TENY ho vakiana

Eksodosy 3 : 1-15

I Koritiana 10 : 1-12

Lioka 13 : 1-9

Betsaka ny zavatra mitranga amin’izao fotoana izao izay taterin’ny Radio sy television ary ny gazety : accidents, fahafatesana, loza voajanahary, rotaka sy ady sns… Dia mametraka fanotaniana isika hoe : Nahoana ?

Dia mitady izay tompon’andraikitra koa. Mianjera ny trano dia hoy isika hoe :  » Mba hahazoana tombom-barotra miopapana dia natao tamin’ny simentra mora vidy ity trano ity ka izany no nampianjera azy. Ny ingénieur sy ny promoteur no tompon’andraikitra. Indraindray dia ny ben’ny tanana izay tsy nanao na inona na inona no hamaharana rehefa tsy mahita izay tompon’andraikitra. Rehefa farany tsy nahita isika dia Andriamanitra no amikirana. « Raha misy Andriamanitra nahoana no misy izao zavatra izao ». Ary farany raha tsy mahita valiny isika dia heveritsika fa noho ny ratsy nataon’ilay niaran-doza no nahatonga izany. Raha misy zavatra mitranga amintsika aza dia hoy isika hoe : »Inona no nataoko tamin’Andriamanitra noho hiaran’izao zavatra izao aho.

Ny valiten’i Jesosy eto amin’ity Filazantsara Lioka ity dia ny hoe tsy valin’ny natao akory ny zava-mitranga. Indroa Jesosy no mametraka fanotaniana hoe : « Ataonareo va fa …no mpanota mihoatra noho ny rehetra ? Fantatsika tsara fa ireny zavatra mitranga ireny dia loza voajanahary, na tsy fahazaina teo amin’ny mpanamboatra, na fahadalan’ny olombelona no nahatonga azy fa tsy vokatry ny natao velively akory.

Jesosy dia nihoatra izany eritreritsika izany ka manasa antsika tsy hanamaivana ny fiatraikan’izany fidonan’ny zava-miseho izany ka manambara fa fanairana ho antsika izany. Ary dia naveriny indroa eto amin’ny Filazantsaran’i Lioka ny hoe : « Tsia hoy izaho aminareo ; fa raha tsy mibebaka hianareo dia ho ringana tahaka azy koa hianareo rehetra.

Tian’i Jesosy halana amin’ny eritreritra feno fahatokisa-tena isika. Ireo loza nitranga dia tokony hahatsiarovatsika tena. Raha nitantara ireo zava-nitranga voalaza eto amin’ity Filazantsaran’i Lioka ity ireo olona dia nanatena fa hanome tsiny na i Pilato, na ny mpanorina ny tilikambo tao Siloama, na ireo niaran-doza i Jesosy. Nefa dia izy indray no nifoteran’i Jesosy ka natao hoe : »Ataonareo fa va mpanota noho ny hafa ireo ? Tsy tokony hitsara ny hafa isika fa handinika ny tena kosa.

Tsy dia ny fahafatesana ara-nofo loatra no tian’i Jesosy ho tenenina. Izy rahateo aza moa dia ho vonoin’ity Pilato voalaza eto ity afaka fotoana vitsivitsy. Fahafatesana hafa no tiany ho lazaina, fahaverezana mandrakizay izay hateraky ny ota izay tsy misy fomba hialana aminy raha tsy ny fibebahana ihany. Ny fijanonatsika amin’ny ota dia mety hitondra fahafatesana ratsy kokoa noho ny nahazo ireto olona tantaraina eto ireto. Ary izany no nanasan’ny Tompo antsika hibebaka. Izay no nahatonga Azy hanao fanoharana eo am-pamaranana ny momba ny aviavy tsy nahitana voa. Mbola andro ny fialan’ny Tompo nenina izao koa aza misalasala ry havana avelao ny otanao ka mibebaha.

Ny fotoanan’ny karemy dia mbola antso avo hataon’ny Tompo mba hamokaratsika voa mendrika ny fibebahana mba ho velona isika.