TENY ho vakiana

Josoa 5 : 10-12

2Koritiana 5 : 17-21

Lioka 15 : 1-3 , 11-32

Nomena anarana hoe : ny fanoharana momba ny « Zanaka adala » hatramin’izay ity fanoharana nataon’i Jesosy ity. Nefa raha fakafakaina dia azo omena anarana hoe : ny fanoharana ny amin’ny ray adala. Ray nanana zanaka roa izay tena tiany. Io ray io no mitana ny toerana lehibe ao amin’ny tantara, ka nitia sy namela izay fahaditrana rehetra nataon-janany.Raha tantara an-dapihazo izy ity dia lazaitsika fa misy acte roa. Raha tantara mitohy na feuilleton dia misy episode roa.

Ny Acte voalohany dia azotsika omena lohateny hoe : « Ny fihetsik’ilay ray manoloana ny faralahy. Ny mpilalao voalohany eto dia ilay faralahy.

Fetsilahy io faralahy io. Notakiany ny fanana izay tsy azy akory sady tsy nisasarany. Hoy izy : « Raiko omeo ahy ny fananana tokony ho ahy ». Azon-dray natao tsara ny nilaza hoe : »Tsy misy anao eo fa ahy daholo koa inona no tadiavinao ». Nefa noho ny adalan-drainy dia nomeny azy ny fananana. Noraisiny ilay zanaka adala ny fananana tsy nisaotra an-drainy akory izy zavatra tsy hainy izany. Ny hainy dia ny nitaky sy ny mandany. Rehefa lany ny fananany dia voalaza fa nitodika ny sainy. Toa namboarin’ny mpitantatara ihany ny fiovany. Fa rehefa dinihantsika dia toa ny kajy be ihany izany. Matin’ny hanohana ranamana ka dia nitady izay hamenona kibo. Any amin’i Dada misy koa nahoana no hihafy eto. Fitiava-tena ihany no betsaka tao aminy. Nefa aza dia mitorabato azy isika satria mampalahelo izy. Koa mila olona hitia azy

Ary izany no nataon’ilay mpilalao faharoa dia ilay ray nolazaitsika hoe ray adala teo. Mifanohitra tanteraka amin’ilay zanany izy. Manome sy feno sy tanteraka izay hananany. Vao nagatahan’ilay zanaka ny anjara tokony ho azy dia tsy nisalsala fa nanome. Nefa olona tadiavina ho lovana mbola velona izao. Nony efa niverina indray ilay zanaka dia fihetsika efatra no hitatsika nataony : « Mbola lavitra dia efa hitany ilay zanany… Onena azy izy… ary nihazakazaka nanatona azy ary dia nanoroka azy. Tsy vitan’izay fa mbola nanomana fety ho an’ity zanaka adala ity indray « Omeo azy ny akanjo tsara indrindra… ny peratra…sy kapa. Ary dia vonoy ilay omby nafahy efa nomanina ho fandraisana azy.

Izany no sarin’Andriamanitra tian’i Jesosy ho fantatsika. Fa nahoana moa no sarin’Andriamanitra masika no tavela mazàna ao an-tsaitsika ? Andriamanitra heveritsika fa Andriamanitra mpanafay ka tsy nahita afatsy ny ratsy ho an’ny mpanota. Izany Andriamanitra izany tsy Andriamanitr’i Jesosy izany. Ny Andriamanitra asehony antsika dia Andriamanitra fitiavana, Andriamanitra adalam-pitiavana antsika. Andriamanitra manome ny soa na dia ho an’ny ratsy fanahy aza. Andriamanitra miandry foana ny hiverenan’ireo nania niala taminy.

Fa ilay zokiny koa rehefa tsy nanaiky ny hiditra tao amin’ny fanasana dia tsy mahafantatra ny fitiavan’ity rainy. Tahaka ilay zandriny dia mitaky koa izy :  » Tsy mba nomenao zank’osy akory aho… » Fampitahy no nataony. Ny an’ny zandriny omby nafahy ny azy zanak’osy kely aza tsy azony. Mitovy amin’ny fariseo izay mpanaraka an-jamabany ny fivavahana ity zokiny. Ary satria mihevitra ho nahavita noho ny hafa dia mitaky misimisy kokoa noho ny hafa. Ray comptable no niheverany ny rainy ka tokony hanome azy mihoatra noho ny zandriny.

Ilay ray anefa tsy mijery vola sy fananana fa fitiana no noresahany. « Hianao anaka dia eto amiko mandrakariva ka izay ahy dia anao…. »Ary dia tahaka ny nataony tamin’ilay faralahy dia nivoaka nitsena ity zokiny koa izy. Ary dia niangavy azy mba hiditra.

Eto koa dia nasehon’i Jesosy ilay Andriamanitra fitiavana. Ilay Andriamanitra tsy mitsahatra ny mitia ny zanany. Mitovy daholo fa samy mpanota ny zanany nefa dia samy tiany.

Dia avelatsika handalo fotsiny ve izany fanoharana nataon’i Jesosy izany ?

Vonona ny hanaiky ho tiavan’ilay Andriamanitra tia antsika ve isika. Sa dia ny hijery foana an’Andriamanitra ho miangatra na masika no titsika.

Tapaka tampoka ilay tantara fa tsy fantatra izay niafarany na nandroso ihany niditra niara-paly ilay zokiny na tsia. Nataon’ny mpitantara ho anjaratsika no manohy izany tantara izany. Ho tohizatsika amin’ny fandroson’ilay zokiny hiditra hiara-paly amin’ny nasaina ve ny tantaratsika sa ? Antsika no nahohy azy.