TENY ho vakiana

Isaia 55.1-11

1 Jaona 5.1-9

Marka 1.7-11

Samy mitantara ny nanaovana batisa an’i Jesosy daholo ny Filazantsara efatra, Manambara izany ny maha-zava-dehibe ny momba ny nanaovana Batisa ny Tompo. Samy manana ny fomba fitantarany ny mpanoratra fa ny tsotra indrindra dia ity voatantara ao amin’i Filazantsaran’i Marka ity,

Raha miresaka ny Batisan’i Jesosy isika dia mametraka fanotaniana ihany hoe : nilaina ve izany satria Jesosy tsy mpanota. Raha mamaky ny voatantara isika dia mihevitra fa tahaka ny fitarihan-teny ihany izany ka manomana ny mpamaky amin’ny zavatra hitranga.

Ny andininy faha 6 dia milaza fa : Jaona dia nitafy lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin’ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby. Hitatsika ny fahatsoran’ny fiainany, Nambaran’i Marka ihany koa anefa ny lazany, Efa ela satria efa ho 400 taona no niandrasan’ny Zanak’Israely Mpaminany. Koa raha tonga i Jaona dia io ilay Mpaminany nandrasany, Izay maha-lasa fisainana anefa dia ny fanambaran’i Jaona fa mbola hisy ho avy eo aorinany ary tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho hoy izy. Nampiany izany ka hoy izy : Izaho efa nanao batisa anareo tamin’ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina. Nohezahan’i Jaona haseho etoana ny maha-samihafa azy amin’ny ilay ho avy aorinany. Na tahaka inona na tahaka inona lazany sy ny fiheveran’ny Jiosy azy dia tian’i Jaona hivoatra ny maha-lehibe ilay ho avy. Nohezahany aza ny hampivoatra izany fahasamihafana izany mba hahitan’ny olona hatraiza ny maha-lehibe ilay ambarany. Raha ny tokony ho izy dia ho nametra-panotaniana izay nihaino azy ka hifampanotany hoe Iza io ho avy io.

Raha mamaky tsara isika dia tapaka tampoka ny fitantaran’i Marka fa toa zavatra hafa indray no miseho amin’ny andiny manaraka. Indro nisy olona niseho tamin’i Jaona ka natao batisa tahaka ny olona rehetra. Hatreo dia mitovy amin’ny fanaovam-batisa ny rehetra ihany saingy manomboka eto dia zavatra mahagaga maro no nitranga : Ary raha vao niakatra avy teo amin’ny rano Izy, dia nisokatra ny lanitra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny (Ilay natao Batisa). Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe : Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako. Iza no niteny satria hafa ilay feo ka tsy feon’izay nanatrika teo. Ny voromailala sy ny feo dia efa nambara tamin’ny Jiosy fa hanaraka ilay nirahana sy voahosotra. Na dia fohy araka ny nilazantsika azy aza ny fitantaran’i Marka dia hita kosa fa feno tamin’ny fanambarana ny amin’Ilay nirahina.

Lehilahy iray avy any Nazareta azo lazaina hoe very tao anaty olona tao. Jaona nanambara fa ilay Mahery dia ho avy. Tsy nambarany anefa hoe Iza. Tahaka ny rehetra dia manana fianakaviana, manana ray aman-dreny, manana ny asany io lehilahy io. Marina fa Jiosy mpivavaka izay tonga mba hihaino an’i Jaona Izy. Tampoka teo anefa dia voahosotra sy voatendry izany lehilahy izany. Ary feno ny Fanahy Izy izay hitarika Azy. Voasoritra ny andraikiny. Raha amin’ny fitenitsika ankehitriny dia hoe : Voapetraka ny feuille de route. Nanomboka eto dia niova teo anatrehatsika i Jesosy. Marina fa ara-batana dia tsy niova Jesosy, saingy kosa nomena andraikitra Izy. Tsy mitovy amin’i Jaona mpanao Batisa na ny mpaminany malaza fatatsika toa an’Isaia na Jeremia akory satria nambara etoana fa Izy dia : Zanaka Malalan’Andriamanitra sady Sitrak’Andriamanitra.

Inona no ho lazaina raha mamaky ny voalazan’i Marka isika. Toa mety kokoa ny mangina ary mamerina ao an-tsiana sy ao am-po ny fanaovam-batisa ny Tompo ary manaiky ny hidiran’ny fiovana haterak’izany ao amitsika. Angamba tsy mila teolojia be izany. Tsy mila akory ny hametrahatsika fanotaniana hanamporofona amitsika ny zavatra nitranga. Ny Fanahy Masina no avelatsika hanazava ao anatitsika ny hevitry ny fanaovam-batisa ny Tompo.