MATIO 2 andininy 12

Ary rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy tsy hiverina any amin’i Heroda, dia làlana hafa no nalehany nody ho any amin’ny fonenany.

Asa na efa impiry ianao no nahare io teny io izay voalaza fa natao ho an’ny “Magy” izay heverina koa ho mpanjaka . Ny teny hoe « magy » dia midika hoe « olon-kendry » . Tonga tao amin’ny tany nivahininy tao Jerosalema izy ireo ary nanatona an’i Heroda mpanjaka . Maika mantsy rizareo hahita an’i Jesosy zaza tamin’izany fotoana izany. Eny fa na dia Heroda aza. Hany ka nomeny halalàna handeha ho any Betlehema rizareo.Nanaraka tsara ny fomba fifandraisana amin’ny maha -samy manam-pahefana. Tsy nanao foana fa nangata-dàlana. Dia azo ary ny halalàna ka dia nizotra ho any Betlehema. Ary ny kintana no nitarika azy ireo. Heverina fa feno fifaliana tanteraka rizareo fa nahita ity zaza . Ary nanolotra ho azy ny fanomezana sarobidy mendrika ilay heveriny ho mpanjakan’ny jiosy.

Deraina tokoa izao fihetsika izao. Ary tohina ny fo. Nankato an’i Heroda ary nanajana ilay zaza vao teraka. Rehefa vita ny famangiana satria izay no nahatongavany tany Jerosalema dia hitody doha hiverina any an-tanany izy ireo. Teo no nitranga ny zavatra tsy nampoizina. Indro fa notoroan’Andriamanitra tamin’ny nofy fa tsy maintsy miova làlana. Tsy ny teo aloha intsony no hiverenana fa làlam-baovao. Kanefa nafaran’i Heroda mba hanoro azy hoe “aiza marina no misy ilay zazakely rehefa hitany Jesosy”. Raha izany dia tapaka ny fifanekena tamin’ny Heroda ka ho diso fanantenana io Mpanjaka io. Mety ho voalazany aza fa olona tsy azo antoka rizareo ireny.

Ndeha ho jerena kely :

Ahoana no mba eritrerintsika ny amin’hoe hangata-dàlana amin’ny olona vao afaka mahita an’i Jesosy ? Marina io teo amin’ny maha Mpanjaka sy manam-pahefana. Fa raha eo amin’ny lafim-pivavahana dia tsy mitoetra izany. Ny fhaonana amin’i Jesosy Kristy izay maty sy nitsangana tamin’ny maty izay inoantsika dia tsy misy angatahana halalàna na amin’iza na amin’iza. Fa avy amin’ny finoana izany. Fa raha misy manery anao amin’izany dia tsy fivavahana intsony izany. Misy ireo manao hoe : Andao fa ary no tena misy fivavahana. Raha hitady sy te hahita an’i Jesosy ianao dia tongava aty aminay.

Jesosy no anarany hahafantarana azy amin’ny maha-olombelona azy. Ary “ Jesosy Kristy” no nahatonga azy hitondra ny herin’Andriamanitra. Tsy ampy ny hoe mivavaka amin’i Jesosy fotsiny. Fa Jesosy Kristy no izy.Tao aorian’ny nitsanganany tamin’ny maty no nomena io anarana io izy. Satria ny Fanahin’Andriamanitra no nampitsangana azy hiala tao amin’ny fahafatesana. Ny finoana an’izany dia tsy misy fangatahan-dalàna na amin’iza na amin’iza. Fa asan’ny Fanahy Masina ao am-pon’ny olona tsirairay izany araka ny fotoana.

