MATIO 5 : 5 – 12

Nalaza dia nalaza Jesosy tany Galilia, tany Dekapolisy, tany Jerosalema, tao Jodia ary nihoatra ny onin’i Jordana. Tsy zavatra bitika izany. Ary dia mitohy mandra’ankehitriny ny lazany.

Eny ary, novoriany ny mpianatra satria tsy azo atao tsirambina ny fampianarana azy ireo. Lohateny mahalasa eritreritra no ho voaboasana. Ary ilaina toerana tonga lafatra. Ka natao tany an-tendrombohitra satria any mangina tsy misy manelingelina

Jereo koa ange fa tamin’ny andron’i Mosesy dia tany an-tendrombohitra koa izy no nandray ny lalanà folo. Izay hevitra tena mafonja no voarainy.

Ilaina ny mandalina ny fianarana na dia efa lehibe aza ny tena. Ny fihainona ny Mpampianatra no atao voalohany. Ao mantsy ny diso hevitra ka maimaika ny hiasa ary tsy ampy ny fiomanana amin’izay hotanterahina atsy ho atsy. Ilaina famakafakana ny fianarana mba ho masaka sy mazava ho an’ny tena aloha. Raha tsy miaina izany dia tsy afaka hampita izany ho amin’ny hafa. Fa manonofy fotsiny. Ny olona mampiana-tena dia hita fa manokana fotoana ho azy hahatratrana ny karoka atao.

Manomboka ary izao ny lohateny samihafa. Tsy latsaky ny fito izy ireo. Efa mahazatra hoy ny sasany amintsika. Efa hay tsianjery aza ka tsy mahataitra intsony. Kanefa diniho kely fa tena voakasik’ireo lohateny ireo ny tsirairay. Momba ny fihavanana, ny ara sosialy, ny fivavahana, ny finoana, ny fanenjehana, ny fitadiavana ny fahamarinana raha fintinina.

Nahoana moa Jesosy no manomboka amin’ny teny hoe “ sambatra ny toa izao sy toa izao …” Fa angaha moa misy olona tsy sambatra ? Jereo ange ny fifanoheran’ny teny sasany ampiasainy : “malahelo am-panahy sy ny fanjakana” raha ao ve ny fanjakana dia mbola alahelo am-panahy ihany ? Ny ory ho hampifalina . Moa ve tsy izany no tanjony mba tsy hitanondrika lalandava izay ory.

Mahalasa eritreritra ny teny hoe “sambatra” . Toa mamaritra fotoana izany. Ka manontany aho hoe : “Moa ve ny fahasambarana tsy maharitra mandrakizay ? Ahoana no havaly izany ? Hono hoa : tsy izay ve no mahatonga ny fisin’ireo teny fampanantenana toy ny hoe : “ny fanjakan’Andriamanitra dia ho an’ny malahelo am-panahy, na koa hoe “ ny malemy fanahy dia handova ny tany .”

Takatra ao amin’io famoboasana lohateny io izay takin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ahoana ny fihetsiky ny olona eo anatrehan’ny tapaka sy namana ? Fanontaniana mipetraka izany. Isika no iantefan’izany voalohany fa tsy ny hafa akory ? Tsy mety ny manilikilika.

Ahoana ireto malahelo ara-panahy ireto ? Ny dikan-teny amin’ny teny frantsay dia hoe” pauvre en esprit ». Tsy milaza fahantrana izany akory. Fa milaza ny saina hananan’ny olona. Na manakarena na mahantra dia samy manana izany saingy ny malahelo am-panahy dia ireo mamisavisa sy mandinika ary mahay mandajanlanja.Fa tsy manao toton’ondry bory fotsiny amin’ny fisainana. Manana saina maranitra nefa miteny am-pahatsorana sy tsy misy ola-kolaka. Avadika im-pito ny lela vao miteny. Tsy ny miditra ao amin’ny tena akory no ratsy fa ny mivoaka avy ao amin’ny tena. Ny malahelo am-panahy tsy olona manjoretra na malemy saina akory. Fa olona matanjaka amin’ny hevitra , mahery , misaina , mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. Ary inoana fa hahita vaha-olana eo anatrehan’ny fahasahiranana. Noho izany dia ho tahak’izany ny mpianatry ny Tompo, ary isika koa dia ho toa izany. Izany hoe : tsy tongatonga fotsiny amin’izany ny olona raha tsy mampihatra izany amin’ny tenany ary mila fotoana izany. Mila fianarana izany.

