Elia dia natao hilaza ny tsy mety sy ny vokatr’izany. Nari-koditra sy nanenina i Ahaba satria fahafatesana no niandry azy.Eny fa na dia ny zanany aza dia hiharan’izany. Ho voaviravira ny tenany ary tsy hiditra am-pasana. Tsy nisy vidiny akory.

Ahoana no nahatonga izao zavatra izao. Azo nosorohina ihany izany asa maizina niseho. Saingy i Ahaba tsy nilaza ny marina tamin’I Jezebela. Tsy nolazainy fa tanindrazan’i Nabota ange io tany io. Izany hoe : tsy misy olona hafa an-koatry ny fianakaviany haka an’io tany io raha sendra tonga ny fahafatesany. Tsy misy olona izay tsy miaro ny tany nomen’ny razany ho lovany. Satria natao ho kolokoloina, ho tiavina, hiririavan’ny taranaka. Nafenin’i Ahaba ny marina ary dia zava-doza no nihatra taminy. Voasaringotra tao izy. Ary dia loza !!

Isaorana an’Andriamanitra ny hanana izany hoe “tanindrazana”. Ny razana teo aloha tsy nanana an’izany tany izany raha tsy Andriamanitra no nanome azy. Noho izany dia manana adidy ny taranaka aty aoriana hiaro sy hampandroso ny taniny. Izany tsy milaza akory fa tsy mahazo mivahiny na monina amin’ny tany hafa ny olona. Fa ny maka tany an-keriny, na mandroba ny tany dia mitondra fanamelohana ho an’izay manao izany.

Aoka tsy ho diso fihevitra ka hilaza fa ny ao amin’ny Baiboly dia resaka an’Andriamanitra fotsiny. Misy am-pahany lehibe izany. Saingy hita ao koa ny fifandraisan’ny samy olombelona. Ka rehefa manao sangy mihoatra ny loha dia indro Andriamanitra maniraka ny mpanompony manondro ny tsy mety. Io tsy mety ataon’ny olona amin’ny hafa io dia ataony amin’Andriamanitra koa. Tsy vaovao io tantatra io . Natao hampieritreritra lalina ny amin’ny tany izay nomen’Andriamanitra ny olona, na fianakaviana, na firenena. Tany natao hifaliana fa tsy hitondrana lainga sy famonoana.

Tany natao hanekena fa Andriamanitra no manjaka ao ary “tsy hatakalo no tsy amidy”. Amena