Teny ho vakiana

Ezekiela 18 : 21-32

Filipiana 2 : 1-11

Matio 21 : 28-32

Raha teo aloha ny fahoharana nataon’i Jesosy dia nataony ho an’ny mpianany eto kosa natokany indrindra ho an’ny Mpisorona sy ny loholona izany. No hararaotin’i Jesosy ny fifamaliany tamin’izy ireo ny amin’ny fahefany handroaka ireo mpivarotra tao amin’ny Tempoly (Matio 21 : 12-17), sy ny nanozonany ilay aviavy tsy nisy voany (Matio 21 : 18-22), hilazana amin’izy ireo ity fanoharana ity.

Fampitahana ireo zanaka roa voalazan’ny fanoharana nasaina hiasa any amin’ny tanimboaloboka no nataon’i Jesosy. Ny nitovizany samy niovana izy roalahy. Ilay zokiny nandà nefa niova hevitra ka nandeha avy eo, ilay zandriny nanaiky nefa niova hevitra ka tsy nandeha indray. Izay tsy nitovizany kosa : ny zokiny niova ho tsara ka nanao izay nangatahana taminy, ilay zandriny kosa niova ho ratsy ka lasa mpamotsifotsy ray aman-dreny ka nitokona tsy nandeha. Iza amin’izy roalahy no hoy Jesosy no nanao ny sitrapon’ny rainy ? Tsy misy valiny hafa afatsy ny hoe : Ilay zokiny.

Ny fampitahana faharoa naneren’i Jesosy ataon’izy ireo indray dia ny fampitahana ny tenany amin’ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga. Ny nitovizany dia samy niova izy. Iretsy voalohany dia ny Mpisorona sy ny loholona izay manora-tena ho mpivavaka sy mpakatoa ny tenin’Andriamanitra tsy nety nino ny hafatra nampitondraina an’i Jaona Mpanao Batisa. Iretsy faharoa kosa izay olona tsy fanao ianao tsy miraharaha izay tenin’Andriamanitra nony nandreha ny tenin’i Jaona Mpanao Batisa dia nibebaka ka niova. Ny tsy nitovizany kosa dia iretsy voalohany niova ho ratsy ary ireto faharoa niova ho tsara. Tsy nametraka fanotaniana intsony Jesosy satria mazava ho azy ny mety ho valiny. Ny fehiny no nolazainy ka hoy Izy ; « Ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no hialoha lalana anareo ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. » (Matio 21 : 31)

Ny fampitahana fahatelo apetrakin’ny Tompo amitsika kosa dia ny fampitahana ny tenantsika amin’ny olona hafa. Ka ny zokiny sa ny zandriny no mitovy aminao ry havako ? Raha hianao no ilay mpanota be tsy miraharaha na iza na iza, ilay antsoin’ny olona hoe mpanota matevi-koditra ka tsy laitran’ny balan’ny fananarana, tena mbola azonao atao ny miova. Raha nanao ity fanoharana ity ny Tompo tsy nanao fanazavana be Izy, nolazainy fotsiny fa azo atao tsara ny miova tahaka ilay zokiny eto amin’ny fanoharana. Nefa sao dia mba hianao kosa ilay mpivavaka  : mpitandrina, diakona, mpandray ny fanasan’ny Tompo, lazain’ny olona fa ny tena kristiana fakana tahaka, ka kristiana zato isan-jato. Nefa etsy ambadika ny faikany indrindra, saingy hainao ny manafina ny toetranao. Jesosy dia efa niteny mafy hoe : « Tsy izay manao amiko hoe Tompoko Tompoko no hiditra ao amin’ny fanjakan’Adnriamanitra fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra  » (Matio 7 : 21) Sao hianao ilay tsy mahatanty sedra ka nony sehatry ny mafy dia mitakemotra. Sao hianao ilay mpiteny hoe :  » Je suis croyant mais pas pratiquant ». Tsy midika ho fanaovana eny fotsiny ve izany fa fandavana ny iasa avy eo. Tsy ny fanekena fotsiny fa ny asa no takiana aminao. Ny apostoly Jaona ao amin’ny epistiliny dia miteny hoe ; « Aoka tsy ho tia amin’ny teny sy ny lela isika fa amin’ny asa sy ny fahamarinana (I jaona 3 :18)

Fa ny hamaranantsika azy dia ny fampahatsiarovana ny fibebahana. Ny toritenin’i Jaona Mpanao Batisa manao hoe  » Mibebaha hianareo fa efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra » no nampiova ny mpamory hetra sy ny vehivevy janga. Ilay zokiny koa dia voalaza fa nanenina . Takiana amitsika ary ny fahatsiarovatsika ny fahotantsika ary ny hibebahantsika mba hahazoantsika ny fanjakan’Andriamanitra.