TOMPO ô ! Tsy nahaleo-peo rehefa nahare ny zavatra nitranga tany Haïti. Marobe ireo vahoaka tra-doza. Tsy napoizina tokoa. Maro ny maty. Toa maizina tao anatin’ny indray mipi-maso ny fiainan’ny rehetra. Nitsimbadika avokoa ny zavatra rehetra.Eny fa na dia izao tontolo izao aza dia natahotra ary nivara ontsana. Ary manontany tena ny anton’izao loza izao. Mangoraka tokoa ny fo.Latsaka ny ranomaso.Maina ny tena.Miteny toa ny mpanao salamo hoe : « avy aiza ny famonjena ahy ? « 

Eny, efa nampahafantarinao anay ry Tompo ilay teny hoe « miara ory amin’izay ory, ary miara faly amin’izay faly ». Tena mangidy tokoa ny mahazo ny mponina any.Tsy hita izay ho saragontina.Tsy mana-kohanina intsony.

Miezaka ireo olona maro sy firenena hitondra fanampiana. Nefa ilay loza nihatra dia tena goavana. Ho vita ve Tompo ny hitondra fampiononana sy fampaherezana izay very fanana sy namoy ny havany.Mahatsiaro kely sy bitika izahay eo anatrehan’izao.

Ao ny tena kivy tanteraka sy mamoy fo.

Nefa dia misaotra anao Tompo noho ny amin’ireo izay afaka mitondra fanampina ka afaka manatona io tany tra-doza io.Ianao no hanome hery sy tanjaka azy ireo hahazony manatanteraka ny asa miandry azy. Inona no azonay atao afa -tsy ny mametraka ny fiainan’izay naratra ara-batana sy ara-tsaina eo am-pelatananao noho ny fahalavitan’ny tany.

Tsy manadino an’i Haïti Ianao Andriamanitra. Fa mitoetra eo amin’io tany io ary eto amin’izao tontolo izao koa. Miara mitomany amin’izay mitomany Ianao. Miara-mijaly amin’izay mijaly Ianao.

Omeo fanantenana izay kivy fa ho tafarina izy na dia mandia lalan-tsarotra dia sarotra aza. Ary izahay aza avela hanadino fa olona tahaka anay ny any toy ny havana, ary tapaka sy namana.

Mareforefo tokoa ny fiainana eto an-tany. Fa raha manaiky ny olombelona hiaraka aminao ary mametraka ny fanantenany Aminao dia efa mitsiry ny maraina sy ny fiainana vaovao.

Ianao homba sy hitanana ny tsirairay ao amin’io tany io. Matoky anao izahay ry Tompo. Amena