MISAOTRA anao Andriamanitra fa tsy mitsahatra mampianatra anay Ianao. Manoro zava-baovao isan’andro. Na dia heverinay aza fa efa feno fahalalana izahay noho ny fahatokisanay tena be loatra.

Eny, tokoa raha dinihina dia lasa naka ny toeranao ny harena. Nametrahanao fahatokisana hikarakara sy hampitombo ny harena nefa dia namitaka anao. Tsy menatra ny nandany ny fanananao.

Matahotra izahay noho izany satria zavatra roa lehibe ny harena napetrakao taminay :

- Ny fiainanay
- Ny tany izay nomenao anay olombelona.

Tsaroanay ny teninao tamin’i Adama sy Eva hoe : aza kasiana ny hazo eo afovoan’ny sahy. Nefa dia tsy nohenoiny izany satria te hitovy Aminao izy ireo.Tokony anatra ho anay io. Ary dia fahasimbana ara-nofo sy fahafatesana ara-panahy no vokatr’izany.

Maro ny olona maninmba ny tenany, ka na dia ny toetra tsy mendrika aza tsy misy fady intsony ary hifonanay aminao izany. Potika tanteraka ny fiainan’izay tratran’izany. Kanefa Ianao dia nanome zavatsoa ho an’ny olombelona ho tandremana. Matimatin’ny zavatra ivelany ka dia mivarilavo. Ny tenan’ny olona tsirairay dia harena sarobidy nomen’Andriamanitra na ho an’ny zaza, na tanora, na lehibe na antitra. Tsy mbola nisy olombelona mantsy na dia iray aza ka afaka nanorona olombelona.

Misy koa ireo olona izay manimba ny tany. Io koa dia fanananao Andriamanitra ary nasainao nokolokoloina rehefa niresaka tamin’i Adama sy Eva Ianao. Anjarainay koa ny manohy izany. Tompon’andraikitra amin’ny fahatsaran’ny tany nomenao izahay. Kanefa dia mampalahelo Andriamanitra fa simba ny fanananao. Betsaka ny tsy fitandremana izany. Ao ny fanaovana tsinontsinona ny harena an-kibon’ny tany sy ny an-dranomasoina koa. Ao ny fanorenana lalàna ara pifamoivoizana ka mampivily ny rian-drano. Ao koa ny fanorenana trano amin’ny toerana tsy tokony ho izy ka mety hikorotsaka na hiakaran’ny rano. Miteraka fahaverezna izany. Misy ny maty . Ao koa ny mangalatra ny fananan’ny hafa noho ny fialonana na noho ny famporisihin’ny hafa. Mahery dia mahery ny fitiavan-karena. Na dia ny mpino aza dia tratran’izany ka mahay miteny hoe “tsy maina ny tena fa lena”.

Indrisy hoy Ianao Andriamanitra. Efa nomenao harena tsy voavidy ny olombelona fa misy ny tsy te-hahalala izany.

Nomenao saina hahay mandinika kanefa mampiasa izany toy ilay mpitantana ny fananana voalaza ao amin’y filazantsaran’i Lioka.

Hatramin’ny ela efa nasainao nifidy ny olona na hanompo Anao na tsia. Tsy maintsy manapak’hevitra izay misalasala. Tsy ny olona ihany no voafitaka fa Ianao koa raha tsy tanteraka io safidy.

Eny tokoa, Andriamanitra raha esorinao moa ny harena rehetra nomenao inona no atao ? Raha tonga ny fahafatesana , toa tsy mitondra inona ny olombelona. Na mahantra na mana-karena samy manitsana ny nofiny. Fa ilay fanahy sisa. Tany no hiverenany.

Mampianara anay hitantana ny fanana na dia izay kely indrindra aza.

Koa ampio Tompo, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izahay mba hahay mijoro ho amin’ny fahamarinana takinao aminay.

Raha tsy izany dia tapaka ny fihavananay Aminao raha tsy mankato Anao izahay.

Ampaherezo koa izay efa mino mba tsy hiverin’ny lalana. Fa Ianao irery no fanavotana anay. Koa ampio izay rehetra te-hiova mba hanana toetra mendrika ny fitiavanao.

Reseo ny fahatezerana sy ny fitiavan-tena manakana ka maningotra anay tsy handroso. Enga anie ka hajanona hatreo ny fanambakana rehetra izay mety mbola hitsiry ao am-pon’ ny olona. Ho fongotra ny sain-dratsy rehetra na dia izay miafina aza.

Miasa ry Tomponay. Amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Mpamonjy anay no hanoloranay izao vavaka izao. Amena