Teny ho vakiana

Matio 20 : 1-16

Tsy misy fanavakavahana.

N’aiza n’aiza tany honenana dia misy olona hatrany mitady sy mikaroka asa. Mitovy daholo rehetra , na dia ny manakarena aza dia mbola mitady asa, na dia efa ampy aza ny harena eo am-pelatanany. Ny mahantra moa tsy lazaina intsony fa miezaka andro aman’alina hahita asa. Indraindray noho ny fahantrana diso tafahoatra, dia ekena na dia asa mitondra amin’ny fahaverezana aza. Mafy ny tsy manan-trano, tsy manako-hohanina. Zara raha misy sakafo eo am-pelatanana. Ny ho hanina anio tadiavina ny ho any ampitso karoina.

Mazàna dia mitrosa ny omaly amin’izay ho azo ampitso. Ity fanoharana ao amin’ny filazantsaran’i Matio 20 : 1-16 dia mahalasa eritreritra lalina. Voalaza fa isaky ny toerana alehan’ny Tompon-trano dia indreo olona milahatra sy mivagongo manatena asa. Ny sasany efa ela tsy nahitana asa ka tsy nanantena intsony na dia tonga aza ny Tompon-trano. Eto anefa dia afa-po daholo fa nahazo asa na dia tsy nitovy aza ny fotoana niasana. Tao ny niasa ora vitsivitsy. Tao kosa ny niasa tontolo andro. Izay nanaitra anefa dia ny valin-kasasarana mitovy. Diso fanantenana ireo mihevitra fa tokony hifanentana amin’ny ora hiasany ny karama horaisiny hany ka nimenomenona nilaza fa tsy an-drariny izany.

Nampahatsihahiviny anefa ny Tompon-trano ny fifanarahana tany am-boalohany fony izy nanomboka niasa. . Na izany aza nahoana izy no hiasa maina ? Sasatra sy tsemboka mihoatra noho ny hafa ary ny asa vita ara-dalana tsy misy kihanina nefa dia mitovy ny karama. Tena miangatra ilay Tompon-trano. Sa ahoana hoy hianao ? Ny karama no lehibe taminy ireo olona ireo.

Tsy ny vola na ny karama na ny valin’asa kosa no mahamaika ilay Tompon-trano, fa ny fanomezana asa. Io no maika taminy. Ny mpiasa sasany aza tsy nangataka asa , fa ny Tompon-trano no niantso azy. Ary dia fahasoavana lehibe tsy hita noanoa izany. Tsy voalaza eto amin’ity fanoharana ity ny hafalian’ireo mpiasa. E ! Mahagaga izany ! Tsy hain’izy ireo ve ny mampiseho ny fihetsem-pony sy ny maneho fisaorana ? Fa alahelo sy fimenomenonana indray no re tamin’ny sasany. Ary raha tsy nisy ny asa dia inona no mba noteneniny

Afaka mipetraka amin’ny toeran’ireo olona ireo ve isika ? Inona no tena nantenain’ireo olona ireo : ny karama sa ny fahasoavana nahita asa ? Ny Tompon-trano aza niteny hoe : maninona eto ianareo no tsy miasa ? Hay, zaraina tsy misy fiangarana ny  » Fahasoavan’Andriamanitra. Izay no tsy takatry ny sain’ny olombelona.

Eritrereto kely, rehefa misy olana mitranga dia manome tsiny an’Andriamanitra ny olona. Hadinony ilay fahasoavana noraisiny teo aloha, fahasoavana tsy voavidy vola amn-karena. Ary tena isan’ireo haren’Andriamanitra omen’ny olona izay mifanena Aminy.

Tsy misy olona ambony, na ambany, na manan-karena na mahantra, na inona na inona fihaviany, ka niavaka nahazo fahasoavana mihoatra. Ilay Tompon-trano dia tsy iza fa ilay Andriamanitra marina. Iray ihany ny Fahasoavan’Andriamintra ho an’ny rehetra. Ary hisaorana Azy izany. Izay mpiasa nanomboka vao maraina dia mitovy amin’izay mamarana ny ora farany.

Ny voalohany sy ny farany dia isa iray ihany, ary dia tsy fantatra izay farany na voalohany rehefa samy nandray fahasoavana ny tsirairay.

N’aiza n’aiza misy anao mamaky ity toriteny fohy dia fohy ity dia tsarovy fa ny Fitiavan’Andriamanitra dia tsy miala aminao. Ary ny Fahasoavan’Andriamanitra dia efa nomeny anao maimamim-poana tamin’ny nanolorany ny ain’ ny Zanany mba ho famonjena antsika.Tsaroana entoana ny fanamafisana ao amin’ny finoana protestanta hoe  » Ny Fahasoavana dia maimaim-poana, izay avy amin’Andriamanitra, fa tsy avy amin’ny olombelona. » Matoa ianao mbola velona na dia sarotra aza ny fiainana dia noho ny fahasoavan’Andriamanitra .Ary io Fahasoavan’Andriamanitra io no entinao manatanteraka ny asa nanirahan’ny Tompon-trano anao.

Izao no teny famaranana  » Fa ny Fahasoavan’ Andriamanitra no naha toa izao ahy ». Amena