AMIN’izao alina izao no mivavaka izahay rehefa avy nahita ny fahita lavitra mikasika an’i Madagasikara. Efa nisy ny fahantrana ary nitombo ao amin’ireo faritra voalaza araka ny fitantarana indrindra indrindra iny amin’ny faritra atsimon’ny Nosy.

Malahelo tokoa ny fo sy ny saina ary ny fanahy. Nampiseho anay tamin’ny sary teo ireo olona izay tsy hahita hipetrahana intsony fa tototry ny fasika tsikelikely ny tanànany. Ny fitadiavana sakafo koa dia tena mafy satria mihasarotra ny mandeha eny an-dranomasina. Nisy ireo very satria latsaka tanaty rano ary tsy tafaverina tao amin’ny fianakaviany intsony fa nafoy.

Kanefa dia misaotra Tompo, noho ny amin’ireo olona izay mampianatra sy manoro ny amin’ny fikojakojana faritra mba hisy ny toerana hiarovana ny trondro satria io no anisan’ny foto-tsakafo any. Misaotra koa noho ny mpiasa 7000 izay mitety tanàna mba hanara-maso ny toe-pahasalaman’ny mponina. Goavana ny fahantrana ka kely dia kely ny vita.

Eny mafy tokoa, indrindra ho an’ny ankizy, ny vehivavy ary indrindra ny reny izay mitondra voka, ny tsy mana-kavana. Ao ny adi-tsain’ny raim-pianakaviana. Ho an’ny rehetra mihitsy. Ary mety ho tratran’ny famoizam-po ny sasany. Koa mamindrà fo Andriamanitra. Dia ho very ve izy ireo ?

Malahelo mafy tokoa izahay noho ny tsy fisian’ny orana. Hany ka rano efa tsy azo sotroina intsony raha ny tokony ho izy no sotroina. Tahaka izany koa ny amin’ireo monina eny amin’ny toerana tsy tokony hanorenana-trano satria marivo dia marivo dia tratran’ny rano. Ary diboka rehefa avy orana.

Manao izay azony atao ny olona eny amin’ireny tanàna ireny. Nefa dia tsy ireny no tokony ho sotroin’ny olona any.

Misaotra Andriamanitra ô ! noho ireo mpitsabo izay manao ny ainy tsy ho zavatra fa tena feno fandavan-tena tokoa. Ao koa ireo mpikarakara ny fahasalamana manampy sy mitaiza ny olona. Hery lehibe ho an’ny rehetra ny mahita azy ireny.

Eny ry Tompo Andriamanitra , renay koa ny antso vonjy izay nataon’ireo olona any lavitra any.

Koa miantso anao koa izahay Andriamanitra ô ! mivavaka ho azy ireny.

Omeo hery sy fahasalamana izy ireny mba haharesy izao fahantrana izao.

Mivavaka sy mitalaho aminao izahay, mba hirotsaka ny orana any amin’iny faritra misy tany hay iny any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara.

Mandohalika eo anatrehanao izahay amin’izao fangatahana ataonay izao.

Manana ny fomba fiasanao izay tsy takatry ny sain’ny olombelona Ianao. Ary mino sy manantena izahay indrindra ny amin’ny fitsinjovana ireo 14 000 000 voalaza fa tena ao anatin’ny fahoriana sy tsy fisina. Aza ariana izahay Tompo fa Ianao no nahatonga anay ho velona eto an-tany.

Akambanay amin’ny hira ao amin’ny fihirana hoe « oram-be mivatravatra , arotsahy Tompo ô, fa mangetaheta loatra izahay mpanomponao » ny vavakay.

Eny Tompo, arotsahy ny oram-panahy ary koa ny oran’ny lanitra hanamando ny tany mba hanome vokatra. Fa tena noana ny nofon’izy ireo.Ary reraka koa ny fanahy. Misaotra ho an’ireo izay mbola afaka mijoro.

Tompo ô ampio izahay tsy ho anio ihany izao vavaka izao fa isan’andro. Ary diovy koa ny fonay izay mitalaho aminao. Ka ho teny mamy ny mivoaka ny vavanay amin’ny fotoana rehetra na dia mafy ady aza.

Tompo ô Miantrà. Tompo ô vonjeo.

Amin’ny anaran’i Jesosy Kristy no italahonay ary hametrahanay ny fanantenana sy isaoranay Anao Andriamanitra fa tsy manadino ny Malagasy Ianao.

Misaotra Tompo.

Amena