MITOMANY Andriamanitra

Mitomany Andriamanitra rehefa miteny aho hoe : Tsy misy Andriamanitra. Tsy hitany ny fahoriako. Tsy nomeny fiadanana aho. Tsy nomeny fandriam-pahalemana ny tany. Ny manana ihany no manana. Diso eritreritra aho. K’hay reny izany. Mitomany Andriamanitra


F’aiza moa Ianao Andriamanitra ? Ery ambony amin’ny lanitra manga ve ? Sa ao anatin’ny hazavan’ny masoandro ? Sa ao anatin’ny rahona mainty ? Sa ao anatin’ny orana mikija. Any ê ! Any ê ! K’hay diso eritreritra aho miteny toy izany. Hany ka mitomany Andriamanitra.

Lasa eriteritra aho eto am-panoratana . Toa adinoko fa tsy lavitra Andriamanitra. Eto amin’ity efi-trano hanoratako ity Izy. Miara-mandeha amiko eny an-dàlana rehefa mivoaka ny toka-tranoko aho. Ao am-piasana na dia variana amin’ny asako aza aho. Eny am-pitsangatsanganana miaraka amiko Izy rehefa tonga ny fotoana fialam-boly. Eny am-pihetsenena, eny amin’ny toeram-pitsaboana, amin’ny toerana rehetra izay misy ahy.

Hay tsy misy miafina Aminy ny fiainako rehetra na ny mety na tsy mety.

Hoy ny Tompo indray andro izay “Indro Izaho momba anareo mandrakariva mandra-pahatonga ny fahataperan’’izao totolo izao”. Aoka ary aho hahatsiaro lalandava. Fa ny fanadinoko io teny no mampivaona ny teny sy ny asa ataoko.

Andriamanitra tsy miova amin’ny fitiavany ny olombelona . Saingy raha manao ny tenany ho andriamanitra ny olona dia : mitomany Andriamanitra. Indrisy.

Tsy mahagaga izany, fa mahalasa eriteritra. Mitomany tokoa Andriamanitra.

**********************************************************