TENY HOVAKIANA

Genesisy 18 : 1-15

Kolosiana 1 : 24- 2 : 10

Lioka 10 :38-42

Tovovavy roa samy nipetraka tao Betania. Tovovavy roa samy namana akaiky an’i Jesosy. Tovovavy mirahavavy samy manana ny toetrany. Samy nihevitra ny hahazo ny fakasitrahan’i Jesosy. Ny iray amin’ny fikarakarana ny handraisana Azy ny faharoa kosa dia ny mipetraka mihaino Azy ka mankafy izay lazainy. Tsy iza izany fa i Marta sy Maria.

Tonga ao an-trano Jesosy mandeha ho azy ny fihetsika nataon’i Marta. Izay tsy fantatra dia ny hoe : »Voazara ve ny asa tao an-tokatrano sa anjaran’i Marta ny mikarakara tamin’io fotana io. Izay voalaza dia ny tsy nahatomombana ny asa nataon’i Marta, satria niasa irery izy. Ary iza amin’ny vehivavy no tsy ohatran’i Marta mihetsika atsy mihetsika aroa, indrindra moa fa izany hoe handray olona izany, ka olo-mana-kaja. Ary i Maria dia nahazo tombony tamin’ny asa nataon’i Marta, satria afaka nihaino tsara an’i Jesosy. Toetra hanahafatsika an’i Marta io. Endrey izany fivorian’ny Synodam-paritany ka misy fisakafoanana. Olona maro no mirotsaka ao an-dakozia ary tsy vitsy no mihevitra fa tena asan’Andriamanitra mihitsy no hataony. Izay mahagaga antsika anefa dia ny mandreha an’i Jesosy manakina ny asa rehetra nataon’i Marta. « Marta, Marta, maro ahiana sy be herehina hianao ». Dia raha tsy nanao izany ve i Marta dia ahoana angamba tsy ho maizim-bava vilany vao mihinan-kanina. Ary raha tsy nisy nikarakara ve ny sakafo moa tsy mody tsy nihinan-kanina ny mpamonjy fivorian’ny Synodam-patitany.

Fa andeha ho jeretsika koa i Maria. Mipetraka eo an-tongotry Jesosy ary mihaino ny teny rehetra aloakan’ny vavany. Ny fandraisana ny tenin’ny Tompo no maika taminy. Ny tenin’i Jesosy izay nandaozan’ny olona ny tranony ka hanenjehany hatrany an’efitra aza mba handreha izany. Izao Jesosy tonga ao an-tokatrano zava-dehibe izany. Tsy mampaninona ny zavatra rehetra ny maika aloha dia ny mihaino an’i Jesosy. Ary tahaka an’i Maria koa isika. Endrey ny firohotry ny olona mamonjy fanompom-pivavahana. Tsy vitsy ny Fiangonana miditra indroa fa mangetaheta ny tenin’Andriamanitra ny olona. Ary Jesosy rahateo no niteny fa izay tahaka izany dia nifidy ny anjara tsara izay tsy halaina aminy.

Ahoana moa no hahadiso raha milaza isika fa miangatra Jesosy. Heverintsika fa Aminy tsy misy dikany daholo izany ny nataoko. Ilay izaho nandany vola aman-karena nikarakara izay tena mba hahatsara ny fotoam-pivavahana. Nitady orga, nanofa sono, izay tsy nalaiko tamin’ny fiangonana akory ny vola hofany fa ny taty am-paosiko no nanaraka sy ny sisa. Nefa Jesosy nilaza hoe : « Zavatra iray loha ihany no ilaina… » Ny lehibe dia ny hahazoana mandray ny tenin’Andriamanitra ary ny voalohany tokony handray izany dia ny tenatsika tsirairay avy. Fa tamin’ny ilay isika nikarakara ara-lojistika ny fanompom-pivavahana iny, mba nisy ve fotoana mba nahazoana ny tenin’Andriamanitra. Indraindray aza dia fahasosorana sy fahatezerana no azo ka mahatonga antsika hiteny tahaka an’i Marta hoe : « Raha tsy misy ahy tsy mba vita tahaka an’iny iny fotoana iny. Ry Ranona izany dia mijery fotsiny sy mipetra eny ambony dabilio fotsiny no nataony. I Marta aza moa dia nanakina mihitsy an’i Jesosy ; « Tsy mampaninona anao va ny hamelan’ny rahavaviko ahy manompo irery. »

Tsy azo ialana fa sady manana ny toetran’i Marta isika no manana koa ny toetran’i Maria. Ny tsy mety dia ny hanenjanatsika betsaka ny toetra ny iray amin’izy mirahavavy. Mbola misy mantsy ao amin’ny Fiangonana olona izay mibahana tsy hanaovan’ny olona fikarakarana. Rehefa avy eo izy dia hihambo fa izy irery no nahavita ny asa. Ary dia misy sahy milaza hoe : « Dia tena jeren’ny olona fotsiny aho manao raharaha. » Nefa raha ny marina izy no tsy tian’ny hanaovan’ny olona. Raha ny hahafinaritra antsika izao dia ho tahaka izao no fandehan’ny tantara. Rehefa avy niteny tamin’i Jesosy i Marta dia i Maria no niteny hoe. « O ry Marta a ! mijanona kely aloha ianao dia avy mipetraka eto anilako hihaino an’i Jesosy isika. Tsy impiry handalo eto amitsika Izy, fa rehefa avy eo dia hiaraka hikarakara sakafo isika.

Ireo toetran’izy mirahavavy ireo tsy tokony ho ny iray ihany no hananatsika fa toetra mifanampy ireo ka amin’ny fotoana ilaina ny fihainona ny tenin’Andriamanitra dia hataotsika ho zava-dehibe izany. Tsy ho adino koa anefa fa tena mbola ilaina ny fikarakarana ao amin’ny fiangonana