Ahoana ary ireto ory nefa hampifaliana ? Ny dikan-teny frantsay dia hoe : sambatra ny mana-manjo fa izy no hampiononona. Tena fahoriana lehibe izany no nihatra tamin’izy ireo. Tsy mahaleo-peo instony. Tsy mandre akory izay lazaina noho ny fahafatesana nianjady tamin’ny olo malala. Noho izany dia mila olona izy ireo hiteny aminy. Tsy maka ny toerany akory fa miezaka hilaza ny halalin’ny fahoriana. Mba hahazon’ireo velona hery hanohy ny diany. Hampaherezina amin’ny teny mamy amin’izao fotoana sarotra ary ny Fanahy Masina no miasa ao anatiny. Tahaka ny olona mifanena amintsika ka milaza teny tsy nampoizina ary nampitraka tamin’ny fotoana sarotra sy mangidy indrindra . Misy ireo irak’Andriamanitra nifanena tamintsika : namana, mpiara- miasa, olona mahatoky, havana. Nitranga tao an-tokan-trano na teny an-dalàna hiasa, na teny ampiandrasana “bus”. Taty aoriana vao tsarona hoe : hay nisy olona nalefan’Andriamanitra hitondra fampaherezana ho ahy tamin’iny fotoana iny. Tadidinao ve izany ? Niasa tokoa ny Fanahin’Andriamanitra.

Ahoana ity malemy fanahy handovana ny tany ? Ny fahadisoan’ny olombelona dia reboka amin’ny hoe : ny lanitra ihany ny an’ny mpivavaka fa tsy mihevitra ny tany . Ka hafenina ao amin’ny hoe : aza mijery ny tany fa ny lanitra ihany satria ny tany fandalovana. Marina io. Nefa eto an-tany ny olona no miaina. Jereo ireny ‘astronaute” nandeha tamin’ny “fusée” tsy nahita ny lanitra fa habakabaka midadasika no hitany. Ary mihalavitra hatrany ilay lanitra manga noheveriny fa akaiky azy rehefa lasa lavitra izy ireny. Ny teny hoe » lanitra » anie dia anisan’ny ilazana an’Andriamanitra ao amin’ny Soratra masina. Ka ny lanitra dia ny fiainana ao amin’Andriamanitra na dia eto an-tany aza. Any ka afaka mandova ny tany izay taratry ny lanitra ny malemy fanahy.

Ahoana koa ireto noana sy mangetaheta ny fahamarinana ? Iza no tsy miresaka an’io amin’izao fotoana izao eran-tany ? Afa – po ve ny olona amin’ny atao hoe rariny sy fahamarinana. Ady io satria tsy mora ny hahazona rariny . Maro no miantsoantso ny rariny eto amin’izo tontolo izao mba hihatsara ny tontolo iainana. Jereo ireo tany mahantra tsy manako-hanina ary mbola misavovona trosa ateraky ny ady. Tsy handry izay hiverenan’ny fandriampahalemana sy ny sakafo. Hadinon’ny olona fa ny fahamarinan’Andriamanitra dia hafa kely. Mila fiaiken-keloka aloha avy amin’ny olombelona izy. Mila fifamelan-keloka. Tsy azon’ny kristiana lavina izany. Raha manohitra izany ny kristiana dia manohitra ny Filazantsara. Ary diso lalàna.

Ary ny miantra mba ahoana kosa ? Toa sarotra ange ity fampianarana sitrapon’Andriamanitra ity. Miroso ny fampianarana ary toa mahalasa fisaina hoe : aiza no hahatanterahana izany ? Ny olona tsy afaka mamindra fo dia toy ny vato. Tsy afaka mamela heloka . Ary ho feno fahorian-tsaina mandritra ny fiainany.

Fo madio no mahita an’Andriamanitra ? Miala sy manafoana amin’izay maningotra rehetra toy izay atao ho sampy. Atao ao ambany helika ka maka ny toeran’Andriamanitra. Mety ho voafitaka ny saina raha tsy mailo tsara. Ary dia takona Andriamanitra. Manjavona ary tsy hita. Miantsoantso foana fa tsy mahita an’Andriamanitra ary toa manome tsiny aza indraindray. Anefa ange miandry antsika Andriamanitra hanadio ny fiainantsika sy ny saintsika.

