ROMANA 14 : 10 b

Io fehezan-teny io no raisina ho lohaten’ity toriteny ity.

Ny fankahalana dia hiaraha manaiky fa tsy vao androany. Ny boky ela toy ity epistily ity dia manamarika izany. Tahaka izany koa ny tantaran’i Kaina nankahala an’i Abela ary tsy natahotra ny namono azy. Tao koa ireo nakahala an’i Jesosy ka niteny ratsy aza rehefa teo amin’ny hazo fijaliana izy. Hanky va re mamikitra ao am-po sy ny sain’ny olona izy ity rehefa zohina ny tantaran’ny olombelona. Santionany ireo fa maro ny ohatra fantatsika .

Hisy hiteny hoe : izaho angaha Andriamanitra na anjely ka hanaiky fotsiny izay ratsy nataon’ny hafa tamiko. Izany no nahatonga fankahalana. Narary loatra ny foko tamin’ny fampijaliana nataony ahy sy ny fanambaniny ahy ary niharan’ny fahafatesana aza ny havako.

Ao koa ny hoe : voahoso-potaka tamin’ny tsy rariny aho ary tena afa-baraka ka mankahala tanteraka an’iny olona iny.

Mampalahelo tokoa ny olona nianjadin’ny fampijaliana, na fanendrikendrehina, na fandrombana, na vono. Nefa mampalahelo koa ny mahare ny teny voalaza tetsy aloha.

Matetika ny olona iharan’ny fankahalan’ny hafa dia tsy afa-maina fa voahilikilika. Ary ao ireo izay manao ny hahalavo azy mba hanakorana azy aza. Indrisy mampalahelo koa. Latsaka ambany dia ambany ny fomba fisainana satria mitahiry lolom-po.

Jesosy Kristy dia tratran’ny fanenjehina.Nolazainy aza fa ho voahenjika noho ny anarany izay manaraka azy. Nankahalaina ary nitetika ny hahafaty azy ny fahavalony.Nefa dia samy teo amin’ny tany iray ihany.Eny fa na dia nanao soa koa ka nahasitrana ny marary aza. Nampalahelo ilay fomba fihevitra satria tsy mandinika. Mampitomany ny mieritereritra izany. Ny hamono ny Zanak’Andriamanitra ny teti-dratsin’ny hafa. Ilay fankahalana mantsy dia nitapisaka lalina tao amin’ireo mpanenjika ary tsy te hisaraka amin’izany. Ny tanjony dia ny hamono an’i Jesosy tamin’izany fotoana izany.

Ny mahagaga : Jesosy tsy namaly faty ireo izay nanasoketa azy. Tsy nankahala izay nakahala azy. Tsy niteny ratsy izay niteny ratsy azy. Fa nihaino fotsiny. Menatra isika olombelona fa tsy mahavita izany. Fampianarana lehibe izay hanasana antsika izany. Zava-dehibe izany. Tao ny naha olombelona sy Andriamanitra azy. Ary nalahelo izy nahita ny fihetsika ny mpanenjika. Nefa ireny mpanenjika ireny dia anisan’ny olona nahare ny teniny fa tsy nahatakatra izay nolazainy. Nitory ny fitiavana Jesosy fa toa teny lasan’ny rivotra ka tsy nandaitra izany tamin’ny sasany. Fa tao ny nanao teti-dratsy ny hahafaty azy.

Tantara maha lasa fisainana ny nanjo an’i Jesosy. Misy ireo olona izay efa nanaraka azy aza dia nivadika taminy. Maro ny resaka momba an’i Jodasy nefa tsy dia izy loatra no tiako ho lazaina.Nanao izany tsy nety izy ary dia lanin’ny nenina ka namono tena no niafarany. Indrisy !

Mitodika amin’ny kristiana ny teny ankehitrio, na be finoana na kely finoana, na mpiangona isak’alahady na indray mandeha isan-taona va hita any am-piangoana, na tsy miditra am-piangonana nefa mino. Teo amin’ny fotoana ninoanao ny fitiavan’Andriamanitra anao dia tafahoana tamin’Andriamanitra ianao. Nefa ny zava-mitranga eo amin’ny tsy nampoizina dia mety mampiova tanteraka. Ka nisosoka mangina tao am-po ny fankahalana. Tsy nisy nahita tamin’ny voalohany fa ny fihetsika taty aorina dia tsy afaka nanafina izany intsony.

Ahoana hoy ny tenin’ny Tompo : Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Izany no nampianarin’ny Filazantsara sy hafatra nataon’i Jesosy. Kanefa ahoana no hitiavana an’Andriamanitra tsy hita maso raha tsy afaka mitia ny olona izay hita maso. Mbola misy asa lehibe izay tokony ataon’ny tsirairay rehefa manontany ny Tompo hoe « nataonao aiza ny rahalahinao ? »

Mampahatsiaro antsika handajalanja ny teny havoaka ny tsirairay na aiza na aiza misy azy, indrindra ny milaza ho kristiana. « Tsy ny miditra ao amin’ny tena no ratsy fa izay mivaoka ny vava ». Misy mihevitra fa rehefa tsy misy mahita izay teneniny dia mandeha ho azy izany. Hita izany amin’ny feo-antarobia fa tsy mifanatri-tava, na amin’ny mailaka satria tsy misy mahalala. Misy fomba mampalama ny vava hoe « mangididy re ny sofiko izany » ary ao ny mamaly hoe « misy mifosa anareo izany ê ». Iza no mifosa ? Iza no mankahala ? Tsy fantatra na iza na iza fa any ambadika tsy hitan’ny maso any.