Ahoana no eritrerintsika ny amin’ireto olo-kendry amin’ny fandraisana làlan-kafa rehefa hody ? Hadinon’izy ireo ny hafatr’i Heroda fa tokony ilaza izay misy ny zaza rizareo ? Azo antoka sa tsia ireo ? Toa mivadika amin’ny fanekena ! Mahalasa fisaina tokoa izao fomba fihetsika izao. Kanefa amin’ny maha-olo-kendry azy dia nankato aloha izay lazain’Andriamanitra izy vao ny olon-kafa na dia Mpanjaka aza. Hinoana fa nisaina lalina ny nofy rizareo . Ahoana moa no hiverina any amin’ny Heroda izy hanatoroka an’i Jesosy. Nefa fantany fa tsy azokazon’ny Heroda ity Zanak’Andriamanitra ity sao mampiala azy eo amin’ny fitondrany. Tsy hiray tsikombakomba aminy rizareo raha hitondra fahafatesana ho an’i Jesosy izany. Ary dia nankato ny tenin’Andriamanitra ka niova làlana.Mahalala ny andraikiny ireto olon-kendry ireto.

Fa momba antsika kristiana amin’izao 2010 izao. Ao anatin’ny fitsapana maro isika na aiza na aiza misy antsika.

Azo lazaina ve fa toa ireto olon-kendry ireto isika ? Io fiovan-dàlana io mantsy dia mikasika ny fiainana manontolo. Ny olona tafahoana tamin’i Jesosy Kristy dia miova. Tsy rehefa maty aho vao tafahoana aminy, fa amin’izao fahavelomana eto an-tany izao. Ary dia nanova ny làlako aho. Ny làlana teo aloha maro . Karazam-piainan’olona firy moa ny misy eto an-tany ka tsy nahita ireto na dia ao amin’izay malaza ho kristiana aza.

Ao ny voafandriky ny fanompoam-tsampy ary mivavaka amin’ny tapak’hazo sy ny razana. Ny fanajana ny razana tsy natao handray ny toeran’Andriamanitra izay no tompon’ny ainy. Koa ahoana ny hitahin’ny razana izay efa maty ?

Ao ny miaina amin’ny lainga ary dia tena tia izany. Ka mampiasa izany isan’andro eo amin’ny asa aman-draharaha. Eny fa na dia eo amin’ny fianakaviana sy ny namana aza. Tsy misy tahotra sy henatra. Ary faly mamorona lainga mba hanasoketana sy hiampagana ny hafa.Heverina fa voninahitra ny fanaovana izany. Ary dia manao teny tsara lahatra mba hanafenana izany tsy ho hitan’ny havany na ny namany.

Ao ny mangalatra sy mamono olona noho ny fahatezerana satria nanala-baraka azy, na noho ny lolom-po fa tsy afaka nifamela heloka, na hanao vali-faty, na noho ny fahantrana fa tsy mana-kohanina, na noho ny vola satria io no heverina hitondra fahasambarana fa tsy Andriamanitra intsony.

Ao ny manozona sy manompa , ao ny mivavaka mba hisin’ny loza ho an’ny hafa . Asa na iza izao andriamanitra nampianatra azy hivavaka toy izany. Fa tsy izany no voalaza ao amin’ny Soratra Masina. Ao aza misy hoe “ tiava ny fahavalonao”. Sarotra ange ny fanarahana an’i Jesosy Kristy ê ! Lanjalanjao ny teny havoaka.

Izany rehetra izany sy ny hafa dia làlana taloha hialana rehefa tafahoana tamin’ny Zanak’Andriamanitra. Raha mbola tsy niala tamin’izany rehetra izany dia mbola ao amin’ny fahantrana ara-panahy sy ny fahamaizinana amin’ny lafiny rehetra. Ary tsy mbola tafahoana tamin’ilay Andriamanitra Fitiavana.

Izay no naha-olon-kendry ny Magy satria nanaraka ny fitarihan-dàlana notoroan’Andriamanitra rizareo. Navelany tany ny hafatr’i Heroda satria tsy eken’ny sainy ny hiray teti-dratsy hamonona ny Zanak’Andriamanitra.

Izany no hafatra ho an’ny tsirairay. Miova handroso amin’ny làlam-baovao mba ho vaovao koa ny tena, ny fo sy ny fanahy. Ary dia ho feno hazavana ny tany izay honenantsika sy izao tontolo izao raha mety ny olombelona. Miandry anao ny Tompo amin’izay ho fanapahan-kevitrao fa tao ny Olon-kendry nampianatra antsika. Amena.

-