Sambatra ny mpampihavana fa izy no atao hoe : zanak’Andriamanitra ? Ao ny mitsiriritra an’io. Kanefa tsy afaka hampihavana raha tsy efa nanaiky hihavana tamin’izay tsy nifankahazo tamin’ny tena. Hianarana izany fa tsy mandeha ho azy. Manaiky hanova ny fiainana amin’ny fitiavana ny namana. Manafoana ny fankahalana ao anatin’ny fo. Izay vao afaka mandroso amin’ny fampihavanana . Raha tsy vita izany, tsy misy fiadanana, tsy misy fandriampahalemana. Ahoana hoy Jesosy teo ambony hazo fijaliana”anio no hihaonako aminao any am-paradisa ” . Nanome ohatra antsika Ilay Zanak’Andriamanitra maty teo amin’ny hazo fijaliana . Tsy tokony ho tahaka izany koa ve ny kristiana mpanaraka azy ? Jesosy niseho koa tamin’ny mpianatra dia niteny hoe : Omeko anareo ny fiadanana dia toy ny miteny hoe : tsy manana lolom-po aho. Fa voavela ny helokareo. Izaho no zanak’Andriamanitra miteny anareo izany. Nahoana no misy tsy afaka hamela ny heloky ny hafa. Tsarovy fa ny zanak’Andriamanitra natsangana tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy.Tsy mitahiry lolom-po. Goavana ny fampianaran’i Jesosy ny mpianany ary ho antsika koa izany. An’ny tsirairay ny misafidy hanaraka ny sitrapon’ny Tompo na tsia.

Ary izay miasa ho amin’ny fahamarinana ka voahenjika ? Efa nampoizina fa na ny mpitory ny Filazantsara dia mety ho tratran’ny fanenjehana. Tsy tantin’ny olona ny milaza ny marina. Satria manitikitika ny fiainany . Ny fanenjehena mantsy dia ara- batana sy ara-tsaina. Ary mety handratra na hahafaty akory aza satria tafahoatra izany. Rehefa fanenjehana dia tsy mety na kely fotsiny aza. Tsy misy mampitoetra izany. Misy izay miaina amin’izany tia manenjika olona izany ary tsy mety hiova fo. Ny olona ao amin’Andriamanitra dia tsy manana izany toetra izany.Diso lalàna ny fampiharahana ny fivavahana sy ny fanenjehena amin’ny lafiny rehetra.

Tsy mora ny manaraka ny Tompo anie ê ! Tsy kilalao izy io ! Ilaina ny fiovam-po sy saina ary toetra. Tsy ilaozan’izay hahiliky ny olona isika rehefa mitory ny Filazantsara. Nefa aoka tsy hadino fa ny Tompo miaraka amintsika.

Hahay andeha amin’ny saina sy fo mifanaraka amin’ny sitrapon’nAndriamanitra. Satria nampahatsiahivina antsika io fampianarana. Tsy tanterahina araka ny maha diavolana ny fo. Tsy izany no takin’ny sitrapon’Andriamanitra amintsika fa ny hijoro tanteraka amin’izay izy ary tsy hanala-baraka an’Andriamanitra.

Ny fahasambarana eto an-tany dia mandalo fa raha raisintsika hoy toy ny fiarahana amin’Andriamanitra izany dia hiova ny fijerintsika. Ka hanao isika hoe :

“Handroso isika mahantra ara -panahy fa omena antsika ny fiainana ao amin’Andriamanitra. Handroso isika … Eny handroso isika …

Raha mionona amin’ny teny fotsiny isika fa tsy mampianatra sy mampiatra izany amin’ny fianana dia handalo toy ny zavona ny fahasambarana.

Koa mandrosoa hatrany ary aza mihemotra fa ny Tompo no miara-mandeha amintsika hahatanteraka ny asa izay nanirahana. Hitory ny vaovao mahafaly amin’ny fo sy ny saina sy ny fanahy ary ny toetra mendrika. Satria tia antsika Andriamaintra. Izy no namonjy, sy namela heloka ary nanasitrana ny fiainantsika. Mandrosoa ary fa miandry anao ny Tompo. Aza misalasala. Izy no momba anao raha manaraka ny Teniny ianao sy izaho. Eto an-tany no manomboka ny fifalinao. Amena