TENY HO VAKIANA

ZAKARIA 12 : 7-14, 13 : 1

GALATIANA 3 : 15-29

LIOKA 9 : 18-27

Fanontaniana roa no napetrak’i Jesosy eto tamin’ny mpianatra. Ny iray voalohany ny hahafatarana ny sision-dresaka lazain’ny olona momba Azy. Ny faharoa dia napetrany mivantana amin’ny mpianany. Izay tokony ho marihina anefa alohan’ny hidirantsika amin’ireo fanontaniana ireo dia ny filazan’i Lioka hoe : Ary raha nivavaka teo amin’ny mangingina Jesosy. Raha mijery ireo Filazantsara hafa isika dia tsy miresaka an’io vavaka nataon’i Jesosy io mihintsy na i Matio na i Marka. izay heverina fa nahatonga an’i Lioka hanambara azy dia ny filazany mandrakariva fa manoloana ny zava-dehibe dia mivavaka hatrany Jesosy. Ndeha tanisaintsika ny sasantsasany amin’ireny : raha natao batisa Izy (Lioka 3/21), talohan’ny nifidianany ny apostoly (Lioka 6/12), talohan’ny niovany tareha tany an-tendromboitra ( Lioka 9/28), tao Getsemane (Lioka 22/41), teo amin’ny hazo fijaliana (Lioka 23/34, 23/46) ary eto amin’ireto andininy natao ho dinihintsika ireto (Lioka 9/18). Mazàna ireny vavaka ireny tsy nataony fotsiny hampianarana ny mpianatra hivavaka, na tahaka ny « Rainay izay any an-danitra » ka vavaka modely natao ianaran’ny mpianatra fa raha mamaky ireo andininy voatanisa ireo isika dia hahita fa tena tao amin’ny fotoana nilan’i Jesosy an’Andriamanitra Rainy mba hahazoany manatanteraka hatramin’ny farany ny asa nanirahana azy no nisin’ireny vavaka ireny.

Eto ohatra dia zava-dehibe no hatrehantsika. Vao avy namoky ny olona tsy omby dimy arivo Jesosy. Nokasain’ny olona hatao mpanjaka Izy nefa nandà hany ka niala taminy ny fon’ny olona. Tia hitsapa ireto mpianatra ireto Jesosy. Koa nila ny hivavaka ho an’ny mpianatra Izy. Raha handray fanapa-kevitra lehibe isika ry havako moa mba tsaroantsika ve ny mivavaka ?

Rehefa avy nivavaka Jesosy dia nanontany : « Ataon’ny olona ho iza moa Aho ? » Petsana ery ny mpianatra. Tsy lavina fa nandeha be ny resaka momba an’i Jesosy tamin’izany fotoana izany. Voatatitra teo daholo izay resaka rehetra nataon’ny olona momba an’i Jesosy. Tsy mbola io fanontaniana io anefa no tian’i Jesosy hapetraka. Nalefany tsikelikely ny fanontaniana. Fanontaniana tsy mikasika ny mpianatra aloha no napetrany. Mora ny mamaly rehefa tsy hilana ny hevitry ny tena. Tamin’izany fotoana izany rahateo dia saika i Jesosy no resaky ny olona. Namerina izany fotsiny no nataon’ny mpianatra : mpaminany, Elia, Mosesy….Fa napetraky Jesosy tamin’izay ny fanontaniana : Fa hianareo kosa manao Aho ho iza ? Raha ny marina dia tamin’ny tsirairay no mipetraka ny fanontaniana. I Lioka tsy nilaza raha nisy fahanginana nanaraka an’io fanontaniana io. Ny maro tamin’ny mpianatra angamba faly ery satria i Petera izay sahisahy no namaly. Soa ihany ! Raha jerentsika ireo Filazantsara telo mitantara ity zavatra niseho ity dia tsy tena mitovy ny valiten’i Petera. Eto ami’ny Filazantsara araka an’i Lioka dia tsotra ny vali-teniny : Hianao no Kristin’Andriamanitra. I Matio dia manampy ny hoe : Hianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona. Na izany na tsy izany isika rehetra miara-manaiky fa fanekem-pinona re izany !

Mazàna rehefa hilaza ny hevitry ny hafa isika dia mahay ery. Mihevitra aza isika fa mahay mamantatra izany hevitry ny hafa izany. Fa rehefa isika no hipetrahan’ny fanontaniana sahirana. Raha amintsika anio tokoa i Jesosy no manontany. Inona no havalitsika ? Ny valiny ilaina amitsika tsy ny hanao pili-vava ny fanekem-pinoana akory. Nanontanian’ny Mpitandrina i Ramatoa Rasoa katekomena ho raisina ho mpandray hoe : Aminao Ramatoa Rasoa iza moa Jesosy ? Tsy taitra akory Ramatoa Rasoa namaly hoe : I Pasitera koa vazaha Izy. Angamba noho ny fahatsorany no namalian’i Ramatoa an’i Pasitera toa izany. Fa tsy vitsy ny Kristiana no mbola tahaka azy ka tsy tena mahafantatra an’i Jesosy. Fa aminao iza Jesosy ? Tsy hilaza isika hoe : Hianao no Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra velona, nefa mifanipaka amin’izany no ataotsika. Ny fiaintsika andavan’andro no valitenitsika. Koa ny hataotsika ve afaka milaza fa Jesosy tokoa no Kristy, izany hoe ny Mpamonjitsika. Afaka manampy antsika amin’ny zavatra manahirana ahy rehetra. Tsy any an-kafa intsony no alehatsika fa ny voalohany hatontsika dia Jesosy.

Tsy vitan’izany fa ny olona manaiky an’i Jesosy ho Kristy Zanak’Andriamanitra velona dia manda ny tenany ka hitondra ny hazo fijaliana isan’andro. Izay no nampahatsiahivin’i Jesosy ny mpianany. Vitantsika ve izany ry havako ?