Maro dia maro ny miandrandra ny fetin’ny reny. Ny vavaka no fanomezana sarobidy indrindra azontsika omena azy . Tsy ho anio ihany fa rahampitso koa ary mandritra ny fotoana iainana.Andeha hivavaka ho an’ny reny rehetra eran-tany tsy an-kanavaka.

TOMPO ô ! Henoy ny vavaka ataonay Aminao ho an’ny reny rehetra n’aiza n’aiza misy azy ireo..

Eny, mivavaka ho an’ny

: reny izay efa zokiolona ary mifanatitra amin’ny fianakaviany.

: ny reny toka-tena satria

- nilaozan’ny vadiny noho ny fahafatesana

- noho ny tsy fifankahazona ka nisaraka

: ny reny izay ao anatin’ny fahatanorany ary manatena ny ho avy hihiratra hatrany.

: ny reny izay mitoetra irery noho ny fitaka natao taminy, na noho ny hery setra nihatra taminy.

: ny reny izay nahilikilika noho ny toetrany. .

: ny reny izay narin’ny fianakaviany, na ny zanany

: ny reny izay ao anatin’ny aretina, na kilemaina.

: ny reny izay nanary ny zanany.

: ny reny izay ao anatin’ny famoizam-po lalina.

: ny reny izay nania noho ny tsy fisiana sy ny fahantrana.

: ny reny diso mirehareha

: ny reny manana anton’asa na tsia ary tompon’andraikitra avokoa eo amin’ny firenena .

: ny reny izay hampandroso ny ankohonany, ny taniny.

:ny reny ao anatin’ny tahotra satria tsy afa-miteny no tsy mahazo miteny.

: ny reny namohy zanaka .

: Mivavaka ho an’ireo vehivavy naniry ho tonga reny nefa tsy tonga amin’izany noho ny antony samihafa. Ary tsy hanomezanay tsiny anao Tompo ô. Ary havaozy ny fon’ny rehetra mba tsy hanome tsiny na hanenjika azy ireo.

: Mivavaka koa ho an’ireo tena mbola zaza nefa efa lasa reny sahady.

Mivavaka izahay mba hamelanao ny helokay rehetra.

Eo antrehanao mantsy Tompo, tsy misy hoe « ity reny tiako » na ity reny tsy tiako ». Fa mitovy daholo izahay. Samy tianao. Koa mampianara ny reny hahay hiaina amin’izany fitiavanao izany.

Mampianara ny reny hankato anao ary hahay hanitsy ny fiainany ka hianatra sy hitaiza ny zanany hiaina amin’ny fahamarinana. Irinay mba tsy ho reny hanao tery vai-manta ny sitrapony fa ny sitraponao no ambony indrindra .Mampianara koa ny reny tsy haka ny toeranao ka te ho andriamanitra.

Misaotra Tompo noho ny amin’ny fifaliana nomenao . Ary sitrano ny fon’ny reny rehetra izay maratra noho ny antony samihafa. Mba hahitany fa mihiratra koa ny fiainam-baovao izay atolotrao azy ireny.

Ny Fanahinao masina momba izao tontolo izao.

Ho anao irery ny voninahitra eran-tany. Amena .