Misy olona dia faly manao izany ary toa mivelona amin’izany fifosana izany. Tsy azony ny ainy raha tsy manao izany izy isan’andro. Ary eo dia anisan’ny hiatombohon’ny fankahalana satria toetra tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.Toy ny sakafo isan’andro izany ho an’ny sasany.

Koa manontany antsika ity epistilin’ny Romana ity androany « nahoana no mankahala ny rahalahinao ianao » ? Ao ny hilaza fa fanontaniana tamin’ny andro taloha izany ary tsy mitoetra intsony. Ao ny sasany hilaza hoe : efa lany andro izany ary hakatony ny Baiboly.

Tena marina ve izany ? Diniho ny fiainana sy ny toerana misy anao amin’izao fotoana izao na’aiza n’aiza misy anao.

Tena mifanaja ve ny olona ?

Tena mifankahazo tsara ve ny olona ?

Tena mifankatia ve ny fianakaviana ?

Tena mijoro amin’ny sitrapon’Andriamanitra ve ?

Aza mijery ny hoe : izahay efa kristiana ary efa mahafantatra an’Andriamanitra . Efa lasa paradisa ny tany raha izay no tanteraka . Aza maika fa diniho aloha ny tena vao mijery ny hafa.Izaho koa mba hanao izany.

Tsy mitondra fiadanam-po na fifalian-tsaina ny fankahalana.

Aretina ara-panahy ary tsy mahagaga raha manimba ny fahasalamana.Hany ka miteraka aretina izay tsy mety sitrana aza.

Ny kristiana mantsy dia natao hoe rahalahin’i Jesosy satria Zanak’Andriamanitra natsangana tamin’ny alalany. Noho ny amin’i Jesosy no maha zanak’Andriamanitra antsika. Koa raha mankahala Azy ny olona dia mankahala ny fianakaviny manontolo. Raha mankahala ny fianakaviny dia mankahala an’i Jesosy Kristy koa. Mifaningotra be ilay izy ary mampieritreritra lalina.

Ny mahavariana dia misy mitopy teny fatratra manao hoe : aleo aloha alefako ny vali-faty sy ny fankahalana ary avy eo aho vao hiova. Raha izay no tanjona dia manao kilalao an’Andriamanitra. Heverina fa saribakoly ilay Andriamanitr’i Jesosy Kristy ka ny olombelona indray no mibaiko azy. Tsy hankahasitrahan’ Andriamanitra izany.

Nahoana no mankahala ny rahalahinao ianao ? Misy antony ao na dia tsy hilaza izany aza ianao. Miafina amin’olombelona fa tsy miafina amin’Andriamanitra. Ary tsy mampadry anao andro aman’alina. Fa misavoritaka ny sainao. Tsy misy filaminana ny fiainanao. Mangidy ny fiainanao.

Raha azonao amboraka mantsy ny antony nahatonga izany fankahalana izany dia hiova ny fiainanao. Ny Fanahy Masina tsy miova omaly sy anio no afaka manampy anao amin’izany. Raha mbola tsy vonona ianao fa hiseho ho tia nefa feno fihatsarambelatsihy dia tena mahantra irery ianao. Ary vao maika mampagirifiry anao ny fiainana.Izay jerenao dia toa ny rahona mainty.

Ny olona mibebaka sy miova fo tsy lavin’Andriamanitra raha mitodika Aminy sy mangatka famelana Aminy ary koa amin’izay hankahalaina.

Tsy azo kosehina ao amin’ny soratry ny Baiboly io teny io hoe « maninona no mankahala ny rahalahinao ianao ? » Rehefa tonga koa ny ady sy ny korontana eo am-piasana, na eo amin’ny fianakaviana, na eo amin’ny firenena dia mipetraka io fanontaniana io. Eo vao mivaoka toa ny « volkano » ny fahatezerana rehetra ary tsy voatana. Satria nandà ny fanasitrana nomen’ny Tompo. Nihevitra ho nahavita tena. Tsy misy mahavita tena irery fa na mila an’Andriamanitra izy, nefa tsy ampy izany fa mila ny olombelona tahaka azy koa izy. Tsy hankahala fa hifankatia ary hanao soa ny tany izay nomen’Andriamanitra azy.

Enga anie ka tsy ho tratran’ny famoizam-po ianao sy ny fahorian-tsaina noho ny amin’izany. Manolotra ny tanany aminao Andriamanitra mba hanatonanao azy. Eo akaikinao izy fa toa tsy hitanao. Aza mety ho jamban’ny fankahalana fa sokafy ny fonao sy ny sainao hohazavain’Andriamanitra.

« Maninona no mankahala ny rahalahinao ianao ? Asa izay havaly !

Tsy iray na roa ny rahalahinao fa maro ary ao anatin’izany ilay nanolotra ny tenany ho faty teo ambony hazo fijaliana mba hanavotra anao. Efa nitsangan-ko velona izy. Fa ianao aza mikiry hijanona ao amin’ny fahafatesam-panahy.