TENY ho vakiana

Genesisy 9.8-15

I Petera 3.18-22

Marka 1.12-15

Nanomboka tamin’ny alarobia lasa teo dia miditra amin’ny fotoanan’ny Karemy isika ary androany no alahady voalohan’ny Karemy. Tsy dia fombatsika Protestanta loatra ny mampiseho ho hita ny olona fa manaraka ny karemy isika. Ny olona amin’ny antokom-pinoana sasany tamin’ny alarobia ohatra dia nanisy arina teo amin’ny handriny mba ampisehona ampahibe maso fa miara-miombona amin’ny Tompo amin’izao fijaliana tsy maintsy lalovany izao. Misy aza amin’ny sasany amin’izy ireo izay menatra manoloana ny fanajan-dry zareo silamo ny Ramadan, Nefa tsy hamerina indray izay fanao taloha ka naseho ho hitam-bahoaka ny fifadiana amin’ny Karemy no maha-maika fa kosa ny hijery inona marina ny dikan’ny karemy,

Ireto andininy vitsivitsy eto amin’ny Filazantsaran’i Marka ireto dia hahitatsika izany.

Tsy dia mba lava fitantara loatra I Marka nefa mafonja kosa izay voalazany.

Vao avy nataon’i Jaona Batisa Jesosy. Io no fanokana azy hanao ny asa nanirahan’Andriamanitra Azy. Nefa koa dia fampisehona ny hidirany amin’ny maha-olombelona Azy ka handalovany ny fahoriana sy ny fijaliana ary fotoana koa nanambaran’Andriamanitra ny maha-Zanaka malalany Azy.

Nolazain’i Marka fa nentin’ny Fanahy nakany an’efitra Jesosy. Samy milaza io nitondran’ny Fanahy nakany an’efitra io ny filazantsara efatra. Zava-dehibe io. Vao avy nolazaina fa Zanaka izay sitraka Jesosy. Zanaka izay hitondra ny fahotan’Izao tontolo izao ary hanohy indray ny fihavanan’ny olona sy Andriamanitra. Alohan’ny nandefasana Azy tany amin’ny olona dia nentin’ny Fanahy nakany an’efitra Izy. Tsy dia mba be teny loatra ny amin’ny izay nitranga i Marka. Ny nolazainy fotsiny dia ny hoe : tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain’i Satana fanahy. Ny mpanoratra ny filazantsara hafa dia nitantara ireo fakam-panahy nahazo an’i Jesosy. I Marka tsy dia nilaza firy izany. Nambarany fotsiny ny nisin’ny fakam-panahy izay natao mba hanodina an’i Jesosy tsy hanatanteraka ny iraka nankinina taminy. Nampin’i Marka kosa fa nisy ny anjely nanompo Azy. Toa miverina ao an-tsaina ny Salamo faha-91 ny andininy 11-13 manao hoe :  » Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin’izay rehetra halehanao. Eny an-tànany no hitondran’ireo anao, Fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao. Ny liona masiaka sy ny vipera hodiavinao ; Ny liona tanora sy ny menarana no hohitsahinao. »

Tsotra ny fitantarana ary toa angano aza angamba no handraisana azy, nefa kosa manana ny maha-izy azy, satria hahazoatsika nahafantatra ny maha-lehibe ny nandehan’i Jesosy tany an’efitra.

Nentin’ny Fanahy nankany an’efitra Jesosy, dia tany amin’ny toerana izay tsy misy na inona na inona hahatsapany ny zava-manjo ny olombelona. Nentina tany an’efitra izy mba hiaina ny fahorian’ny olona sy ny fijaliana ary ny fahasahiranany.

Raha misy sary afaka manambara izany ny iray amin’ireny dia izay voasoratra ao amin’ny Genesisy momba ny Safodrano izay nanaovan’Andriamanitra fanekena ny tsy handringanana ny olombelona intsony. Ary Jesosy izay vao avy nahita ny mangadihady tany an’efitra no hahitana sahady ny fanatenana ny amin’ny hamonjena ny olombelona.

Hitatsika eto ny fitohizan’ny niainan’i Jesosy tany an’efitra sy ny niatomboan’ny toriteniny araka ny nitantaran’i Marka azy.

Nosamborina i Jaona Mpanao Batista. Tapitra hatreo ny maha-pialoha lalana azy. Noho izany dia afaka manambara Jesosy ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nambarany fa tsy nofinofy akory izany. Izy no voalohany ao amin’ny izany Fanjakana izany. Sarotra amin’ny olombelona ihany ny handray an’i Jesosy ho filohan’ny Fanjakana raha tsy nahita izay rehetra nanjo ny olombelona Izy. Izao anefa efa natsiaro ny hirifirin’ny fiainana tsy misy na inona na inona izy ary efa nandalo ny fakam-panahy tahaka ny olona rehetra.

Tsy ny fisehona ivelany ka hanehotsika ny fifadi-kanina no zava-dehibe amin’ny karemy, fa ilay fidiratsika ho ao amin’ny Fanjakana vaovao dia ny Fanjakan’Andriamanitra. Ary ny hahazoana niditra ao dia izay nolazain’i Jesosy : « Mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara ». Ny Karemy dia ny fahaizana mandresy ny filan’ny nofo ka manaiky hotarihin’ny Fanahy tahaka an’i Jesosy, ho antsika tsy ho any an’efitra fa hijery kosa ny fiainatsika. Raha tahaka izany dia ilaina ny Karemy ka tsy tokony hodiana tsy hita.