TSY ho very akory ny firenena matoky an’Andriamanitra. Satria efa nirahiny Jesosy Kristy izay maty teo ambony hazo fijaliana nefa nitsangana tamin’ny maty ho fanavotana izao tontolo izao.

Ianao Andriamanitra izay heverinay fa any lavitra any dia mihaino ny fitarainana rehetra. Tsy lavitra any an-danitra any Ianao. Fa eto an-tany koa. Eto anilanay eto amin’izao vavaka izao. Fa saingy noho ny hakivina sy ny fisavorovoron-tsaina dia tsy tsapanay ny fisianao. Ary misy minia manakipy ny masom-panahiny ka miverina amin’ny fanompoam-tsampy.

Ao ireo manakalo anao amin’ny vola be satria io no heveriny fa hitondra fifaliana sy fahasambarana. Ny vola no entina manorina andriamanitra vaovao mibaiko ny toron-dalam-piainana. Mampahatsiaro ny hiran’ny mpanao Salamo hoe “Volafotsy sy volamena ny sampin’izy ireny. Asan’ny tànan’ny olona. Manam-bava izy fa tsy miteny. Mana-maso izy fa tsy mahita. Mana-tsofina izy fa tsy mandre. Manana orona izy fa tsy manim-bolo. Manana tànana izy fa tsy mandray. Manan-tongotra izy fa tsy mandeha. Ary tsy mahaleo-peo ny tendany”.

Fa nandalo toy ny akofa ve ny teninao izay nafafy Andriamanitra ka nisidina lasan’ny rivotra ? Tafalatsaka tao am-ponay ve ny teninao sa natao fanarosaronana fotsiny ka hanafenana ny tsy mety.

Mamela ny hadisoanay Tompo ô. Mamela ny tsy finoanay. Hampivereno amin’ny fitiavanao izahay mba hitia anao. Hampahatsiarovy anay fa raha tsy Ianao dia efa ripaka izahay ary efa maty ary maty ara-panahy koa. Ny fahafatesana no namana. Nefa hitanao ny fahalemenay sy ny fahorianay. Toa voakapoka mafy ny saina, sy ny fon’ny maro fa mahatsiaro mangidy eo anatrehan’ny asan’ny maizina.

Miantso vonjy izahay Andriamaintra ô. Mamindra fo . Miantrà.

Irinay ny Fanahinao Masina hiasa ao am-pon’ny tsirairay mba hahaizanay hitodika Aminao. Ataovy mitsiry ao am-pon’ny tsirairay ny Fitiavanao. Hahatsiarovanay fa meloka izahay. Nefa dia mbola tianao ihany.

Hoy ihany koa ny hiran’ny Salamo hoe “ Harotsakao na amin’ny tsara fanahy na amin’ny ratsy fanahy ny orana”. Izany hoe , tsy manavaka Ianao fa tianao avokoa ny olona tsirairay. Mahagaga ny fitiavanao Andriamanitra fa tsy takatray olombelona. Ny anay dia hisisian’ny fankahalana raha vao tsy mifanaraka amin’ny saina. Koa hifonanay izany. Satria miteraka fahantrana ho anay sy ho an’ny maro. Hadinonay fa nanisy soa anay mandrakariva Ianao Andriamanitra.

Vahao ny fatorana mangeza anay. Avereno amin’ny fitsaharanao izahay mba tsy hanome henatra Anao eo anatrehan’izao tontolo izao.

Ianao irery no afaka mapiharina sy mamonjy anay raha mankato Anao izahay. Misaotra Tompo. Amena